Mivadika Sehatra Fanaovana Ady Totohondry Ny Parlemantan'i Tanzania

Atoa Joseph (Sugu) Mbilinyi manohitra ny fikasan'ireo mpiambina hanala azy ao amin'ny Parlemanta ny herinandro lasa teo. Sary nalaina tao amin'ny Jamii Forums.
Tanatin'ireo taona vitsy lasa, nanjary ho toerana fanaovana seho an-tsehatra mahagaga ny Parlemantan'i Tanzania. Namadika ireo fivorian'ny Parlemanta ho fahitalavitra tsy maintsy jerena ny fipoahana fifandirana tsy ampoizina arahana fiaraha-mandao efitrano, matetika ataon'ny avy amin'ny mpanohitra.
Tamin'ny Aprily 2011, ohatra, nahatezitra ny Filoha Anna Makinda ny tsikeran'i Ezekiel Wenje, mpikambana ao amin'ny Parlemanta (MP) avy ao amin'ny antoko Chadema mpitarika ny mpanohitra, izay milaza fa tamin'ny alalan'ny ‘varo- maizina’ no nisafidianana ny toerana sasany ao amin'ny governemanta. Nanohitra izany ny Solombavam-bahoaka avy ao amin'ny antoko mitondra, Chama Cha Mapinduzi (CCM), ary nangataka an'i Wenje hisintona ny fanambaràny. Nandà izy, ary nipoaka avy amin'io ny fifandirana.
Tamin'izany fotoana, araka ny nosoratan'i Subi, Tanzaniana mpitoraka bilaogy, nisy ity fehezanteny ity heno nandritra io fifandirana io, “tufunge mlango, tupigane” (“ndeha hakatona ny varavarana ary hiady”).
Tsy tonga tamin'izany mihitsy ilay izy tamin'ny farany, satria nosintonin'i Wenje ny fanambaràny, ary nilamindamina ny tohiny. Saingy nisy ireo fihantsiana vitsy hafa. Tamin'ny Febroary 2013, tsy maintsy naato ny fandrakofana mivantana ny fivoriana iray noho ny hafanan'ny toe-draharaha. Ary avy eo nisy ilay tranga niseho dimy volana lasa izay, rehefa navoaka ny efitra ny solombavam-bahoaka avy amin'ny Chadema noho ny fanapahany ny namany avy ao amin'ny CCM, nandritra ny adihevitra mikasika ny tetibola.
Tamin'io herinandro io ihany, i Bunge, araka ny fahafantarana ny Parlemantan'i Tanzania, dia nanatri-maso zavatra iray ho velona mandrakizay ao anatin'ny tsy fahamendrehana. Nanozona ireo mpiara-miasa taminy i Atoa Peter Serukamba, solombavam-bahoakan'ny CCM, taorian'ny nanakoràn'izy ireo azy raha nitsangana handray fitenenana izy. Avy ao amin'ny Bongo5.com,
Nanosika ny olona iray mpaneho hevitra, mpifidy avy amin'ny faritra ambany fiadidiany, mitonon-tena ho Dr Mvano Khalidi, hifona tao amin'ny Facebook noho ny fitondran-tenan'ny solombavam-bahoakany ny fotoana namoahan'i Serukamba ny ‘f**k you’ (hano ny t**):
Poleni sana waheshimiwa wabunge kwa kutukanwa ila tunaomba rathi kwa niaba ya wana kigoma wote kwa kosa alilolifanya mbunge wetu kutoka kigoma ulimi ulitereza jumani hayakuwa makusudio yake kusema vile mimi kuma mzalendo wa mkoa wangu.
Mifona amin'ireo mpikambana hajaina ao amin'ny parlemanta aho noho ny teny ratsy natoraka anareo, mangataka ny famindram-ponareo amin'ny anaran'ny vahoaka rehetra aty Kigoma izahay, noho ny hadisoana nataon'ny solombavam-bahoakanay avy aty Kigoma, tsy nahatandrim-bava izy ary tsy nikasa hiteny ny zavatra noteneniny, olona tia tanindrazana ho an'ny faritaniko aho.
Ny Alakamisy 5 Septambra 2013, tsy voafehy intsony ny fivadihan-javatra. Nifanandrina tamin'ireo mpiambina ny Parlemanta ny solombavam-bahoaka avy ao Chadema, Joseph Mbilinyi, avy any amin'ny mpanohitra, izay sady nanaitra no nahatohina.
Nitranga izany zavatra rehetra izany rehefa nandà ny baiko avy amin'ny Filoha Lefitra Job Ndugai hialàny ny Antenimiera i Mbilinyi, mpiangaly ny hip hop nivadika ho mpanao politika, sy ireo mpiray antoko aminy.
Nafana ny tantara rehefa nandà ny hipetraka i Freeman Mbowe, mpitarika ny mpanohitra ao amin'ny parlemanta, taorian'ny nitenenan'i Ndugai azy hipetraka. Avy ao amin'ny gazety The Citizen:
Nibaiko ny handroahana ny lehibe avy amin'ny Chadema Atoa Ndugai noho ny tsy nanarahany ny baikony hipetraka. Nanohitra ny fikasan'ny Filoha Lefitra handràra azy tsy hanolotra fehinteny hanakanana ny fitohizan'ny adihevitra mikasika ny volavolan-dalàna hanovàna ny Lalàna Fandinihana ny Lalàm-panorenana 2013 i M. Mbowe.
Nanaraka izany avy eo ireo korontana teo amin'ny gorodona rehefa nirifatra hanangana rindrin'olombelona manodidina an'Atoa Mbowe ireo solombavam-bahoaka hafa avy ao amin'ny mpanohitra mba hanakana ireo mpiambina hibata azy ho any ivelany.
Ao amin'ny sehatra malaza fanehoan-kevitra Jamii Forums, niteraka adihevitra goavana momba ny endriky ny politika any Tanzania ireo sary mampiseho an'i Mbilinyi manohitra ireo fikasan'ny mpiambina hibata azy ivelan'ny Antenimiera. Nametraka ity fanontaniana manaraka ity ny mpaneho hevitra iray mitondra ny anarana hoe “Stoudemire”:
Namna hii kweli tuwape vijana nchi kweli? Waacheni wazee wasinzie bungeni tu inatosha!
Miaraka amin'izao toetra izao, tokony hamela ny firenena ho an'ireo tanora ve isika? [iray amin'ireo Solombavam-bahoaka tanora indrindra i Mbilinyi] Mahavita azy tsara ireo zokibentsika na dia tafatory aza izy ireo any amin'ny Antenimiera!
Nanome sosokevitra ny mpandray anjara iray hafa mitondra ny anarana hoe Tata, milaza fa nanamafy ny tsy fahaizan'ny Filoha Lefitra Ndugai mifehy ny fivoriana ny toe-zavatra rehetra nitranga. Naminavina ihany koa i Tata fa mety noho ny tsindrin'ny hery amboniny no nahatonga ny fihetsiky ny solombavam-bahoaka Mbilinyi:
Amenifurahisha huyu Naibu Spika kwa kudai ni aibu ya kiongozi wa upinzani kuongoza wapinzani kutoka nje wakati kimsingi hii ni aibu yake kwa kushindwa ku-manage kikao…la hii move ya mwisho ya huyu mheshimiwa Sugu imeniacha hoi kwa kicheko. Inaonekana jamaa ama alikuwa amepata “chang'aa” au alikuwa amevuta haya masigara yanayopendwa na vijana.
Mampihomehy ahy ny Filoha Lefitra rehefa milaza izy fa henatra ho an'ny mpitarika ny mpanohitra ny mibaiko ireo mpikambana hafa ao amin'ny mpanohitra hiala ao amin'ny antenimiera, raha ny marina dia henatra ho azy ny tsy fahaizany mifehy ny fivoriana. Nefa ny tena nahalatsaka ahy dia ny fihetsik'Atoa Sugu [Mbilinyi]. Mety mamon-javatra iray izy na nifoaka ireny sigara tian'ny tanora ireny.
Ao amin'ny Twitter, nilaza i Sajjad Fazel (@SajjadF) fa mety nampihena ny fahatokisana ny Chadema io trangan-javatra io:
@jjmnyika Sasa alichofanya Mh. Joseph Mbilinyi, Inaonyesha picha mbaya saana kwa CHADEMA na kwa wa Tanzania wote.
— Sajjad Fazel (@SajjadF) September 5, 2013
Manome endrika ratsy ny Chadema sy i Tanzania manontolo ny zavatra nataon'Atoa Joseph Mbilinyi.
Manerana ny tontolon'ny bilaogy, nandehandeha tao anaty aterineto ny lahatsary iray avy ao amin'ny fahitalavitra ITV, mitahiry tsy ho faty mandrakizay ilay trangan-javatra. Avy ao amin'ny GongaMx:
Nampitandrina i Subi tanatin'ny lahatsoratra navoakany tamin'ny 2011:
Huenda…Bunge la Tanzania lingeingia kwenye orodha ya viroja vya Wabunge wa Mabunge (kama haya, bofya hapa utizame vidoe Youtube) ya nchi mbalimbali Duniani kupandwa jazba kiasi cha kujikuta (pasina kufahamu) wanageuza kumbi za Bunge kuwa viwanja vya ‘ndondi’
Raha mitohy izany, hahatratra haavo iray izay hahatonga azy ho isan'ireo Parlemanta (tahaka ireto anatin'ny rohy mankao amin'ny YouTube ity) any amin'ireo faritra sasany erak'izao tontolo izao ny Parlemantan'i Tanzania, izay miakatra avo tokoa ny fankafizana, hany ka avadika ho toerana fanaovana ady totohondry ny Parlemanta.
Miaraka amin'ity trangan-javatra farany ity, voaporofo ho mpaminany marina i Subi.
FANAVAOZANA: Anatin'ity tantara mikasika ireo zava-mitranga tany amin'ny Parlemantan'i Tanzania ity, tsara ampidirana ao ny trangan-javatra iray niseho tamin'ny 2008. Ito ny fitantarana izany avy amin'i Elsie Eyakuze, bilaogera mpitatitra momba ny Mikocheni :
Alina vitsy lasa izay dia tratran'ny CCTV nanao zavatra mampiahiahy tao anatin'ny Parlemanta Atoa Andrew Chenge, Mpampanoa lalàna jeneraly teo aloha, sady minisitry ny Fotodrafitrasa teo aloha, izay manana lavitrisa ‘vijisenti’ [cents kely] vitsivitsy amin'izao fotoana. Azo lahatsary ilay Mheshimiwa [ilay olona manan-kaja ambony] raha niditra ny tranobe ora maro taorian'ny ora fiasàna, niaraka tamin'ny mpikambana iray ao anatin'ny Parlemanta, sy namafy zavatra tsy fantatra isaky ny seza fipetrahan'ireo solombavam-bahoaka. Nandany fotoana ela manokana izy lasa vinany nanodidina ny sezan'ny Filoha. Ataoko angamba fa tsy entona manatsara fofon-damba ilay izy.
Tamin'izany fotoana izany, teo ambany famotoran'ny Birao Misahana Ny Hosoka Goavana ao amin'ny governemanta Britanika i Chenge noho ny kolikoly nahavoarohirohy ny BAE, Britanika mpamokatra fitaovam-piadiana .
Efa-taona taty aoriana, taorian'ny ‘tsy fahalavorarian'ny Birao Fisorohana sy Fiadiana ny Kolikoly ao Tanzania hikaroka porofo ny amin'ny fitondrantena diso, navotsotry ny Talen'ny Fampanoavam-bahoaka ireo sazy.
Tamin'io andro io kosa anefa, tsy mazava ny zavatra tena nataon'i Chenge. Nefa ho an-dRatoa Eyakuze dia toa nanao sikidy ilay mpampanoa Lehiben'ny fampanoavana taloha mba hialany amin'ny olana:
Voatono ny osinao ry Atoa Chenge. Nody ireo akohonao ary namonjy toerana avo. Mijinjy ny nafafy ianao, etsetra etsetra. Ny hany navelanao eo imason'ny vahoaka dia fahamendrehana faran'izay bitika, zavatra izay ampifanarahanay tsara amin'ireo lahy antitra manam-bola sy be kibo. Raha izaho ianao hazonina amin'ny tanan-droa izy io. Tsy ny fitsikilokilovana ny “ju-juing”-n'ireo Solombavam-bahoaka namanao no fomba hanaovana izany.
Mbola ao amin'ny parlemanta i Chenge ary mpitondra tenin'ny Kaomisiona matanjaka misahana ny Tetibola izy amin'izao fotoana.
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...