Malagasy citizen, Bachelor of Communication and law masters'degree. I have many years of experience in seo writing, editing and translating. Particularly interested in free expression, education, journalism, social media, human right and international relation. Follow me on my twitter @mammysou. You can visit my blog in french language Info-plaisir and my blog in my native language Mamy ny soa.
Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Septambra, 2012
Lahatsary: Fanadihadiana Fohy Mampisongadina Mpanankato Venezoeliana
Tamin'ny alalan'ny kaonty YouTube azy ireo no amoahan'ny ekipa ekipam-pamoronana Mostro Contenidos, andian-dahatsary fanadihadiana antsoina hoe ‘Memorabilia‘ [es, en] , izay ampisehoan'izy ireo andian-tafatafa fohy niarahana tamin'ireo olo-malaza Venezoelana izay miavaka ao an-toerana na manerantany- amin'ny sarimihetsika, fialam-boly, ary ny zava-kanto. Tao anatin'ny lahatsary fampahafantarana no namariparitan'ny ekipa ny fomba nahafahany nanangona ireo...
Japana: Ampamoaka Momba Ny Tontolon’ny Asa Fanadiovana ny toby Nokleary Ao Fukushima
Nandrakitra ilay lahatsary [amin’ny teny japoney] an’i Tetsuya Hayashi, izay tsy nanampo hanao asam-panadiovana ao amin’ny toby nokleary ao Fukushima Daiichi, ny tranokalam-baovao japoney an’olotsotra 8bit news, tamin’ny 18 septambra 2012. Nangataka asa nantsoina hoe ‘Backup Logistics Support’ izy (izay azo adika hoe « mpiasan'ny fampitaovana fototra »), fa tafiditra voalohan-daharana, ary voatery niharitra ny voka-dratsin'ny...
Shina : Mampiahiahy ny fiverenan’ny Maoïsta Nandritra ny Fihetsiketsehana Manohitra ny Japoney
Mpanao fihetsiketsehana maoïsta no nibaha-toerana nandritra ny hetsika goavana manohitra ny japoney izay nitranga tao Shina tamin’ny 15 hatramin’ny 18 septembra 2012, nisy ny filanjana ny saritavan’ny filoha Mao nandritra ny filaharambe sy ny fiventsona ny hira taloha ho fanomezam-boninahitra ny mpanorina ny firenena. Ho an’ireo manampahaizana marobe, mampanembona ny fahatsiarovana mangidy...
Zambia: Nodimandry Ny Vadin'ny Filoham-pirenena Teo Aloha
Alahelo lehibe no tazana manerana ny tambajotra sosialy tamin’ny Alarobia 19 Septambra 2012, taorian’ny vaovao momba ny fahafatesan’ ilay ramatoa vadin’ny filoham-pirenena Zambiana teo aloha, Betty Kaunda. Vadin’ny filoha voalohany tao Zambia, Dr Kenneth Kaunda izy, izay nitondra ny firenena nanomboka ny taona 1964 hatramin’ny taona 1991, tafala teo amin’ny fitondrana...
Kazakhstan: Tsy Ankasitrahana Ny ‘Fitsabahan’ny’ Tandrefana Any Amin'ny Raharaham-pitsarana
Tamin’ny volana Desambra 2011 lasa teo, nanafintohina an’ilay firenena zatra filaminana teo aloha izay tsy iza fa i Kazakhtan, ny fiafaran’ny grevin’ny mpiasan’ny solitany izay naharitra 7 volana, nisiana fahafatesan'olona tao Zhanaozen akaiky ny Ranomasina Kaspianina. Niteraka tsikera marobe avy amin’ireo mpanaramaso iraisam-pirenena ny valy bontana nataon’ny governemanta tamin'ny fihetsiketsehana sy ny fitsarana...
Nakaton'Iran Ny Fidirana Amin'ny Google sy Gmail
Fahavalon'ny fahalalaham-pitenenana ny fitondrana Iraniana nandritra ny taompolo maro, saingy tamin'ny Alahady 23 Septambra 2012 lasa teo, vao maika talanjona ny maro raha nanambara ny fitondrana fa hanomboka hanivana ny Google sy Gmail izy ireo afaka ora vitsy. Nanambaora [fa] ny manampahefana Iraniana iray, Abdolsamad Khoramabadi fa noho ny fangatahan'ny vahoaka...
Iran: Andro fanoherana ny herisetra atao amin’ny biby
Tamin’ny taon-dasa tao Iran, orsa volontsôkôlà sy ny zanany kely niharan’ny herisetra sy novonoina no hita tamin’ny kamerà, izay tahaka ireny lalao “mpihaza” ao Samirom, Isfahan ireny. Tafintohina tamin’izany ireo Iraniana maro avy amin’ny toera-tsamihafa. Nozarain’ny vondrona mpiaro ny zon’ny biby tamin’ny 20 septambra 2011 ilay lahatsary ahitana ny famonoana ireo...
Zambia: Mampidi-doza Ho An'ny Tontolo Iainana ao Lower Zambezi ny Tetikasa Fitrandrahana
Loza mitatao ho an'ny tontolo iainany sy ny Valan-javaboahary Mana Pools ao Zimbabwe mifanila aminy ny fitrandrahana ao amin'ny Valan-javaboahary Lower Zambezi ao Zambia. 200 km latsaka midina miala ao amin’ny tohodrano Kariba no misy ireo valanjavahoary roa, anisan’ny manankarena biby sy iray amin’ireo vakoka tavela ahitana elefanta goavana indrindra...
Sodàna: Noràrana ny YouTube Taorian'Ny Fandoroana Ny Ambasady Alemana
Nanafika ny Ambasady Alemana sy Amerikana tao Khartoum ireo mpanao fihetsiketsehana voton-katezerana Sodàney tamin’ny Zoma 14 Septambra 2012 lasa teo, hetsi-panoherana ilay horonantsary novokarina tao Etazonia, izay manevateva ny Mpaminany Mohammad. Mitondra ny lohateny hoe “The Innoncence of Muslims” na “Tsy Fahalalàn'ny Miozolomana” ilay horonantsary Youtube maharitra 14 minitra, nitarika ny...
Arabia Saodita: Mandrahona Ny Hanakana Ny YouTube Ny Manampahefana
Notaterin'ny Sampan-draharaham-baovao ofisialy Saodiana (SPA) androany vao maraina fa naneho ny heviny tamin’ilay horonantsary “Innocence of Muslims (Tsy fahalalàn'ny miozolomana)” ny Komitin’ny Fifandraisana sy ny Fampahalalam-baovao ka nandrahona ny hanidy ny YouTube, izay efa nanakatona horonantsari-mihetsika iray ihany koa farafahakeliny hatramin’ny namoahana ny fanambarana. Toy izao ny tatitry ny SPA [ar]: قامت هيئة...