Ny sary hosodokon’ny ambasadaoro Indiana any Kroasia, fanomezana nanaovam-beloma tena nampiady hevitra tao amin’ny fampitam-baovao

Ny filoha Kroasy Kolinda Grabar-Kitarovic sy ny ambasadaoro Indiana Sandeep Kumar. Sary : Masoivohon’i India any Zagreb navoaka tao amin’ny Facebook.

Nanao veloma ireo solotenan’ny governemanta ao Kroasia ny ambasadaoro Indiana Sandeep Kumar tamin’ny fanomezana ireo sary hosodoko sasany nataony nandritra ny telo taona niasany tao amin’ny firenena.

Naseho voalohany tamin’ny alalan’ny kaonty Facebook-n’ny Masoivohon’i India tao Zagreb ny 31 Oktobra 2018 ity fanomezana tsy mahazatra ity, izay niteraka adihevitra tao amin’ny tambajotra sosialy.

During farewell calls, Amb presented paintings done by him on various Cro themes including Parl Elections; Agrokor Crisis; Zagreb Cathedral ; Croatian FIFA 218 success journey; Cro landscapes ? & portrait of Cro President. – “Soft Power” diplomacy to capture minds and hearts! ?

Nanolotra ny sary hosodoko nataony maneho lohahevitra Kroaty samihafa ny Ambasadaoro nandritra ny fitsidihana farany nataony toy ny : ny fifidianana parlemantera, ny krizin’ny Agrokor, ny katedralin’i Zagreb , ny fahombiazan’i Kroasia tamin’ny FIFA 218 , ny sary tananan’i Kroasia sy ny sarin’ny filoha Kroaty.- Diplomasian’ny ‘’Soft Power’’ mba hisarihana ny fo sy ny fanahy!?

Naneho ny zava-nitranga tao anatin’ny taona faramparany tao Kroasia ny ankabeazan’ireo sary hosodoko sy ireo tsangambato izay nampiaiky ny ambasadaoro.

Nanolotra sary hosodoko mitondra ny lohateny hoe ‘’Fifidianana 2016’’ izy noho izany, ho an’ny Praiminisitra Kroaty Andrej Plenkovic. Tao amin’ny antsafa niarahana tamin’ny N1.TV, nanazava i M.Kumar fa te hampiseho an’i Kroasia ao amin'ny fahamarinan-toerana teo amin’ny dingana politikany iarahany amin’ny vahoaka‘’ izay hifidy sy handeha mizotra mankany amin’i Kroasia vaovao,izy fa tsy mankany amin’ny Yogoslavia teo aloha’’.

Ny ambasadaoro Indiana Sandeep Kumar (ankavia) sy ny Praiminisitra Kroaty Andej Plonkovic (ankavanana). Ny soratra amin’ny teny Kroaty dia mivaky hoe “Ny safidiko, ny fiainako”. Sary : Masoivohon’I India ao Zagreb, navoaka tao amin’ny Facebook.

Nisokatra ny fanazavan-kevitra amin’ny maha zavakanto tsy azo tsapain-tanana izany. Nahita izany ho ‘’zavamisy nampiseho ny fomba nanaovana ny fifidianana tao Kroasia- tao anaty korontana’’ ny fanehoan-kevitra iray tao amin’ny tranonkala Total Croatia News.

Nantsoina hoe’ Raharaha Agrokor’ ny sary hosodoko avy amin’ny vaovao iray malaza izay nomena ny Minisitry ny Toekarena sy ny orinasa ary asa-tanana Kroaty Darko Horvat. Vondron’orinasa miompana amin’ny fambolena ara-tsakafo ny Agrokor izay nitatra nivoaka sisintany saingy bankirompitra tamin’ny taona 2017. Koa satria noheverina fa  ‘zava-dehibe ka tsy tokony ho bankirompitra ity orinasa ity dia namoaka lalàna manokana ny governemanta mba hampandehanana indray azy. Noenjehina noho ny heloka bevava tamin'ny fanaovana hosoka ny kaonty, ny fisolokiana ary ny fanararaotam-pahefana ny ekipa mpitantana tao aminy.

Agrokor, Darko Horvat, and Indian Ambassador Sandeep Kumar

Minisitry ny Toekarena, ny orinasa sy ny asa-tanana Kroaty Darko Horvat (ankavia) ary ny ambasadaoro Indiana Sandeep Kumar (ankavanana). Sary : Masoivohon’i India ao Zagreb navoaka tao amin’ny Facebook.

Nanazava i M. Kumar fa maneho ny vokatry ny fikorontanana ara-toekarena Kroaty ny mari-pivakisana eo amin’ny sary hosodoko (toy ny amin’ny fitaratra mitriatra).

Nomena ny talen’ny ekipa nasionalin’ny mpilalao baolina kitra Kroaty Zlatko Dalic ny sary hosodoko iray tsy nahitana adihevitra firy. Maneho ny fahombiazan’ny ekipa tamin’ny fiadiana ny tompondakan’ny baolina kitra erantany FIFA tany Rosia nandritra ny asara 2018 ity sary hosodoko ity.

Ny mpanazatra ny ekipa nasionalin’ny baolina kitra Kroaty, Zlatko Dalic nandray ny sary hosodoko nomena anarana hoe ‘’Volamenanay ianareo’’ avy amin’ny ambasadaoro Indiana Sandeep Kumar. Sary : Masoivohon’i India ao Zagreb navoaka tao amin’ny Facebook.

Nanoratra momba ireo sary hosodoko natolotra ireo ny ankamaroan’ireo seha-baovao Kroaty. Tena niabo ny nanehoana ny endrika sy ny fihetsik’i M. Kumar. Nanamarika ny lahatsoratra iray navoakan’ny gazety Jutarnji list fa  niavaka tamin’ny maha mpanao fanatanjahantena mavitrika sy mafana fo azy tamin’ny fanabokonan’hozatra sy ny yoga ilay ambasadaoro nandritra ny fanatanterahany ny asany, ary ny maha-mpanohana zavakanto izay nitetezany ireo mozea ao an-toerana sy nanangonany ireo sary hosodokon’ny mpanakanto Kroaty.

Saingy nisy ihany koa ireo lahatsoratra sasantsasany naneho fanehoan-kevitra maneso avy amin’ny mpamaky momba ireo sary hosodoko natolotra, indrindra mikasika ny sarin’ny Ramatoa Filoham-pirenena.

Rehefa mijery [ny sary] ao amin'ny eBay ianao ary rehefa mandray ny vokatra tena izy avy amin'ny eBay.

Namoaka lahatsoratra ny fampahalalam-baovao tamin’ny lohateny toy ny hoe :’’Nandray ny sariny natao fanomezana i Kolinda : Manontany tena ireo mpisioka Twitter hoe inona no tena mampihomehy indrindra, ny sary hosodoko sa ny sary hala-tahaka an’i Ramatoa Filoha’’ sy ny hoe ‘’Tsy hay fantarina : jereo ny fomba nanaovan’ny ambasadaoron’i India ny sary hosodokon’i Kolinda’’

Nisaotra ireo Kroaty rehetra nanolotra azy fitiavana sy fahalalahan-tsaina i M. Kumar nandritra ny antsafa nifanaovany tamin’ny N1 TV :

I know in my future post when the going gets difficult for me, all I have to do is to look at Croatia and I know my heart will be filled with inspiration and with joy.

Fantatro fa amin’ny toerana sahaniko manaraka, rehefa misy ny olana, dia hijery an’i Kroasia fotsiny aho ary ho feno aingam-panahy sy hafaliana ny foko.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.