Raha manamarika ny fahafolo taonan’ny Fifanekem-pihavanan'i Accra, izay namarana ny ady sivily naharitra 14 taona i Liberia, mpianatra eo amin'ny 25.000 avy amin'ny kilasy famaranana no tsy afaka tamin'ny fanadinana fidirana ho any amin'ny Anjerimanontolon'i Liberia tamin'ity taona ity. Ity no fotoana voalohany tsy nisiana mpifaninana na iray aza afa-panadinana fiidirana taona voalohany.

Ny filohan'i Liberia, Ellen Johnson Sirleaf, nahazo ny mari-pankasitrahana Nobel momba ny fandriampahalemana, dia mahatsapa fa “mikorontana” ny rafi-pampianarana any Liberia. Sary ho an'ny sehatry ny daholobe avy ao amin'ny departemantam-panjakan'i Etazonia.
Nitatitra ny BBC fa sarotra ho an'ny Minisitry ny Fampianarana ao Liberia, Etmonia David-Tarpeh, ny hino fa tsy nisy na dia mpianatra iray aza afa-panadinana. Noho izany dia mikasa ny hihaona amin'ireo mpitantana ny anjerimanontolo izy hiresaka momba io olana io. Manoritra io tahan'ny tsy fahafahana io ho “famonoana vahoaka faobe” izy.
Na izany aza, James Dorbor Jallah, mpanolotsaina iray miasa tena, izay nokaramain'ny anjerimanontolo hitantana ny fanadinam-pidirana, dia nanamarina ny tatitra ary nilaza fa efa foana ny andro nampidirana ireo mpianatra anatin'ny Anjerimanontolon'i Liberia amin'ny alalan'ny kolikoly sy miankina amin'ireo olona ambony toerana maro fantatr'izy ireo.
Tao amin'ny Twitter, naneho fihetseham-po mifono hatairana sy tsy finoana izao tontolo izao raha nahare ireo vaovao.
Ity ny fomba nanoritan'i Calestous Juma (@calestous), Mpampianatra Mpikaroka ao amin'ny Sekoly Harvard Kennedy ao Kenya an'ireo vaovao:
Vaovao ratsy indrindra avy aty #Africa hatramin'i Leopold II ao #Congo: tsy nisy afaka fanadinam-pidirana eny amin'ny anjerimanontolo ireo mpianatra ao #Liberia http://t.co/HkSlxDCbR8
— Calestous Juma (@calestous) August 26, 2013
Ny Mpanjaka Leopold II an'i Belzika no tompon'ny Fanjakana Mizakatenan'i Kôngô taloha, izay ny Repoblika Demokratikan'i Kôngô amin'izao fotoana, ny 1885 ka hatramin'ny 1908.
Saran Kaba Jones (@sarankjones), mpiaro ny rano madio sy mpandraharaha ara-tsosialy, dia nilaza fa mampalahelo izany nefa tsy mahagaga:
Mampalahelo nefa tsy mahagaga >> tsy nisy afaka fanadinana fifindrana any amin'ny anjerimanontolo avokoa ireo mpianatra ao #Liberia. Izy 25.000! >>http://t.co/9AJkvEelej
— Saran Kaba Jones (@sarankjones) August 26, 2013
Mbas Ndriver (@Kenfreykj), Kenyana manam-pahaizana momba ny IT, dia nanontany tena ny tsy nisian'olona na dia iray aza kinga saina mba nanao hosoka:
Ahoana no ahafahan'ny firenena iray manontolo tsy ho afaka fanadinana?! Tsy misy ve na iray aza amin'ity firenena ity kinga saina mba nanao hosoka?!!! #Liberia
— Mbas Ndriver. (@Kenfreykj) August 27, 2013
Nilaza i Eja Nla (@Muntez_), Kenyana iray hafa mpitoraka bitsika, fa tsy tokony ho ara-dalàna ny tsy fahafahan'ireo mpianatra rehetra:
Toa tsy mahay antontanisa i #Liberia. Tsy tokony ho ara-dalàna ny tsy fahafahan'ireo mpianatra rehetra taminà fanadinana iray. Izy 25.000 manontolo ve? Tsy mitombina izany.
— Eja Nla. (@Muntez_) August 27, 2013
Ebenezer Flomo (@ebflomo), mpiara-nanangana ilay fikambanana tsy mikatsaka tombontsoa manokana Help Encourage Liberia's Little Ones (@helpHELLO), nanamarika fa tsy manana boky ireo toeram-pianarana any Liberia:
@lizgrossman87 Itanao ry Liz, izao indrindra no antony ifantohanay @HelpHELLO manodidina ny tontolon'ny fanabeazana aty #Liberia. Tsy manana boky ireo toeram-pianaarna.
— Ebenezer Flomo (@ebflomo) August 27, 2013
Sekoly maro any Liberia no tsy ampy fitaovana fampianarana fototra ary maro ireo mpampianatra tsy dia mahay ny asany.
Manontany i Denis Eyong (@eyongdenis) izay mitoraka bitsika avy any Rosia:
Firenena iray izay azo antsoina ho dondrona, #Liberia. Ahoana no hisian'ireo mpianatra rehetra ao amin'ny firenena tsy ho afaka amin'ireo fanadinana fifindrana any amin'ny anjerimanontolo?! http://t.co/JdrASJmkUW
— Denis Eyong (@eyongdenis) August 27, 2013
“Ahoana no fomba hahasitranan'ny firenena potipotiky ny ady sivily?,” hoy i Tomoko Perez (@Tomoshiga) any New York nanontany:
Iny bitsika farany mikasika an'i #Liberia iny. TENA tsy mampihomehy. Ahoana no fomba hahasitranan'ny firenena potipotiky ny ady sivily? Ahoana no hampiasànao vola any sy hamoronana harena?
— Tomoko Perez (@Tomoshiga) August 27, 2013
Nizara teny avy aminà mpandraharaha iray ao amin'ny anjerimanontolo ny mpanao gazety Gambiana sady mafana fo amin'ny zon'olombelona, Sulayman Makalo (@MakaloMansa):
#Liberia: Tsy ampy fahavitrihana ireo mpianatra ary tsy tsara fototra tamin'ny Anglisy tsara, hoy ny mpitantana iray avy amin'ny anjerimanontolo tao amin'ny BBC.
— Sulayman Makalo (@MakaloMansa) August 27, 2013
Nanamarika i Nuesity! (@Nues_Ibunos):
Mampalahelo izany. Manantena aho fa tsy hitontongana anatin'izany i Nigeria! #ASUU #Education #Nigeria #Liberia http://t.co/gq7ejsZdWv
— Nuesity! (@Nues_Ibunos) August 27, 2013
Nampitandrina ireo tanora mpiray tanindrazana aminy ilay mpitoraka bilaogy ao Ghana, Tenace Kwaku Setor (@kwakutii):
izao no ateraky ny ady politika, ry Ghaneana malala. Tsy nisy afaka avokoa ireo mpianatra 25.000 rehetra nipetraka hanala fanadinana CE ho any amin'ny anjerimanontolo. #liberia http://t.co/PtsvndysZd
— Tenace Kwaku Setor (@kwakutii) August 27, 2013
Nanoratra ilay Roande iray, katabarwa robert, mpitoraka bitsika (@Proud2bRwandan), izay nanohatra ity tamin'ny fahakelezan'ny fahalavorariana tany Tanzania tamin'ny taona lasa:
mbola ratsy noho ny tranga tao Tanzania: samy tsy nisy afaka fanadinana hifindrana amin'ny anjerimanontolo avokoa ireo mpianatra ao #Liberia http://t.co/P7GZHon6Me
— katabarwa robert (@Proud2bRwandan) August 26, 2013
Mpianatra enina isaky ny mpianatra 10 izay nipetraka hanala fanadinana nasionaly “National Form Four examination” tany Tanzania no tsy afaka tamin'ny herintaona.
Mika Mäkeläinen (@Mikareport), vahiny mpanao gazety mpitatitra ny vaovao ao amin'ny Finnish Broadcasting Company, dia nampitandrina ireo izay te-hianatra any amin'ny Anjerimanontolon'i Liberia:
Te-hianatra tany amin'ny Anjerimanontolon'i #Liberia? Niangaran'ny vintana. 25.000 no niezaka ary tsy nisy afaka tamin'ny fanadinana fifindrana. http://t.co/eNIew0neno
— Mika Mäkeläinen (@Mikareport) August 26, 2013
Nihanihany i Daniel McLaughlin (@DanielJMcLaugh) avy ao Angletera:
Tsy hiasa saina loatra mikasika Lanonana fandraisana ireo Mpianatra vaovao amin'ity taona ity izy ireo! #Liberia http://t.co/iA6AKZsP3s
— Daniel McLaughlin (@DanielJMcLaugh) August 27, 2013
Miampanga ny rafi-pampianarana i A. K. Ohemeng-Boamah (@akobII) avy ao Ginea:
Ny rafitra no ampangaiko fa tsy ireo mpianatra. @MollyKinder: Oao – tsy nisy afaka ny mpianatra nanala fanadinana fidirana ho any amin'ny anjerimanontolo any #Liberia, hoy ny @BBCWorld
— A. K. Ohemeng-Boamah (@akobII) August 27, 2013