Malagasy citizen, Bachelor of Communication and law masters'degree. I have many years of experience in seo writing, editing and translating. Particularly interested in free expression, education, journalism, social media, human right and international relation. Follow me on my twitter @mammysou. You can visit my blog in french language Info-plaisir and my blog in my native language Mamy ny soa.
Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Mey, 2012
Kenya: #NairobiBlast Tenifototra Nalaza Tao Amin'ny Twitter Nandritra ny Fipoahana Tao Nairobi
Fipoahana mahery vaika no nitranga tao amin'ny arabe lehibe iray tao Nairobi, Làlana Moi, ao an-drenivohitra Kenya tamin'ny Alatsinainy atoandro. Nilaza ny fanadihadiana teny amboalohany fa noho ny olana teo amin'ny herinaratra no nahatonga ny loza. Nolavin'ny lehiben'ny polisy ny tsaho milaza fa fampihorohoroana fanapoahana baomba avy amin'ny Al-Shabaab ny loza....
Kiobà: Ny Toetry Ny Zon'olombelona
Nahatonga ny mpamahana bolongana haneho hevitra ny fangataham-baovao vao haingana nataon'ny Vaomieran'ny Firenena Mikambana Manohitra ny Fampijaliana mikasika ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Kiobà.
Andian-dahatsary: Miady Amin'ny Fanilikilihana ny Fitenin-Janatany
Ny tantaran’ny mpitolona sy ny fiarahamonina indizeny manerantany izay mijoro manohitra ny fanavakavahana sy manome vahaolana hanomezan-danja indray ny fitenin-drenin’ny indizeny no hoentin’ny andian-dahatsary Al Jazeera's Living the Language (Ny fomba iainan’i Al Jazeera ny Fiteniny) ho antsika.
Yemen: Kamikazy Nanapoaka Baomba Nandritra Ny Famerenana Matso Nataon'ny Miaramila
Olona teo amin’ny 100 teo no namoy ny ainy ary 200 farafahakeliny no naratra nandritra ny fanapoahana baomba nataon'ny kamikazy (olona manao sorona ny tenany) nikendrena miaramila nanao famerenana matso tao Sana'a, Yemen tamin’ny 21 Mey.
Bolivia: Atrikasa Web 2.0 Ho An’ny Mpampianatra Aymara
Andiana atrikasa Web 2.0 no notontosaina tao amin’ny departemantan’i Oruro ao Bolivia tamin’ny 2 Mey sy 3 Mey 2012. Nokarakarain’ny Minisitireran'ny Fampianarana sy ny tetikasa Jaqi Aru izany atrikasa izany. Tetikasa izay ahitana vondrona mpandalina teny ao an-tanànan’i El Alto, Bolivia. Nampiroborobo ny fampiasana ny teny Aymara tamin’ny aterineto ity vondrona ity. Maro...
Paragoay: Jery Anatin’ny Fiarahamonin’ny Zanatany Aché.
Ny fitolomana ny fiarovana ny sisintaniny no nandanian'ny zanatany (Indizeny) Achény androantokon-tantarany. Mampiasa valantserasera ihany koa ny Aché ankehitriny mba hiarovany fitenin-dreniny sy ny kolontsainy. Ny bilaogy Aché Djawu ] (“Tontolon’ny Aché”) sy kaonty Twitter maromaro no mitantara ny jery ao anatin’ireo fiarahamonina indizeny Aché enina. Taorian’ny fandripahan'olona nampihena ny isan’ny mponina...
India: Fifandonana tao Tamil Nadu Noho Ny Fanoherana Ilay Orinasa Mpamokatra Nokleary
Nampitombo ny ahiahin’ny vahoaka ny fametrahana ny Kudankulam Nuclear Power Project (KKNPP) (Tetikasa Nokleary Matanjaka), ao amin’ny distrikan’i Tirunelvel ao Tamil Nadu, ao India, izay eo am-panamboarana ankehitriny, satria mety hiteraka voka-dratsy tahaka ny fipoahan’ilay orinasa mpamokatra nokleary Fukushima ao Japana izany. Manahy ny mpikatroka fa rehefa misy horohoron-tany arahinà tsunami ao...
Bangladesh: Nidina An-dalambe Ny Mpamahana Bolongana Noho Ilay Famonoana Mpivady Mpanao Gazety
Telo volana izay no lasa taorian'ny namonoana ireo mpivady mpanao gazety Sagar Sarwar sy Meherun Runi. Hatramin'izao anefa, mbola tsy nahitana mangirana ny fanadihadiana niantsorohan'ny polisy mikasika ny antony nahafaty azy mivady. Tsiahivina fa vao maraimbe tamin'ny 11 Febroary 2012, fatin'izy mivady feno ratra no hita nitsitra tao amin'ny trano fonenany ao...
Meksika: Fanamelohana Ny Famonoan'olona Tao Cadereyta, Ao Nuevo León
Maneho ny heviny ny mpiserasera manoloana ireo faty olona miisa 49 norasarasaina tao Cadereyta, Nuevo León, akaikin'ny sisintanin'i Etazonia.
Repoblika Demokratika Kongo: Mitombo Ny Fanalan-jaza An-tsokosoko Ao Goma
[Nangonina tamin'ny alalan'ny mailaka sy resadresaka mivantana tamin'ny teny frantsay ny fijoroana vavolombelona amin'ity lahatsoratra ity, ary amin'ny teny frantsay avokoa ny rohy rehetra] Tranga mahazatra ao amin'ny faritany maro ao amin'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo ny fanalan-jaza an-tsokosoko, indrindra ao Goma, Kivu Avaratra, vokatry ny fanalan-jaza izay miha-mitombo isan'andro isan'andro...