Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Jolay, 2012
Kenya: Fampianarana Taranja “Toraka Lefona” Amin'ny YouTube
Julius Yego, Afrikanina Kenyana tompondaka nasionaly teo amin’ny taranja “javelot na toraka lefona”, no nandresy nandritra ny fifaninanana atletisma tao Finlady tamin’ity herinandro ity. Taorian'ny fampiasany YouTube mba hanatsarany ny fahaiza-manaony sy ny teknika, niakatra 81.12 metatra ny halavirana vitan’i Yego. Bilaogin’ny SportsKenya (Fanatanjahatena Kenya) nandrakitra ny zava-bitan’i Yego: mampandeha irery...
Bahrain: Tsy Mandray Anjara Amin'ny Lalao Olaimpika
Ny zanaka lahin'i Mpanjaka ao Barhain, ny Printsy Nasser Bin Hamad Al Khalifa no mpitarika voalohany momba ny fanatanjahatena ao Bahrain; tsy nofidiana ara-demokratika fa notendrena tahaka ireo fianakaviany, izay eo amin'ny fahefana. Nahazo laza ity tovolahy ity taorian'ny fikomiana tamin'ny 14 Febroary tamin'ny taon-dasa, raha nampijaly mafy ireo mpanao...
Manantena Ny Fandresen'ireo Atleta Valo Solontenany i Panama
Efa vonona i Panama handray anjara amin'ny lalao Olaimpika ao Londres miaraka amin'ireo atleta fito hifaninana amin'ny taranja atletisma, ady totohondry, judo, lomano ary taekwondo. Vitsivitsy ihany ny solontena saingy na dia izany aza, manana fanantenana ny Panamaniana izay mametra ny fahatokisany amin'i Irving Saladino, tompon-daka tamin'ny vikin-davitra (saut en longueur) nandritra...
Arabia Saodita : Nolazaina Fa Mpivaro-tena Ireo Solontena Vehivavy Voalohany Amin'ny Lalao Olaimpika
(Amin'ny teny anglisy sy Arabo avokoa ny rohy rehetra) Atleta vehivavy roa no hisolontena an'i Arabia Saodita mandritra ny lalao Olaimpika 2012 atao any Londres, nanomboka ofisialy omaly izany ( 27 jolay ). Wojdan Shaherkani (judo) sy Sarah Attar ( atletisma) no vehivavy roa voalohany hiaro ny sainam-pirenena, na dia...
Syria: Fampianarana An-tserasera Momba Ny Ady Sy Ny Fampiasana Fitaovam-piadiana
Mitodika amin’ny tranokala momba ny fampianarana ady ireo mpikomy Syriana. Ity no andraikitra farany narakitra tao amin’ny fampahalalam-baovao sosialy, izay efa nahazo hoby lehibe noho ny andraikitra nosahaniny amin’ny fanaparitahana vaovao sy ny fanentanana ny olom-pirenena mandritra ity Lohataona Arabo ity Fantsona YouTube amin’ny anarana hoe FSAHelp (Fanampian'ny Tafika Syriana Afaka) namoaka...
Poerto Riko: Vorona io… Fiaramanidina io… Aslan io!
Malaza amin’ny aterineto sy eny amin’ny rindrina amin’ny anarana hoe Aslan i Enrique “Kike” Arce, iray amin’ireo mpanankanto an-dalambe mitondra zava-baovao ao Poerto Riko. Nanjary fitaovana lehibe amin’ny fampandrosoana ny asany ny fahitana azy ao amin’ny aterineto, indrindra amin’ny firesahana amin’ireo mpanaraka sy mpankafy azy . Mampiaraka ny fitaovana ilaina...
Fanjakan'i Baroa ve i Tonizia?
Mafana tanteraka ny adihevitra nanomboka tamin'ny 19 Jolay raha nosokajian’ i Mahmoud Baroudi, mpikambana ao amin'ny Antenimieram-panorenana (NAC) ho “Filohan'ny Repoblikan’ akondro [Fanjakan'i Baroa] ny filoha vonjimaika Moncef Marzouki. Niteraka savorovoro tanteraka tao anatin'ny Antenimiera izany fanambarana izany. Nangataka tamin'i Baroudi ireo depiote mpikambana ao amin'ny antoko telon'ny firaisan'ny governemanta mba hitsipaka ny fanambarany....
Kolombià: #Yodigoaquiestoy, Fitaovana Hanoherana Ny Fampiasana Ankizy
[Avy ao amin’ny teny Espaniola avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy ny fiovana] Tsy vaovao ny olana amin’ny fampiasana ankizy ao Amerika Latina. Tamin’ny taona 2009, namoaka andian-dahatsoratra momba ny fampiasana ankizy eny amin’ny faritra izahay tato amin’ny Global Voices; vao haingana tamin’ny taona 2011, nikaro-bahaolana ho an’ireo ankizy mpiasa tao...
Azia Atsimo: Fihaonam-be Voalohany Momba Ny Media Sosialy i Pakistana Sy i India
Mafana tanteraka ny andron’ny Zoma sy Asabotsy tao Karachi nandritra ny fihaonam-be Pakistana-India SOCMM12. Nanomboka tamin'ny 9:30 maraina ary nitohy hatramin'ny 5:00 hariva ny fandahara-potoana, nisy ny adiny iray natokana amin'ny fanalàna hetaheta sy ny vavaka, niady hevitra, nifanakalo hevitra ary nandray lesona tamin'ireo mpandrindra ny adihevitra ny mpandray anjara....
Bahrain: Lehilahy Antitra Nosamborin'ny Polisy Satria “Niaro Ireo Vehivavy”
Tsy ilaozan'ny fisamborana ihany koa ny olona antitra mandray anjara amin'ny fihetsiketsehana “tsy nahazoan-dalana” tao Bahrain, fihetsiketsehana tokony hofaizin'ny fanjakana. Araka ny nambaran'ny mpiserasera, lahy antitra roa no voasambotra noho ny “fiarovany ireo vehivavy saiky nosamborin'ny polisy” tao an-tanànan'i Karzakan. Mpanao gazety mpakasary Mazen Mahdi, nitaraina momba ilay fisamborana. Hoy...