Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Septambra, 2013
Mahazo Fanohanana Antserasera Ny Filoha Am-perinasa Tadjik
Enina herinandro latsaka alohan'ny fifidianana filoham-pirenena, nahazo fanohanana tsy nampoizina avy amin'ireo bilaogera sasantsasany ny filoha amperinasa ankehitriny ao Tajikistan.
Mandeha Ny Tsaho Fa Nanambady Fanindroany i Putin

Nisy ny tsaho niely fa mifankatia amin'ilay mpanao fanatanjahatena Alina Kabaeva i Putin. Mbola nipariaka indray izany tsaho izany taty aoriana, ka nampisy ahiahy fa natao mariazy mihitsy izy ireo.
Ny Feon'ny Vahoaka: Mandraisa Anjara Amin'ny Resadresaka Manerantany Momba Ny Fiainana Manokana

Amin'ny Talata 24 Septambra, manangana tetezana eo amin'ireo manampahefana izay nomena andraikitra hiaro ny fiainanao manokana sy ny tahirin-kevitrao aminao ity valandresaka ity. Afa-manaraka ny resadresaka amin'ny aterineto ny tsirairay
Mibilaogy Ho An'ny Fahafahana Amin'ny Fetim-pirenen'i Arabia Saodita
Nanamarika ny fetim-pireneny i Arabia Saodia tamin'ny 23 Septambra. Nibilaogy ny fanantenanan'izy ireo hanana firenena manaja sy mifankatia amin'ny vahoaka ary koa ny fanirian'izy ireo ny bilaogera.
GV Face: Mampita Ny Siokan'ny Mpampihorohoro? Ilay Fanafihana Tao Westgate

Mivantana amin'izao fotoana izao Google Hangouts. Inona ny marina lazainy amintsika momba iny fanafihana mandravarava ny olom-pirenena Kenyana iny?
Minisitra Ogandey: Mangataka Haolana Ny Vehivavy Manao Fitafy Miboridandridana
Nampanantsoin'ny Antenimiera ny Minisitry ny Tanora ao Oganda mba hitondra fanazavana mikasika ny fanehoa-kevitra nataony.
Tolona Hanakanana Ny Fanambadian'ny Ankizy Ao Yemen
Fomba fanao mahazo vahana ao Yemen ny fanambadian'ny ankizy, indrindra any amin'ny faritra ambanivohitra. Niteraka adihevitra momba ity olana goavana ity ny tantara momba ny fahafatesan'ilay ankizivavy kely valo-taona efa manambady.
25 Taona Taty Aoriana, Mbola Mihelohelo an'i Iran Ny Famonoana Faobe Tamin'ny 1988
Gadra politika an'arivony no naripaky ny fitondrana iraniana dimy amby roapolo taona lasa izay.
Fa Maninona No Manosotra Varinesy Amin'ny Hohony Ireo Lehilahy Saodiana?
Manosotra varinesy amin'ny hohony ireo tovolahy Saodiana sady mampiseho ny volon-tongony ho fandraisany anjara amin'ny teny ifankahafantarana ao amin'ny Twitter midika hoe "Alaivo sary tahaka ny ataon'ny tovovavy ny tenanao".
Ejypta – “Toerana Mampidi-doza Ho An'ireo Mpanao Gazety”
Nandao an'i Ejypta ilay Ejypsiana bilaogera sady mpanao gazety Abdulmonem Mahmood, nilaza izy fa manahy ny amin'ny ainy.