Ny fomba nitarihan'ny mpanakanto Tanzaniana ny fanavaozana ny mozika any Afrika

Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube, ”Innoss'B Ft Diamond Platnumz – Yope Remix (Official Music Video)‘ avy amin'i Diamond Platnumz.. Fampiasana ara-drariny.

Tamin'ny taona 2021, i Diamond Platnumz  ao Tanzania no mpihira afrikana atsimon'i Sahara nahazo mpijery 1 lavitrisa tao amin'ny fantsona YouTube-ny. Tamin'io taona io ihany, Zuchu no mpanakanto vehivavy voalohany tany Afrika Atsinanana nahatratra mpamandrika 1 tapitrisa .

Iray amin'ireo mampiavaka ny mozika Tanzaniana ny fahaizany mampifangaro ireo singa nentim-paharazana miaraka amin'ny tandindona maoderina, mamorona karipetra sonika miavaka izay manakoako amin'ny mpihaino manerana izao tontolo izao.

Nandritra ny folo taona mahery, ireo mpanakanto Tanzaniana malaza, anisan'izany i Diamond Platnumz, Ali Kiba sy Rayvanny Ali Kiba ary Rayvanny no nampalaza ny bongo flava, rakitra Tanzaniana miavaka amin'ny feonkiram-pitiavana amin'ny gadona an-tanàndehibe izay dindonin'ny mozika taarab nentim-paharazana avy any amin'ny morontsirak'i Afrika Atsinanana. Ny  “Bongo Flava”  (“Bongo” dia endrika fohy amin'ny Ubongo, “tany ati-doha” na “faharanitsan-tsaina” amin'ny fiteny Kiswahili, ary iray amin'ireo karazana lehibe mihoatra ny ny sisin-tanin’i Afrika Atsinanana ny “Flava” tenin-jatovon'ny “hanitra” (flavour) amin'ny teny anglisy. Ny hiran'i Diamond Platnumz dia ahitana an'i Yope (remix) miaraka amin'ny mpihira Kongoley Inoss “B”, ny African Beauty ahitana mpihira amerikana, Omarion, sy Marry You miaraka amin'i Ne-Yo. Ny hiran'i Ali Kiba malaza dia ahitana ny Mwana, Aje sy Chekecha Cheketua, raha fantatra amin'ny hira malaza toy ny Kwetu, Mama Tetema sy Mawanza kosa i Rayvanny.

Mandray ny mozika manerantany an'i Tanzania ny sehatra media sosialy

Mampiasa fitaovana nomerika ireo Tanzaniana mpanakanto mba hanamafisana ny feony sy hanatrarana mpihaino manerana an'i Afrika sy manerana izao tontolo izao. Lasa fampisehoana virtoaly ho an'ny mpanakanto Tanzaniana ny sehatra malaza toa ny Spotify, SoundCloud ary YouTube mba hanehoany ny talentany sy hifaneraserana amin'ny mpihaino samihafa. Mitana anjara toerana lehibe amin'ny fananganana vondrom-piarahamonina mpankafy sy fampiroboroboana ny fiaraha-miasa manerana ny kaontinanta, mampanjavozavo ny sakana misy eo amin'ny sehatry ny mozika eo an-toerana sy manerantany ny fantsona media sosialy.

Niara-niasa tamin'ireo artista afrikanina sy manerantany ireo mpanakanto toa an'i Harmonize, anisan'izany i Awilo Longomba, Yemi Alade, Sarkodie, sy Naira Marley, mba hamondronana mpihaino midadasika kokoa ny mozikany. Ny hafa toa an'i Ali Kiba sy Rayvanny kosa nanaraka fironana mitovy amin'izany amin'ny fahafahan'izy ireo mampifangaro ireo singa mozika Tanzaniana nentim-paharazana amin'ny hira maoderina, mamorona karipetra tsy manam-paharoa izay manakoako amin'ny mpihaino manerana izao tontolo izao.

Fampiasana ny fiteny Swahili

Ahitana mpiteny Swahili maherin'ny 200 tapitrisa, ka i Tanzania no manana isan'olona teratany be indrindra mpiteny azy i Afrika Atsinanana. Nampidirin'i Afrika Atsimo ho iray amin'ireo fiteny ampianarina ao amin'ny fandaharam-pianarana any an-tsekoly ny Swahili, ka nahatonga fahalianana amin'ny endrika am-bava sy an-tsoratra amin'ny fiteny. Mba hanamafisana izany, nanambara ny UNESCO tamin'ny taona 2021 fa atao Andron'ny Teny Kiswahili manerantany ny 7 Jolay. Fanampin'izany, nikasa ny “hanao ny teny Swahili ho fiteny miasa ao amin'ny Vondrona Afrikana sy ho fiteny hifandraisana bebe kokoa any Afrika” ny Vondrona Afrikanina.

Manasongadina ny tononkira Swahili, izay matetika levonina ao anaty fitenim-paritra eo an-toerana ary, indraindray, amin'ny fiteny vahiny ny mozika Tanzaniana. Ankoatra izay, mihamitombo hatrany amin'ny sarimihetsika Hollywood sy ny feon-kira ny teny Swahili. Nahazo hira tamin'ny teny swahili ny sarimihetsika toy ny Star Trek, The Tomb Raider, Out of Africa, sy ny The Last King of Scotland. Nandray anjara tamin'ny fampiroboroboana ny fiteny sy ny hira Swahili ihany koa ny horonan-tsarimiaina. Tsaroantsika ny “Hakuna Matata” an'ny Mpanjaka Liona miaraka amin'ny anaran'ireo mpilalao, Simba (amin'ny teny anglisy midika hoe “Liona”), Rafiki (“Namana”), Pumbaa (“Mampafanina”) ary Shenzi (“Adala” na “Haolo” ).

Vao mainka nanamafy ny ambaindain'ny mozikan'ny firenena eo amin'ny sehatra manerantany ny fiarahamiasa eo amin'ireo mpanakanto Tanzaniana sy i Hollywood. Nanambara fiaraha-miasa amin'ny Warner i Diamond Platnumz sy ny Wasafi Records tamin'ny taona 2021. Namokatra mpanakanto toa an'i Lava Lava, Mbosso, Zuchu, ary Darleen ity fiarahamiasa ity.

Fivelaran'ny mozikan'i Tanzania manerantany

Tamin'ny taona 2023, nisy fiantraikany goavana ny mozika afrikana, novelomin'ny karazana “Afrobeats“, izay monina indrindra any Nizeria sy Ghana, any amin'ireo fanjakana miteny Anglisy any Afrika Andrefana. Nambabo ny fon'izao tontolo izao  ireo mpihira Nizeriana toa an'i Burna Boy, Davido, Rema sy Tems, niditra ho amin'ny onja manerantany. Ohatra, nahazo mpihaino 1 lavitrisa tao amin'ny Spotify ny “Calm Down” an'i Rema, ka lasa hira voalohan'ny mpanakanto afrikanina nahatratra io sata io.

Nanampy tamin'ny fanosehana ny karazana mozika Tanzaniana manerana izao tontolo izao ny fitomboan'ny Afrobeats tamin'ny alalan'ny fiarahamiasa nataon'ireo mpiangaly mozika avy any Nizeria sy Tanzania. Nahazo laza iraisampirenena ireo mpanakanto ireo tamin'ny alàlan'ny fiarahamiasa tamin'ireo mpihira malaza tandrefana sy ny fielezany tamin'ny sehatra fandefasana mivantana toy ny Spotify sy ny Apple Music. Noho ny fitomboan'ny tinady manerantany amin'ny feo isan-karazany sy tena izy, mahita ny tenany tsy ho ambasadaoron'ny kolontsainy fotsiny ireo mpanakanto Tanzaniana fa ho mpitondra fanilo, manampy amin'ny famolavolana ny hoavin'ny mozika Afrikanina. 

Ny mponina tanora any Afrika

Kasinga iray lehibe hafa amin'ny fitomboana ny tanora Afrikana, izay mihoatra ny 70 isanjaton'ny mponin'i Afrika atsimon'i Sahara ny latsaky ny 30 taona. Nomarihan'ny Audiomack mpanome tolotra nomerika ny fitomboan'ny mpanamboatra tsiro tsy azo tsinontsinoavina dia tanora afrikana, izay taranaka mpamoron-javatra nahazo vahana avy amin'ny aterineto sy ny tolotra fandefasana mivantana anjotra.

Mitana anjara toerana lehibe amin'ny fampitomboana ny tinady amin'ny mozika avy amin'ny kaontinanta ihany koa ny fitomboan'isan'ny Afrikana any am-pielezana.

Teknolojia sy fitrandraham-bola

Raha nanampy tamin'ny fampivelarana ny tsena sy ny fahafahan'ny mozika ho an'ny Afrikana ary indrindra indrindra, ny mozika Tanzaniana ny sehatra nomerika, dia misy ny ahiahy marina momba ny fitrandrahana vola sy ireo karazan-tambim-pitompoana. Amin'ny fidiram-bola mihoatra ny 22 lavitrisa dolara tamin'ny taona 2022, nangatahana ny Tik-Tok mba handinika ny politikan'ny fandoavam-bola amin'ny alàlan'ny fandoavam-bola raikitra hatramin'ny fandoavam-bola amin'ny mozika nahazoan-dàlana mandritra ny fe-potoana voafaritra, “fa tsy mandoa ampaham-bola mifototra amin'ny lazan'ny mpanakanto/marika tsirairay ao amin'ny sehatra. Nanamarika i Tim Ingham avy amin'ny Music Business Worldwide  fa “lehibe loatra sy matanjaka loatra… ka hoterena hanao fifanarahana fizarana fidiram-bola” ny TikTok.

Malaza be tsy mampino amin'ny Tik Tok ny mozika afrikanina, ary noho izany, hisy fiantraikany goavana amin'ny fidiram-bolan'ny mpanakanto ny fanapahan-kevitra toy izany. Mety hiova anefa izany, satria mihevitra hanova ny fomba fisian'ny Tiko-tok ao Etazonia ny mpanao lalàna Amerikana.

Niasa mba hamaha ny tsy fahafaham-pon'ny mpanakanto sy ny marika amin'ny rafitra fitrandraham-bola ny YouTube, izay mijanona ho seha-pitadiavana mozika malaza indrindra ho an'ireo Afrikana mpankafy. Amin'ny alàlan'ireo sehatra roa, YouTube sy YouTube Music, mampiroborobo ny feo ary, ny zava-dehibe indrindra, ny votoaty hita maso ny sehatra ary afaka mandray anjara votoaty avy amin'ny faritra rehetra manerantany ny mpankafy mozika. Noho ny zava-misy fa mahazo ny ankamaroan'ny mpijeriny YouTube avy amin'ny kaontinany manokana ny ampahany betsaka amin'ny Afrikana mpamorona, dia miatrika fiantraikany mibaribary kokoa izy ireo noho ny fihenana goavana amin'ny vola miditra avy amin'ny dokambarotra isaky ny mpijery na mpihaino iray ao Afrika.

Niatrika fanakianana naharitra ela manerana izao tontolo izao ihany koa ny Spotify, izay hita amin'ny tsena afrikanina maro ankehitriny, noho ny karama ambany omeny sy ny ahiahiny momba ny fakan-tahaka sy ny zo momba ny famoahana.

Fehiny, satria mbola mahasintona mpihaino manerana izao tontolo izao ny mozika afrikanina, lohalaharana amin'ity fanavaozana ara-mozika ity ny mpanakanto Tanzaniana, mampiseho ny vakoka manankarena ara-kolontsaina sy ny talenta amin'ny famoronana eo amin'ny sehatra manerantany. Ny firindrana eo amin'ny fomban-drazana sy ny teknolojia ao amin'ny tontolon'ny mozikan'i Tanzania dia fisehoan-javatra eo an-toerana miitatra ho fankalazana maneran-tany ny harena ara-kolontsaina amin'ny vanim-potoana nomerika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.