Raveloaritiana Mamisoa · Desambra, 2018

Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Desambra, 2018

Però: Bilaogera avy ao Ica

Ny tanànan'i Ica no tena voakasiky ny horohorontany Peroviana manokana vao haingana. Maro amin'ireo fanavaozam-baovao sy antso ho an'ny firaisankina no avy amin'ireo bilaogera ao an-tanànan'i Lima. Nikaroka ireo bilaogera avy ao an-tanànan'i Ica ny mpanoratra ao amin'ny GV, Juan Arellano ary nahita ireto bilaogy ireto.

29 Desambra 2018

Arabia Saodita: Avy indray ny orana ao Jeddah

 Niharan'ny orambe indray ny tanàna seranan-tsambo Ranomasina Mena ao Jeddah, Arabia Saodita, mamerina indray ny tenifototra #Jeddahrain malaza ao amin'ny Twitter. Ireto manaraka ireto ny fanehoan-kevitr'ireo mpiondana aterineto, izay naneho ny fahatezerany tamin'ny kolikoly sy ny fahasimban'ny fotodrafitrasan'i Jeddah.

12 Desambra 2018

Kaokazy: Firaisankina ao anatin'ny fahasamihafana

Amin'ireo ady telo tsy voavaha sy ny haino aman-jery ao an-toerana izay matetika maniva-tena, maneho hevitra momba ny tetikasa an-tserasera manantena ny hamotika ireo fitsarana an-tendrony  amin'ny fitaterana ireo ohatra avy amin'ny vondrona ara-poko miara-miaina milamina na ao anatin'ny fifandonana ao amin'ny faritra atsimon'i Kaokazy ny bilaogy

12 Desambra 2018

Meksika: Herisetra mifandraika amin'ny zava-mahadomelina ao Tijuana

Nanjaka manerana ny firenena ny herisetra teo amin'ny manampahefana Meksikana sy ireo mpikambana ao amin'ny fikambanan-jiolahy amin'ny zava-mahadomelina ka namoizana aina marobe sy fiarahamonina mahatsapa ho tsy mahavita azy. Niezaka nanakana ny fitomboan'ny herisetra ny governemanta Meksikana tamin'ny alàlan'ny fandefasana polisy federaly sy miaramila any amin'ireo faritra tena voakasika indrindra.

09 Desambra 2018

Ekoadaoro: Ny feon'ny findaiko sy ny fitantarana isan'andro ataon'olontsotra

Ao amin'ny faritra saro-dalana manodidina an'i Quito, Ecuador, napetraka ny kamiao kely norakofana tsara nandritra ny tontolo andro mba hampianatra momba ny tontolon'ny asa fanaovan-gazetin'olon-tsotra. Ahitana seza maro ary koa birao mihitsy aza ao anatin'ilay fiara, antsoina hoe "Mi Voz Móvil" (Ny Feon'ny Findaiko), ampy tsara handraisana mpanao gazety.

06 Desambra 2018