Nodimandry teo amin’ny faha-73 taonany tamin’ny 24 Martsa ilay mpanabe teraka tany Angletera sady mpanohana ny teatra Jamaikana, Brian Heap. Nitatitra ny gazety Jamaica Gleaner fa “narary mangina izy nanomboka tamin’ny volana Septambra tamin’ny herintaona [ary] nodimandry tany amin'ny hopitaly nitsaboana azy”.
Misaona an'i Heap ny maro eo amin'ny tontolon'ny teatra ao Jamaika sy any ivelany. Tamin'ny taona 2020, voafantina ho mpandresy ao amin'ny faritra Karaiba tamin'ny loka malaza Commonwealth Short Story Prize izy noho ny tantarany mahery vaika momba ny alahelo sy ny fianakaviana mitondra ny lohateny hoe “Mafootoo.”
HAMAKY BEBE KOKOA: Niresaka tamin'i Brian Heap avy any Jamaika, mpandresy ao amin'ny faritra Karaiba tamin'ny loka ho an'ny Tantara Fohy Commonwealth 2020
Niara-niasa tamin'ny Philip Sherlock Centre for the Creative Arts, izay niasany ho tale talohan'ny fisotroan-drononony, nanolotra ampahany tamin'ny vola lokany izy mba hametraka fifaninanana roa: fifaninanana fanoratana tantara an-tsehatra sy fifaninanana tantara fohy ho an'ny mpianatra ao amin'ny Oniversiten'i West Indies. (UWI).
Namoaka tao amin'ny X (Twitter taloha) ilay namany mpanoratra sady poeta Pamela Mordecay hoe:
Brian Heap leave us and gone to heaven! Will miss you, bredren. May the angels lead you into Paradise where there will be nuff smadi dat will welcome you wid open arms. Condolences and comfort to all who are dear to you…
— Pamela Mordecai (@Refracting) March 26, 2024
Nandao antsika i Brian Heap ary lasa any an-danitra! Ho banga anao, ry havana. Ny anjely anie hitarika anao ho any am-Paradisa izay hisy “nuff smadi dat” handray anao amin'ny tanana misokatra. Mirary fiononana sy fampiononana ho an'izay rehetra malalanao…
“Smadi” dia voambolana Jamaikana ilazana olona malaza na manan-danja.
Loretta Collins Klobah, poeta monina ao Porto Rikô, nampahatsiahy hoe:
Another person who mentored me kindly in Jamaica has passed on. Brian Heap, was a professor of theatre at The University of the West Indies, Mona, Jamaica, when he talked to me about the island's drama and helped me find scripts from the annual Pantomime. https://t.co/lfmmEaRIZG https://t.co/I6AX7m5zdN
— 12 Foot Neon Woman (@12FootNeonWoman) March 26, 2024
Nodimandry ilay olona iray hafa nanoro ahy tamin-katsaram-panahy tany Jamaika. Mpampianatra teatra tao amin'ny The Oniversiten'i West Indies, Mona, Jamaika, Brian Heap raha niresaka tamiko momba ny tantara an-tsehatra ao amin'ny nosy ary nanampy ahy hahita ny soratra avy amin'ny Pantomime fanao isan-taona.
Araka ny filazan'ny rahalahiny, tonga tany Jamaika i Heap fony izy tanora mpampianatra nahazo diplaoma avy amin'ny “tanànan'ny mpiasa mavitrika any Lancashire.” Roa taona monja no kinasany hijanonany saingy tsy niala mihitsy izy. Nianatra tao amin'ny Oniversiten'i Newcastle upon Tyne sy ny Oniversiten'i Leeds, nahavita ny diplaomany doctorat tao amin'ny UWI izy taty aoriana.
Niavaka ny traikany teo amin'ny teatra sy ny fampianarana tao Jamaika nandritra ny 40 taona mahery. Nampianatra tao amin’ny Kolejy Campion, sekoly ambony iray, ary tao amin’ny Kolejin’ny Fampiofanana Mpampianatra St. Joseph, samy tao Kingston izy, talohan’ny nidirany teo amin’ny sehatry ny tantara an-tsehatra. Niasa ho Talen'ny Fianarana tao amin'ny Sekolin'ny Drama Jamaika (ny Edna Manley College of the Visual and Performing Arts) izy tatỳ aoriana. Mpampianatra momba ny tantara an-tsehatra tao amin'ny tobim-pianarana Mona an'ny UWI ihany koa izy tamin'ny taona 1975. Tonga tamin'ny naha-mpampianatra azy, raiki-pitia tamin'ny fomban-drazana manankarena teatra ao Jamaika izy ary matetika sokajiana ho “Jamaikana amin'ny fitelemana.”
HAMAKY BEBE KOKOA: Brian Heap avy any Jamaika, mpandresin'ny faritra Karaiba tamin'ny Lokan'ny Tantara fohy Commonwealth 2020, miresaka momba ny fitantarana
One of Heap's major achievements was his revival, in 2003, of the University Players, which had become dormant. The group went on to stage both Caribbean and classic plays and musicals to great acclaim, receiving multiple nominations for Jamaica's International Theatre Institute Actor Boy Awards. In 2018, he retired from his position as its artistic director, as well as from his duties as staff tutor and head of the Philip Sherlock Centre for the Creative Arts.
Iray amin'ireo zava-bita goavana nataon'i Heap ny famohazany indray ny University of Players tamin'ny taona 2003, izay natory. Nanao fampisehoana mozika sy tantara klasika sy Karaiba tamim-pahombiazana ny vondrona, nahazo fanendrena marobe tao amin'ny Ivo-toerana Teatra Iraisam-pirenena Actor Boy Awards ao Jamaika. Tamin'ny taona 2018, nisotro ronono tamin'ny asany amin'ny maha talen'ny zavakanto azy izy, ary koa tamin'ny andraikiny amin'ny maha mpanoro hevitra mpiasa sy lehiben'ny Philip Sherlock Center for the Creative Arts.
Nandritra ny asany, nanatontosa pantomime (fampisehoana fihetsika mahatsikaiky) 15 isan-taona any Jamaika i Heap. Amin'ny fitiavany tantara sy kolontsaina Jamaikana, izy no aingam-panahy tao ambadiky ny “Augus’ Mawnin’,” fankalazana ara-javakanto ny Andro Fanafahana (1 Aogositra), izay nilanonana tany ampitan-dranomasina ihany koa ho an'ny mpihaino Jamaikana am-pielezana .
Ankoatra izany, dia niseho tamin'ny famokarana ny “Raisin in the Sun” an'i Lorraine Hansberry, ny “School's Out” an'i Trevor Rhone, ny “Bedward” an'i Louis Marriott ary ny “Remembrance” an'i Derek Walcott izy, ary tao amin'ny pantomime “Princess Pirate”, sy “Bruckins.” Nanoratra boky maromaro, taratasin'ny fihaonambe ary lahatsoratra izy, ary nahazo ny Medaly Volafotsy Musgrave avy amin'ny Institute of Jamaica tamin'ny taona 2002.
Ho fanomezam-boninahitra an'i Heap, nilaza tamin'ny Global Voices i Hilary Nicholso, mpilalao sarimihetsika, mpiara-miasa ary namana hoe: “Nanana fahalalahan-tsaina sy ara-javakanto goavana i Brian; nanao ny asany izy mba hahafahan'ny hafa mahita sy mampivelatra ny talentany amin'ny zavakanto, indrindra amin'ny zavakanto teatra. Nahatonga ny hafa mba hankafy ny talentany sy ny fahaizan'izy ireo izy, na izy niara-niasa tamin’ny ankizy marenina, na mpianatry ny oniversite, na mpiara-miasa hafa tao amin’ny sehatry ny teatra.”
Tsaroany ho toy ny “talen'ny teatra mampahery, tsara fanahy ary be fiahiana – tsy nandidy hanaraka ny sitrapony velively izy, fa mikatsaka mandrakariva ny hifandray amin'ny hafa mba hitomboan'izy ireo, na dia hitombo aza ny sangan'asa ara-javakanto. Nisy dikany lehibe taminy ny fifandraisana, olom-bahoaka izy.”
Raha nanamarika fa niasa nandritra ny taona maro tamin'ny famokarana tantara an-tsehatra, tantara an-tsehatra ara-panabeazana, ary tantara an-tsehatra ho an'ny fampandrosoana i Heap. Nanantitrantitra ny fitiavany an'i Jamaika sy ny kolontsainy i Nicholson: “Nanana fahafahana nampiditra ny antsipirian'ny kolontsaina Jamaikana tao amin'ny asany izy ary namadika ny mahazatra ho lasa zavatra miavaka.”
Eny tokoa, tena nankafizina ny fomba fampianarana sy fitarihana an'i Heap :
With his dry wit and deadpan delivery, Mr Heap would just say “Dat is it, curtains. Show done. Thanks for coming.”
But that bellied so much more. He really taught, shaped and nurtured. In his classes and on the stage all were made to feel like the belonged, were equal. RIP https://t.co/8iyptxSih2— Joy Bwoy (@gavinmyaz) March 26, 2024
Amin'ny fiteniny sy ny hatsikany mangina, hiteny fotsiny Andriamatoa Heap hoe “Izany no izy, ridao. Vita ny fampisehoana. Misaotra anao tonga.”
Saingy nitombo be dia be izany. Tena nampianatra sy namolavola ary nitaiza izy. Tao amin'ny kilasiny sy teo amin'ny lampihazo dia natao hahatsiaro ho toy ny an'ny tsirairay ny rehetra, mitovy. Mandria am-piadanana
Nizara ilay mpanao gazety Rodney Campbell hoe:
Heard last night that Brian Heap left this earthly land…thought he decided to relax and enjoy his years after much toiling in the trenches of the arts, but it seems he wasn't well a while…the Lord giveth and the Lord taketh away, blessed be the name of the Lord#RIPWholeHeap
— Rodney S. O. Campbell (@rodneytwit) March 25, 2024
Heno omaly alina fa nandao ity tany ity i Brian Heap… nihevitra izy fa nanapa-kevitra ny hiala sasatra sy hankafy ny taonany taorian'ny asa mafy tao anatin'ny hadirin'ny zavakanto, saingy toa tsy salama maharitraritra izy … Ny Tompo no manome ary ny Tompo no manaisotra, isaorana anie ny anaran'ny Tompo
Mpilalao sarimihetsika Dahlia Harris namoaka hoe:
Brian Heap. A proper tribute to come but at this moment I can only say your name with the love and honour I have in my heart. Rest well 💜
— Dahlia Harris (@DahliaHarris) March 24, 2024
Brian Heap. Mbola ho avy ny fanomezam-boninahitra mendrika fa amin'izao fotoana izao dia manonona ny anaranao miaraka amin'ny fitiavana sy ny haja ato am-poko aho. Mialà sasatra tsara
Nanoratra avy eo hoe:
Another theatre stalwart. 💔 We will miss your light Brian. pic.twitter.com/Q8sN4kVdJL
— Dahlia Harris (@DahliaHarris) March 24, 2024
Andry iray hafa an'ny teatra. Ho banga ny fahazavanao izahay ry Brian