An'arivony Ireo Tsy Manaiky Ny Valim-pifidianana Tany Kambodza
An'arivony ireo nanjohy ny hetsi-panoherana ireo tsy fahatomombanan'ny fifidianana tany Kombodza. Sary an'i Kimlong Meng, Fizakà-manana @Demotix (9/7/2013)
Maherin'ny olona iray alina no nandray anjara tamin'ny fivoriana nokarakarain'ny Antoko mpanohitra, Antoko ho fanavotam-pirenena (CNRP) ao Kambodza, ho fanoherana izay voalaza ho fanodinkodinana ireo vokam-pifidianana nataon'ny Antokon'ny Vahoaka Kambodziana (PPC) eo amin'ny fitondrana.
Kely ny elanelana nandresen'ny ny antoko eo amin'ny fitondrana, taorian'ny nahazoany toerana 68 raha toerana 55 kosa ny an'ny mpanohitra. Izany no vokatra ratsy indrindra ho an'ny RPC hatramin'ny taona 1998, izay teo amin'ny fitondrana nandritra ny telopolo taona farany.
Nizara izay hitany nandritra ny fivoriana milamina natao ny 7 Septambra i Casey Nelson:
Tsara omana tokoa io hetsika io. Vonona ho an'ireo rehetra nandray anjara ny tavoahangy misy rano, mofo, faneva fehiloha misy ireo famantarana, ireo taratasy fametaka sy ireo voninkazona “lotus”. Natsangana ny toerana fitsaboana iray ary mivezivezy manaraka ny sisin'ny zaridaina ireo mpitsabo. Nanampy nandrindra sy nanara-maso ny vahoaka ireo mpikarakara. Voaara-maso avy eny amin'ny zaridaina ireo làlankely sy ireo làlana fivoahana rehetra.
Fara faharatsiny, araka ny hita tany amin'ny faritra nanaovana ny fihetsiketsehana, dia vitsy ireo mpitandro filaminana ary saika nisahana ny fifamoivoizana no nataony raharaha.
“Mpanaa-mason'ny Himans Rights” am-polony mahery, ny sasany fantatra amin'ny lobaka manga anaovany, mety avy any amin'ny Firenena Mikambana, ny Kaomitin'ny Olom-pirenena ho an'ny Zon'Olombelona sy avy any amin'ireo Fikambanana tsy miankina hafa, no mivezivezy sy mamakivaky ny vahoaka. Nahatsikaritra olona vahiny 4 na 5 koa aho teny anivon'ny vahoaka teny, nandray anjara tamin'ilay fihetsiketsehana.
Ireo mpandray anjara dia nitondra voninkazo lotus sy saina ary sora-baventy misy sary vita tànana izay mamerina tsy misy latsaka ireo fotokevitra 5 na 6, ny ankamaroany amin'ny teny Khmer sy Anglisy miaraka, isan'izany ny: “Ny vatoko, Ny Fiainako”, “Ny vatoko, ny fireneko”, “Aiza ny vatoko?”, “Izay misy ny fahamarinana, misy ny fandriampahalemana” ary “Mila kaomity mahaleotena ho an'ny fahamarinana izahay”

Firotsahana an-dàlambe tany amin'ny zaridainan'ny fahafahana ao Phnom Penh. Sary an'i @RupertBAbbott
Nanatrika io fivoriana teny amin'ny zaridainan'ny fahafahana ao Phnom Penh ihany koa i OU Ritthy:
Vao avy tany amin'ny Zaridainan'ny Fahafahana aho izao. Manodidina ny 20.000 eo ho eo ny isan'ireo mpanohitra – tsy mihena, nefa tsy nitombo betsaka ihany koa miohatra amin'ny fihetsaham-bahoaka teo aloha.
TSY tena feno ny Zaridainan'ny Fahafahana, saingy maro ireo olona hafa mijoro sy mipetraka eo amin'ny zaridaina akaiky azy, miala ny toerana nomena/ vondron'olona marobe tao amin'ny Zaridainan'ny Fahafahana, angamba mety ho nafana na tsy mpanao fihetsiketsehana izy ireo fa olona tonga hijery fotsiny.
Tena fihetsiketseham-bahoaka milamina sy tsy misy herisetra mihintsy ity. Olom-banona ny vahoaka, milamina sady tompon'andraikitra.
Mitaky ny fananganana ny kaomity tsy miankina ny mpanohitra mba hanadihady ireo fifidianana ny Antenimieram-pirenena ny 28 jolay:
Izahay mpandray anjara tamin'ity hetsika tsy misy herisetra natao androany ity dia manana tanjona ny mba hampisy fahamarinana amin'ny safidinay, hangataka ny fametrahana kaomity iray tsy miankina ahitana ireo masoivohom-pirenena sy ny Fikambanan'ny Firenena Mikambana mba hamaha ireo tsy fitovian-kevitra manoloana ireo tsy fahatomombanan'ny fifidianana natao ny 28 Jolay 2013. Tsy maintsy manadihady amin'ny fomba tsy miandany mikasika ireo hosoka io komity io, mba hahazoana antoka ny fanajana ny tena safidin'ny vahoaka Khmer.
Manohana tanteraka ireo fitsipiky ny tsy fisiana herisetra anatin'ny hetsikay, ny feonay, ary ny fonay izahay; tsy mandray ny khmer ho fahavalo izahay na iza izy na iza; mila ny fahamarinana sy ny fihavanam-pirenena maharitra izahay.
Tao amin'ny Khmer Bird, nanadihady an'i Bun Bunnat, mpikambana iray ao amin'ny mpanohitra, i Thomas Mclean:
Tianay hipetraka ho lesona ho an'ny taranakay ireo fihetsiketsehana ireo, hoe takian'i Kambodza ny hisian'ny fiaraha-monina malalaka sy vondrom-piarahamonina ara-demokratika. Tiana hibanjina ireo faniratsirana ny zon'olombelona misy aty Kambodza ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Khmer izahay, ary mila manana ny feonay manokana.
Indreto fijery vitsivitsy tao anaty Twitter:
Party clearly prepped for international media. Most signs bilingual and supporters ordered to hoist whenever photographer wanders over.
— Abby Seiff (@instupor) September 7, 2013
Voaomana tsara ny antoko manoloana ny media iraisam-pirenena. Amin'ny teny roa ny ankamaroan'ireo sora-baventy ary nasaina hanofahofana izany isaky ny mandalo ny mpaka sary.
— Abby Seiff (@instupor) 7 Septambra 2013
Personally, I doubt tomorrow's demo will change anything. 3 hours of peaceful meditation to demand change, sounds naive to me. #electionsKH
— Ate Hoekstra (@HoekstraAte) September 6, 2013
Raha ny fijeriko manokana, tsy mihevitra aho fa hanova na inona na inona io fihetsiketsehana rahampitso io. Toa famindran-jaza amiko, ny ora 3 ho fandinihana amim-pilaminana hangatahana fanovàna. #electionsKH
— Ate Hoekstra (@HoekstraAte) 6 Septambra 2013
Political rally goes off without a hitch in Phnom Penh #Cambodia at the weekend. However, more rallies planned for next weekend.
— Hanuman Travel (@hanumantravel) September 9, 2013
Fivoriana ara-politika tsy nisy tomika tany Phnom Penh any #Cambodia tamin'ny faran'ny herinandro. Na izany aza, mbola misy fidinana an-dàlambe hafa kasaina hatao amin'ny faran'ny herinandro ambony.
— Hanuman Travel (@hanumantravel) 9 Septambra 2013
Na teo aza io hetsi-panoherana io, niroso nanambara ireo valim-pifidianana ofisialy nanamafy ny fandresen'ny antoko eo amin'ny fitondrana ny ekipa mpikarakara fifidianana ao Kambodza. Nolavin'ny mpanohitra ireo valim-pifidianana sady nivoady ny hanatontosa fidinana an-dàlambe hafa izy ireo ny herinandro ho avy. Nieritreritra ny hampikatso ny fotoam-panokafana ny Parlemanta ihany koa ry zareo.
Mihevitra i Sam Sotha fa tokony handroso amin'ny alàlan'ny fifidianana ny Herin'ny Vahoaka fa tsy amin'ny fidinana an-dàlambe:
Tsy mila “Lohataona Kambodziana” ny vahoaka. Tsy mila ny “Herin'ny Vahoaka” hihetsika an-dàlambe i Kambodza, fa kosa mila ny “Herin'ny Vahoaka” haneho hevitra amin'ny fandatsaham-bato!
Meanwhile, various human rights groups are urging the leaders of the two major political parties to organize a political to address the election controversy:
Nandritra izay fotoana izay, nangataka ny mpitarika ireo antoko politika roa lehibe ireo ny vondrona samihafa mpiaro ny zon'olombelona mba hiatrika fihaonambe ara-politika hiresahana mikasika io resabe momba ny fifidianana io:
Hitondra ohatra ara-tantara faka tàhaka ho an'ny taranaka hoavin'i Kambodza ny fihaonamben'ny mpitarika ireo antoko roa lehibe ireo sy ny vahaolana raitra sy nokarohina tanatin'ny fandriam-pahalemana ka mamaly ny hetahetan'ny vahoaka.
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...