Raveloaritiana Mamisoa · Jolay, 2018

Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Jolay, 2018

Bilaogy ao Però, taona 2005

  30 Jolay 2018

Nisy tolotra vaovao roa nifantoka tamin'ny bilaogy Peroviana tamin'ny taon-dasa: ny voalohany dia ny Perublog.net, izay nanomboka niasa tamin'ny volana Janoary 2005 . Ary tamin'ny volana May, nipoitra ihany koa ny Perublogs.com, armoara iray izay ho lasa mpamatsy tolotra isan-karazany ho an'ny tontolon'ny bilaogy Peroviana

Andeha hitsangatsangana ao Japana, mivantana ao amin'ny YouTube

  28 Jolay 2018

Efa ela ve ianao no te-hitsidika an'i Japana, saingy tsy mba afaka nanao izany? Na angamba tsy nanam-potoana, na lafo loatra ny tapakila fiaramanidina (sy ny zava-drehetra hafa momba ny fandehanana hiala-sasatra). Aza manahy--manao ny fitsangatsanganana rehetra ho anao ny fantsona Youtube Kappa2700s.

Bahrain: Marobe ireo tranonkala voakatona

Marobe ireo tranonkala nakatona tao Bahrain taorian'ny famoretana vaovao nataon'ny minisiteran'ny fampahalalam-baovao. Nahantonga ireo  tranonkala tahaka ny Google Translate sy ny tranonkala ara-tsosialy, ara-pivavahana, momba ny zon'olombelona sy ny vondrona ara-politika ho tsy azon'ny olona nidirana tao Bahrain intsony ny fanakatonana farany. 

FOKO: manentana feo vaovao hatrany hatrany

Rising Voices  27 Jolay 2018

Maro dia maro no nitranga tamin'ny FOKO Madagasikara nandritra ny volana lasa. Tsy nanakana ireo mpikatroka mavitrika tsy hibilaogy ny tondra-drano sy ny krizy maha-olona nateraky ny ny rivo-doza telo samihafa tamin'ny volana Febroary 2008 izany. Natao tao anaty fandaharam-potoana ny atrikasa momba ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra.

Voces Bolivianas niseho tao amin'ny BBC

Rising Voices  26 Jolay 2018

Miarahaba ny Voces Bolivianas noho ny fankasitrahana mendrika azy indrindra! Azonao atao ny mamaky ny dikan-teny amin'ny teny Anglisy eto avy amin'ireo mpandray anjara ao amin'ny Voces Bolivianas.

Cristina Quisbert ao amin'ny bilaogy

Rising Voices  26 Jolay 2018

Mizara ny traikefany amin'ny maha mpikambana ao amin'ny Voces Bolivianas i Cristina Quisbert. Niseho tamin'ny resadresaka navoaka tato roa volana lasa ihany koa i Cristina. Azonao atao ny mamaky ny dikantenin-dahatsoratra nosoratan'i Cristina sy ny namana mpandray anjara ao amin'ny Voces Bolivianas amin'ny teny Anglisy ao amin'ny tranonkalan'ny Voces Bolivianas.

Rolling Stones sy U2 ao Arzantina

  23 Jolay 2018

Ny ankamaroan'ny lohahevitra be mpiresaka amin'izao fotoana izao ao amin'ny bilaogy Arzantiniana dia mikasika ny mozika; tamin'io herinandro io ihany, nitsidika ity firenena ity ny tarika Rolling Stones sy U2 mba hanao fampisehoana roa tsirairay. Mazava ho azy, marobe ireo bilaogy nitantara ny zava-nitranga nandritra ny fampisehoana.