Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Jolay, 2017
Lesona Vitsivitsy Manoloana Ny Fanafihana Ireo Bilaogy Amin'ny Teny Espaniola
Herinandro vitsivitsy izao, nitrangàna andiam-panafihana somary mitovy ireo bilaogy malaza amin'ny teny Espaniola.
Baomba Tao Bangkok
Tsy tsara ny fanombohan'ny taombaovao tao Bangkok satria nisy ny andiana daroka baomba tao an-tanàna izay namoizana olona roa sy maratra maromaro.
Manohana An'ny Nichane Ny Blogoma Raha Tsy Miraharaha Kosa Ny Media Lehibe Maraokana
Mitohy mihamafy hatrany ny adihevitra momba ny Nichane. Ankehitriny, araka ny filazan'i Farid, mitohy hatrany ao amin'ny aterineto izany satria ny bilaogy Maraokana ihany no tsy voakasiky ny fanohanan'ny Media Lehibe.
Rosia: Moskoa, Dimampolo Taona Lasa Izay
Nahita raki-tsary tsy fahita firy tao anatin'ny fakon'i Moskoa - Im Flug nach Moskau, avy amin'i Erich Einhorn, ARTIA, 1959 ilay mpisera LJ, fool_4_lifetime- ary ni-scan azy ireo sy nandefa ireo sarin'i Moskoa miisa 60 tao amin'ny fiarahamonina LJ moya_moskva (Moskoako).
Shily: Faritra Roa Vaovao
Nankatoa faritra roa ao Shily ny kaongresy Shiliana. Ankehitriny, manana faritra 12 sy ny renivohitra Santiago i Shily.
Iran : Fiakaran'ny vidim-piainana sy ny Voatabia
Matetika lavin'ny fitondrana ny fiakaran'ny vidim-piainana, ary manome antoka mihitsy aza izy ireo fa zavatra foronon'ny vahiny sy ny haino aman-jery izany. Saingy nandritra ny volana vitsy lasa, haingana sy goavana loatra tsy mbola nisy tahaka izany tao Iran ny fiakaran'ny vidim-piainana.
Okraina, Rosia: Personae Non Gratae
Tamin'ny 12 Mey, nambara fa persona non grata (tsy ankasitrahana) ao Okraina ny ben'ny tanànan'i Moskoa Yuri Luzhkov, noho ny fangatahany tamin'i Rosia mba haka ny Sevastopol, Seranan-tsambo ao amin'ny Ranomasina Mainty Okrainiana.
Manokatra Sehatra Vaovao Ho An'ny Adihevitry Ny Vahoaka Ny Media Sosialy Ao Ghana
Nandritra ny fifidianana filoham-pirenena Ganeana 2016, tao anatin'ny fiadiana fahefana goavana, nisy zavatra hafa nihamafy. Nanjary fitaovana lehibe ho an'ireo mpifidy ny media sosialy sy ny sehatra antserasera. Nanjary zava-dehibe toy ny fandraisam-pitenenana amin'ny famoriam-bahoaka ny fandraisan' anjaran'ireo mpifidy ao amin'ny sehatra nomerika.
Tonizia: Fanehoan-kevitra Manoloana Ny Fitsidihan'i Sarkozy
Tamin'ny herinandro lasa, naneho hevitra momba ny fitsidihana ofisialy nataon'ny filoha Frantsay Nicolas Sarkozy ny tontolon'ny bilaogy Toniziana.
Maldiva: Voampanga Ho Nampijaly Sy Namono Ho Faty Tovolahy Iray Ny Polisy
Miteny ho azy indray ny fampijaliana ao amin'ny fonjan'i Maldiva noho ny fahitàna vatana mangatsiaka tao anaty rano ary feno diana kapoka feno herisetra, tao Malé renivohitra ny marainan'ny 15 Aprily. Nogadrain'ny polisy andro vitsy talohan'ny nahafatesany ity tovolahy antsoina hoe Hussain Solah ity.