Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Oktobra, 2015
Manampahefana Okrainiana Voaroaka Noho Ny Fampiasana Tolotra Mailaka Rosiana Tamin'ny Fifandraisana Ofisialy
Mihevitra ny manampahefana Okrainiana fa mety "hanohintohina ny fiarovam-baovaon'ny firenena" ny fampiasana ny tolotra mailaka Rosiana.
Mitafiotra Media Sosialy Ny Hetsika #FreeAlaa (Avotsory i Alaa) Raha Feno Herintaona ny Nanagadrana Azy
Herintaona tany am-ponja i Alaa Abd El Fattah noho ny fikatrohana ataony. Mbola mamita sazy efa-taona. Miaka-peo ny mpiserasera tamin'ny fankalazana ny herintaonan'ny nanagadrana azy mba hitaky ny famotsorana azy.
Nahazo Fanohanana Tamin'ny Vahoaka Ilay Mpanankato Shinoa Ai WeiWei Rehefa Nolavin'ny Lego Ny Fangatahany
"Tsy asiana Lego amin'ny lisitry ny entana hovidiana amin'ny Krismasy. Mandiso fanantenana ny tsy fanohanana an'i Ai Wei Wei "
Nandao An'i Etazonia Tsy Misy Resaka Nokleary Ny Praiminisitra Pakistaney
"Tena tsy mahazatra ny fanambarana iraisana lavabe miseho alohan'ny fiafaran'ny fihaonana! Resak'i Obama-Sharif"
Miteraka Fanontaniana Amin'ny Fangaraharan'ny Fitantanam-bola Ny Politikam-Piarahamiasa Iraisampirenena Vaovao Ao Nikaragòa
Raisin'ny maro toy ny fomba hisorohana ny "Lohataona Amerikana Afovoany " ny fialàn'ny solontena maharitry ny Firenena Mikambana ao Nikaragòa.
Rendrika anaty loto, ‘Reniranom-pako’ manemitra ny araben'ny renivohitr'i Libanona
Avy ny orana tao Libanona ary nivangongo manerana ny arabe nandritra ny volana maromaro ny fako ao Beirota, nivadika ho "reniranon'ny fako" ny araben'ny renivohitra.
Niteraka Tanàna Haolo ao Meksika Ny Varotra Rongony sy Ny Ady Amin'ny Fikambanan-jiolahy
Nahatonga ireo olona marobe voatery nifindra monina nandao ny tanindrazan'izy ireo ny fikambanan-jiolahy tao Meksika sy ny herisetra tamin'izany, ka lasa "tanàna haolo" ankehitriny ny toerana.
Toe-javatra Manjavozavo Manodidina Ny Kabary Momba ny Zava-kanto Nataon'ny Filohan'i Shina, Xi
"Nilaza ny marina i Wang Shiwei ary novonoina. Ka lasa nironana ny filazana lainga. Ankehitriny, soloin'ny lainga toerana ny zavatra hafa rehetra."
Timisoara, toeram-pihaonan'ny kanto ankehitriny vaovao
Tapa-bolana izay, niova ho fampiratiana ankalamanjana ny zava-kanto ankehitriny i Timisoara. Nanomboka ny 3 hatramin'ny 31 Oktobra 2015, nampiantrano ny andiany voalohan'ny Biennale “Timisoara Art Encounters” ny tanàn-dehibe.
Netizen Report: Mampanantena Hanamafy Ny Sivana Antserasera i Oganda
Tandindonin-doza ny fahalalaham-pitenenana ao Afrika Atsinanana: Mpisera Facebook roa no voampanga tamin'ny lalàna mifehy ny heloka antserasera ao Tanzania.