Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Raveloaritiana Mamisoa · Oktobra, 2017

Malagasy citizen, Bachelor of Communication and still student at a Private University. I enjoy sharing information for malagasy people around the world. Interested in education, journalism, social media, human right, international relation. I would like to promote education in my native nation. My twitter is @mammysou. You can visit my blog in french language Info-plaisir and my blog in my native language Mamy ny soa.

imailaka Raveloaritiana Mamisoa

Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Oktobra, 2017

29 Oktobra 2017

‘Rivo-doza Mahery’ Mandrahona An'i Japana, sy ny Fifidianana Japoney

"Rivo-doza mahery"--mitovy amin'ny tafiodrivotra (hurricane) sokajy 5- no mandrahona an'i Japana sy ny fifidianana ankapobeny ao amin'ny firenena.

27 Oktobra 2017

Herintaona Taorian'ny Fandraràna Gazety Iray, Mbola Atao Fahirano Hatrany Ny Media Tsy Miankina Ao Oman

GV Mpisolovava

Efa maherin'ny herintaona izao no nakaton'ny manampahefana Omeniana ny gazety Azamn tsy miankina amin'ny teny Arabo noho ny fandrakofana ataony mikasika ny kolikoly ao amin'ny Sultanate. Mbola any am-ponja, mamita sazy herintaona an-tranomaizina i Yousef Al-Haj, iray amin'ireo tonian-dahatsoratry ny gazety.

Bilaogera Iraniana Mankalaza Ny Tsingeritaona Fahaefatra Nisian-dry Zareo

Tiako zaraina aminareo ireo lohahevitra sasantsasany momba ny tantaran'ny bilaoginay. Mazava ho azy fa fomba manokana hijerena ny bilaogy Iraniana izany:

26 Oktobra 2017

Bitsibitsika Afghana (Taliban & Sekoly)

Taliban & Sekoly: Efa mahazatra ny fahitana ireo vehivavy sy tovovavy Afgana iharan'ny herisetran'ny Taliban, izay lavina tamin'izy ireo mihitsy ny zony hianatra. Nanome fahafahana ho an'ny tovovavy hiverina an-tsekoly ny governemantan'ny filoha Karzai saingy mbola miezaka manakana ny antsasaky ny vahoaka Afghana tsy hianatra ny Taliban.

25 Oktobra 2017

Iran: Fihetsiketsehana Noho Ny Fandraràna Gazetiboky Momba Ny Vehivavy

Noraràn'ny governemanta Iraniana roa herinandro lasa izay ny Zanan Magazine (midika hoe "gazetim-behivavy"), taorian'ny 16 taona nivoahany. Tato anatin'ny taona vitsy, nofoanan'ny manampahefana Iraniana ny fahazoan-dalana an'ireo gazety sy gazetiboky marobe, saingy ny fanakatonana an'i Zanan no tena niteraka fanoherana lehibe tao amin'ny firenena sy iraisam-pirenena.

24 Oktobra 2017

Iran: Fipoahana Mifono Mistery Tao Amin'ny Moskea

Tao atsimon'i Iran, nisy fipoahana tao amin'ny moske iray tao an-tanànan'i Shiraz, izay nahafatesana olona 12 raha kely indrindra ary naratra teo amin'ny 200 tamin'ny 12 Aprily. Nanambara ny tranokalam-baovao tsy tena ofisialy an'ny governemanta, Fars, fa noho ny baomba no nahatonga ny fipoahana.

Bilaogera Iraniana Miresaka Momba Ny Andro Manerantany Ho An'ny Vehivavy

Voaràra mafy nandritra ny roa taona farany ny zon'ny vehivavy tao Iran. Nogadraina ireo vehivavy mpikatroka sasany, ary voaràra ny Zanan Magazine, gazetiboky malaza momba ny vehivavy. Maro koa ireo hafa niharan'ny herisetran'ny mpitandro ny filaminana noho ny fomba fiakanjon'izy ireo.

23 Oktobra 2017

Mametra Ny Fivarotana Trano i Shina, Mifanaraka Amin'ny Filàn'ny Vahoaka Ve Izany?

Mba hanakanana ny tsenan'ny tany aman-trano mafapàna loatra, nandràra ny fivarotana indray an'ireo efi-trano mandritra ny roa hatramin'ny dimy taona amin'ny fividianana izany ao amin'ireo tanàna 50 mahery i Shina.

Mpampianatra Ambony Tiorka Notazonin'i Malezia Fa “Nampianatra Fivavahana Tsy Naka Alalana”

Notazonin'ny Departemantan'ny Raharaha Islamika ao amin'ny Faritra Federaly ao Malezia nandritra ny 18 ora ilay  mpanao gazety Tiorka sady mpampianatra ambony Mustafa Akyol, noho izy voalaza fa nampianatra fivavahana tsy nahazo alalana avy amin'ny governemanta.

19 Oktobra 2017

Fizahan-tany, Vietnam Silamo & Bilaogy

IranMehr (Persiana) miresaka momba ny olan'ny indostrian'ny fizahan-tany any Iran. Nanoratra izy na dia eo aza ireo manintona ao amin'ny firenena toy ny tsangambato mana-tantara, ireo tanàna fahiny, sy ny tontolo iainana.