Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Janoary, 2019
Tsy misy mandeha ny tranonkalan'ny governemanta Liberia, ary tsy misy miraharaha
Ny alin'ny 24 Aogositra. Niditra tamin'ny tranonkalan'ny governemanta 19 ireo mpijirika S.W.A.T (azo inoana fa ekipa Iraniana), ka anisan'izany ny tranonkalan'ireo minisitera rehetra. Nikatona avokoa noho ny fanamboarana mandritra ny telo andro ny ankabeazan'ireo tranonkala ireo.
Vietnam: Bilaogera voasambotra noho ny fitsikerana an'i Shina
Mbola mitohy ny famoretana ataon'i Vietnam amin'ireo bilaogera. Vao marainan'ny 3 septambra, nosamborin'ny mpitandro filaminana mitam-piadiana ilay bilaogera Nguyen Nhu Quynh, natory niaraka tamin'ny zanany kely. Tamin'ny volana Jolay, nosamborina noho ny fikatrohany amin'ny fahalalaham-pitenenana ilay bilagera Nguyen Tien Trung.
Iran: Hampiofanina ireo manampahefana ambony misahana ny aterineto hiadiany amin'ny fikatrohana antserasera
Vao haingana ny Minisiteran'ny Fitsikilovana ao amin'ny Repoblika Islamika an'i Iran no nanambara fa raha te-hanohitra ny fikatrohana amin'ny aterineto ao Iran, dia hampiofanina ireo manamboninahitra ambony.
Mampahafantatra an'i “Whose Knowledge?”: Ahoana no haha-mpiaradia sy ho vahiny mahafinaritra
Ahoana no ahafahanao ho vahiny mahafinaritra ao amin'ny vondrom-piarahamonina vazimba teratany, sy ho mpiara-dia matanjaka ho an'ny fiarahamonina atao an-jorom-bala mamondrona ny fahalalan'izy ireo antserasera? Ahoana no ahafahantsika mampiasa ny fahefantsika sy ny tombondahintsika hikarakarana ny hafa?
Efa antitra, kabarim-pankahalana, fahalalahan'ny gazety: lohahevitra goavana resahana amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2019 ao Nizeria
Hanatontosa fifidianana ho filoham-pirenena i Nizeria amin'ny 16 Febroary 2019, ary mitodika amin'izany fifidianana izany ny maso rehetra amin'ny maha-fisedrana hanaporofoana ny tanjaky ny demokrasia, ny fenitra, ny soatoavina sy ny firaisankina ao Nizeria.
Fampitam-baovao sosialy ao amin'ny tontolo Arabo, misy fiantraikany tsara amin'ny demaokrasia
Misy fiantraikany tsara amin'ny dingan'ny demokrasia ao amin'ny tontolo Arabo ny aterineto. Tsy voasakan'ny hetsika sivana, fanakanana aterineto sy fisamborana ary koa fampijaliana mpiserasera aterineto ataon'ny governemanta ity hery vaovao ity.
Tazonina ao amin'ny foiben'ny fiarovam-panjakana ilay bilaogera Ejipsiana tsy hita
Tsy hita nandritra ny dimy andro ilay bilaogera Ejiptiana, Mohamed Adel - dimy andro izay tsy nisy olona naheno azy na nahafantatra ny toerana misy azy.
2018 manerana an'i Afrika atsimon'i Sahara: Ireo tantaran'ny fiovana sy ny fanovana nankafizinay indrindra
Taorian'ny volana maromaro nanaovana fanerena tamin'ny fitondrana tao Afrika Atsimo sy i Ethiopia, dia nametra-pialàna ny filoham-panjakana Jacob Zuma sy Hailemariam Desalegn. Niteraka fanantenana mankany amin'ny fanovana demaokratika ao amin'ny firenena Afrikana maro misy mpitondra mpanao ampihimambam-pahefana ny fianjeran'i Zuma sy Desalegn.
Ejypta: Niharan'ny herisetra ilay bilaogera nogadraina ary nasaina hivadika Miozolomana ho takalon'ny famotsorana azy
Tsy mbola avela mitsidika ny olona arovany ny mpisolovavan'ilay bilaogera Hani Nazeer nosamborina. Na izany aza dia nahavita nifandray tamin'ny Tambajotra Arabo momba ny zon'olombelona ity bilaogera kristianina Nazeer ity, nanambara fa niharan'ny herisetra sy nangatahana mba hivadika ho silamo izy ho takalon'ny famotsorana azy:
Nampahafantatra ny Tor tamin'ny atrikasan'ny bilaogera Arabo 2009 i Jacob Appelbaum
Nampahafantatra ny fomba fisafidianana ny fitaovana tsara fialàna amin'ny sivana ary koa fampahalalana manokana momba ny tetikasa izay iasany i Jacob Appelbaum (@ioerror ao amin'ny Twitter) avy ao amin'ny Tor .