Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Janoary, 2015
Miresaka Momba Ny Herisetra sy ny Tsy Fitovian-jo Mihatra Amin'ny Vehivavy ao Kyrgyzstan
Nanatontosa lasin'ny Tanora Mpikatroka tao Bishkek ny tetikasa nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices mba hiresaka momba ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy, ary koa niresaka momba ny lohahevitra mahakasika ny VIH/SIDA .
Fisamborana, Baomba Mandatsa-dranomaso sy Fihetsiketsehana No Nandraisan'i Bahrain Ny Taona Vaovao
Fisamborana ny lehiben'ny mpnohitra malaza, Shaikh Ali Salman no nandraisan'i Bahrain ny taombavao. Mitohy ny fifandonana satria mitaky ny famotsorana azy ny mpanao fihetsiketsehana.
Vonona Handray TEDx ao Damaskosy Ve i Syria Nefa ireo Mpihevitra ao Aminy na any Am-ponja na any an-tsesitany Na maty?
Sarotra hoan'ny hevi-baovao no hisondrotra raha mbola any am-ponja ireo mpitondra hevi-baovao tahaka an'i Bassel Safadi, sy raha novonoina sy nogadraina ary noterena handao ny firenena ny ankamaron'ireo Syriana malalaka fomba fiheverana.
Voavely Karavasy Noho Ny Fananany Hevitra Liberaly Ilay Bilaogera Saodiana Raif Badawi
Novelesina karavasy imasom-bahoaka tao Arabia Saodita ilay bilaogera Saodiana liberaly Raif Badawi rehefa voampanga ho nanangana forum antserasera hoan'ny daholobe sy "nanevateva Islamo".
Mamorona Jingles Fanao Amin'ny Radio ny Tanora Breziliana Hampiroboroboana Ny Fampandrosoana Lovain-jafy ao Amazonia
Mandray andraikitra amin'ny alalan'ny tetikasa radio ny tanora ao amin'ny fiarahamonin'i Amazonia Breziliana, Cabelo Seco tohanan'ny Rising Voices, mba hampiroborobo ny fampandrosoana maharitra amin'ny alalan'ny fitaovana nentim-paharazana, nomerika sy zava-baovao.
Mpanakanto Japoney Nanao Volombavan'i Hitler Tamin'ny Fanambarana Politikan'ny Taombaovao
Inona no antony nanaovan'i Keisuke Kuwata ny volombavan'i Hitler nandritra ny fampisehoany? Tsy nolazainy ny antony, saingy mihevitra ny sasany fa natao hitsikerana ny Praiminisitra Shinzo Abe izany .
Fanoherana Tetikasa Shinoa Fitrandrahana Varahina Nahafatesana Iray sy Naharatràna Maro Tao Myanmar
Namoy ny ainy ilay ramatoa 56 taona mpamboly tamin'ny fifandonana nandritra ny fihetsiketseham-panoherana ny tetikasa fitrandrahana mampifanditra tao Myanmar, voalaza fa maty voatifitry ny polisy izy.
Mpifankatian'ny Afovoany Atsinanana, Mitambara!
Nanomboka nanangona tantaram-pitiavana 100 avy ao amin'ny faritra Afovoany Atsinana ireo mpifankatia roa mba hampiseho amin'izao tontolo izao fa nitondra fiovana ara-tsosialy miavaka ny Lohataona Arabo.
Fefy Vy Iadiana Amin'ny Tsy Manan-kialofana Ao an-Tanànan'i Angoulême
Ny fety tao an-tanànan'i Angoulême tamin'ity taona ity dia nandray fepetra manohitra ireo olona tsy manan-kialofana. Niparitaka ny tsy fankasitrahana, haharitra ve izany?