Malagasy citizen, Bachelor of Communication and law masters'degree. I have many years of experience in seo writing, editing and translating. Particularly interested in free expression, education, journalism, social media, human right and international relation. Follow me on my twitter @mammysou. You can visit my blog in french language Info-plaisir and my blog in my native language Mamy ny soa.
Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa
Tsy voamarika amin'ny asa fikarohana sy famonjena ao Tiorkia ireo mpamonjy voina manana tongotra efatra
Maro amin’ireo ekipan’ny iraka fikarohana sy fanavotana eny an-toerana no niantehitra tamin’ireo alikany mpanampy , izay niasa tsy an-kiato nandritra ny herinandro lasa.
Mangataka fahendrena, fahasalamana ary hery ho an'ny taona 2023 ny fianakaviana Mayana ao Goatemala
"Tanterahina mba hangataka alalana amin'ny Tany Renintsika, ireo havoana sy lohasaha manodidina antsika ary ireo Nahuales 20 izay maneho ny andron'ny volana Mayana Ity Mayejak ity."
Noraràn'i Kambodza ny rakikira ahitana ny fanafihan'ny polisy ireo mpiasa tamin'ny taona 2014
"Finoan'ny LICADHO ny hoe tsy fandrangitana ilay rakikira, ary lahateny arovana eo ambanin'ny Lalàmpanorenana Kambodziana. Malahelo noho io famerana ny fahalalahana maneho hevitra izahay."
Nihira ny ‘Zhyve Belarus’ (Ho ela velona i Belarosia!) ny tarika nambaran'i Lukashenka fa mahery fihetsika
Zara raha resahana ao amin'ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena, mampiasa famoretana tahaka an'i Stalin amin'ny olom-pireneny ny fitondran'i Lukashenka. Notazonina sy enjehina ireo mpanohitra ary, amin'ny tranga maro ankehitriny, dia toy izany koa ny fianakaviany.
Novalian'ilay Rosiana mpihira ilay hoe ‘Voninahitra ho an’i Okraina’. Tian-dry zareo hofoanana ny zom-pireneny ankehitriny
Nanohitra an-karihary ny ady nanomboka tamin'ny volana Febroary 2022 ilay mpihira Valerii Meladze. Ankehitriny dia mety hiharan'ny voka-dratsin'izany izy noho ireo teny sendra nambarany tao Dubai ho fanohanana an'i Okraina.
Nahoana no nesorina tao amin'ny rafitra fiantohana ara-pahasalamana any Shina ny fanafody COVID-19 lehibe Paxlovid?
Tsy afaka mahazo ny fanafody COVID-19 "mamonjy aina" naroson'ny OMS ireo Shinoa mahantra taorian'ny nanesorana ny Paxlovid tamin'ny rafitra fiantohana ara-pitsaboana fototra ao Shina. Saingy manohana ny fanapahan-kevitra ireo tia tanindrazana an-jotra.
Nambaran'ireo firenena amin'ny ilabolantany atsimo fa tsy nisy ny fandraisana andraikitra ara-toetrandro nandritra ny COP27
Satria iray andro sisa tavela amin'ny fihaonambe eran-tany, mbola tsy nisy ny fametrahana rafitra famatsiam-bola ho an'ny Fatiantoka sy Fanimbana satria miodinkodina manodidina ny fandaharam-potoana ny firenena mandroso .
Mandroso ny zo ho an'ny tsiambaratelon'ny angon-drakitra araka ny lalàna vaovao ao Tanzania, saingy mbola misy ny sakana
Raha manome fiarovana ny tsiambaratelon'ny angon-drakitra manokana ny Lalàna momba ny Fiarovana ny Angon-drakitra, dia miteraka ahiahy lehibe eo amin'ny sehatra goavana izany, toy ny fanitsakitsahana ny fiarovana sy ny fahaleovantenan'ny Vaomieran'ny Fiarovana Angon-drakitra.
Mizara ny zava-niainany tany am-ponja tany Myanmar ireo vahiny navotsotra
"Tiako ny hanamafisana ny zava-misy fa iharan'ny herisetra ataon'ny miaramila ny tena marefo, ary mbola mitohy izany."
27 taona izao ny Renin'ny Asabotsy any Torkia, ary mbola mitady ny rariny sy ny fanakatonana
Nandritra ny fisiany, dia niatrika herisetran’ny polisy ny Renim-pianakaviana Asabotsy (Saturday Mothers). Vao haingana indrindra tamin'ny volana Aogositra 2022, raha nitazona mpikambana 14 tao amin'ny vondrona ny polisy.