Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Janoary, 2016
Sivy Taona Nanoherana Ny Famoretan'ny Polisy Ao Arzantina
Nandritra ny sivy taona, Arzantinina an-jatony avy ao amin'ny faritany Cordoba no nanatevin-daharana ny "Diaben'ny Kasikety" -- hetsika fanao isan-taona hanoherana ny fihoaram-pefin'ny polisy izay mialokaloka amina lalàna mampiadi-hevitra.
Sarin'ny Maraina Manjavona Tarafin'ny Masoandro Ao Amin'ny Renivohitr'i Myanmar Faha-Mpanjaka
Nanapika ny hakanton'i Mandalay indray maraina ambonin'ny renivohitra faha-mpanjakan'i Myanmar i Zaw Zaw.
An-tsary: Manangona Siran-dranomasina Manjelajelatra Anaty Siny Ny Tantsaha Ao Myanmar
Efa maro amin'ireo mpamokatra sira ao Myanmar no nifindra monina tany amin'ny firenen-kafa mba hanana fiainana tsara kokoa Mampiseho ny fikarakarana sira manerana ny morontsiraka atsimo-atsinanan'i Myanmar ireto sary ireto.
Hojeren'i Okraina Indray Ny Fiarovana Antserasera Taorian'ny Fanafihan'ny Rosiana Ny Seranam-piaramanidina Lehibe
Nilaza ny mpitondra tenin'ny minisiteran'ny Fiarovana Okrainiana fa avy amin'ireo lohamilin'i Rosia ny fanafihana antserasera vao haingana tao amin'ny seranam-piaramanidina Boryspil.
Nahazo Fialokalofana Ao Okraina Ilay Rosiana Bilaogera Shipilov
Nahazo fialokalofana ara-politika ao Okraina i Dmitry Shipilov, mpanao gazety sady bilaogera Rosiana izay voampanga teo aloha ho manivaiva ny governoran'ny faritra Kemerovo ao Siberia tao amin'ny lahatsoratra bilaoginy.
Nahoana No Antsoin'ny Mponin'i Hong Kong hoe “689” Ny Filoha Mpanantateraka CY Leung ?
Tsy anaram-bositra tsara ny 689
Ny Lova Afrikana Ao Amin'i Alan Rickman Sy Ny Andian-tantara Harry Potter
Tsy rariny amin'ny lalan'asan'i Rickman, izay mihoatra lavitra noho ny maha-mpilalao sarimihetsika ny mamintina ireo talentany maro karazany amin'ireo sarimihetsika ireo. Tsapa tamin'ny alalan 'ireo asa soa notohanany ny taratra nentiny, nitondra soa ho an'ny olona manerana izao tontolo izao.
Fihetsiketsehana Maraokana Manohitra Ny Fandraràna Antso VoIP, Anisany Ny Whatsapp, Viber, Facebook Ary ny Skype
Nanapa-kevitra hanao ankivy ireo orinasam-pifandraisandavitra ny Maraokana noho ny fanakatonana ny tolotra VoIP. Hahomby ve izany ankivy izany?
Costa Rica : Lovan'ny Teny Anglisy, Tantaran'ny Teny, Tantaran'ny Fifindra-monina
Amin'ity fijoroana vavolombelona manokana manana fizarana roa ity, ity ny tantaran'ireo taranaka Kostarikana teratany Afrikana sy ny lovan'izy ireo, ny teny, ny Anglisy, izay zavatra hireharehan'izy ireo sy mariky ny maha-izy azy ireo.
Angkety Map Manasongadina Fitaovana Nomerika Hamelomana Indray Ny Teny Indizeny Ao Aostralia
Tati-baovao manasongadina ny fitaovana nomerika azo jeren'ny fiarahamonina indizeny ao Aostralia liana amin'ny fampiasana teknolojia ho fiarovana sy ny famelomana indray ny teny Angkety map.