Miroso amin'ny fifidianana ifotony i Torkia

Sary avy amin'i Arzu Geybullayeva

Amin'ny 31 martsa, Tiorka an-tapitrisany no handeha handatsa-bato hifidy ben'ny tanànan'ny distrika, ben'ny tanàna metropolitana, antenimieram-paritany, ary solontenan'ny mpiray vohitra amin'ny fifidianana eo an-toerana. Hamolavola ny hoavin'i Torkia, anisan'izany ny toekarena, ny fitantanana ary ny toerana iraisam-pirenena ny voka-pifidianana, indrindra fa any amin'ireo tanàna lehibe indrindra ao amin'ny firenena izay ezahan'ny Antoko Rariny sy Fampandrosoana (AKP) eo amin'ny fitondrana  hahazoany indray ny toerana izay tsy azony tamin'ny taona 2019. Na dia tsy nifaninana aza ny filoha Erdoğan, dia lohalaharana amin'ny fampielezan-kevitry ny antokony. Araka ny nasongadin'ireo manam-pahaizana Tiorka, eo anelanelan'ny fanamafisana ny fitondrana tsy refesi-mandidy mifanandrina amin'ny fanantenan'ny mpanohitra ho safidy azo ampiasaina amin'ny fitondrana mpandala ny nentin-drazana mandritra ny am-polony taona maro ny fifidianana.

Mitodika any Istanbul ny maso rehetra

Istanbul, izay nahazoan'ny antoko mpanohitra Antokom-bahoaka Repoblikana  (CHP) fandresena tamin'ny taona 2019 taorian'ny dimy amby roapolo taona nanjakan'ny AKP, no iray amin'ireo tanàna manan-danja amin'ny fifidianana amin'ity taona ity. Ny fitazonana an'i Istanbul sy ireo tanàndehibe hafa ao Torkia — Ankara, Izmir, ary Antalya — izay nahazoan'ny antoko mpanohitra fandresena tamin'ny fifidianana teo an-toerana teo aloha dia afaka mampitombo ny herin-tsain'ny mpanohitra ao Tiorkia, izay niharan'ny faharesena nandritra ny fifidianana ankapobeny tamin'ny herintaona ary mbola mizarazara hatramin'izay.

“Vonona hahazo an’ Istanbul amin'ny fifidianana eo an-toerana ve ianao,” hoy ny filoha Erdoğan taorian'ny fandresena tamin'ny fifidianana ankapobeny tamin'ny volana Mey 2023. Ho an'ny mpandinika maro, famantarana izany fa ny tanjon'ny filoha manaraka dia ny handresy amin'ny biraon'ny ben'ny tanàna amin'ny fifidianana ho avy eo an-toerana.

Nofaritana ho kapoka lehibe ho an'i Erdoğan ny fahaverezam-pifehezana ny kaominina tao Istanbul tamin'ny taona 2019, satria tao no nanombohany ny asany ara-politika fony izy voafidy ho ben'ny tanàna tamin'ny taona 1994.

Raha ny fitambarany, antoko politika 22 no manana kandidà amin'ny latsa-bato, ankoatra ireo kandidà tsy miankina 27 ho ben'ny tanàna ao Istanbul. Ny vatom-pifidianana ao Istanbul, misy kandidà 49, no manana kandidà be indrindra amin'ireo tanàna rehetra ao amin'ny firenena.

Mitodika any amin'ireo mpifaninana lehibe roa ny maso rehetra: Ekrem İmamoğlu an'ny CHP, izay efa niasa nandritra ny dimy taona, sy Murat Kurum an'ny AKP, minisitry ny tontolo iainana, ny tanàndehibe ary ny fiovan'ny toetr'andro teo aloha.

Samy nampanantena ny hanangana fotodrafitrasa azo antoka amin’ny horohorontany sy hanamaivana ny olan’ny fifamoivoizana naharitra ela tao an-tanàna ny roa tonta.

Tamin'ny taona 2019, taorian'ny nandresen'ny Ekrem İmamoğlu an'ny CHP manoloana an'i Binali Yıldırım an'ny AKP, nanohitra ny vokatra ity farany ity. Tamin'ny fihodinana faharoa, nandresy tamin'ny isa ambony kokoa i İmamoğlu — vato 860.000 eo ho eo raha vato 13.700 ny an'ny andaniny.

Saingy sarotra kokoa ny lalao amin'ity taona ity. Tamin'ny taona 2019, niara-niasa tamin'ny DEM, ny Antokon'ny Fitovian'ny Vahoaka sy ny Demokrasia, na ny DEM (HDP teo aloha, Antoko mpomba ny Kiorda lehibe indrindra ao Tiorkia) sy ny Antoko IYI nasionalista ny mpanohitra, ka nahatonga azy ireo ho toby fanohanana lehibe kokoa ao Ankara sy Istanbul renivohitra. Amin'ity indray mitoraka ity, samy manana ny kandidany manokana amin'ny hazakazaka ny DEM sy ny IYI, izay mety hampihena ny vintana ara-politikan'ny CHP.

Mbola antenaina fa hahazo fandresena any amin'ny faritra be mponina Kiorda any atsimo atsinanan'i Torkia ny DEM. Fanontaniana hafa koa raha afaka mitazona ny toerany izy ireo. Taorian'ny fifidianana teo an-toerana teo aloha, maro tamin'ireo ben'ny tanàna voafidy ara-demokratika tao amin'ny antoko — 58 raha ny marina — no nesorina ary nosoloin'ireo tompon'andraikitra notendren'ny fanjakana momba ny voalaza fa fifandraisan'ilay teo aloha tamin'ireo mpitolona Kiorda mikasika ny Antokon'ny Mpiasa Kiordistana voarara, na ny PKK lazain‘i Torkia sy ny Tandrefana ho vondrona mpampihorohoro.

Miatrika ny mety ho fanakatonana azy ny nialoha ny DEM — ny HDP —  noho ireo voalaza fa fifamatorana mpitolona, izay nolavin'ny antoko mafy. Any am-ponja ihany koa ny mpiara-manorina ny HDP.

Ao anatin'ny hazakazaka ihany koa ny antokom-pinoana mpandala ny nentin-drazana fanasoavana vaovao  (Antoko Yeni Rifah). Milaza ny mpandinika fa mety hampizarazara ny vato azon'ny AKP amin'ireo mpifidy mpandala ny nentin-drazana sy ara-pivavahana diso fanantenana tamin'ny fitantanan'ny filoha Erdoğan (diso) ny toe-karena izany.

Ny CHP no mety hitazona ny seza ben'ny tanàna ao an-tanànan'i Ankara sy Izmir.

Inona no tandindonin-doza?

Ny teboka voalohany amin'ny toe-draharaha dia ny fanovana lalàmpanorenana izay ahafahan'ny filoha am-perinasa Recep Tayyip Erdoğan hijanona eo amin'ny fitondrana, na dia teo aza ny fampanantenana teo aloha fa ity fifidianana ity no farany.

Na dia tsy afaka mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena manaraka amin'ny taona 2028 aza ny filoha, araka ny Lalàmpanorenan'i Torkia, dia misy tranga roa mety hiovan’ izany. Amin'ny tranga voalohany, mila mahazo vato 400 ao amin'ny parlemanta ny filoha Erdoğan sy ny AKP mba hanovàna ny lalàmpanorenana. Misy seza 600 ao amin'ny parlemanta tiorka, na antsoina hoe Antenimieram-pirenena Lehibe. Amin'izao fotoana izao, manana toerana 313 ny AKP sy ny mpiara-dia aminy lehibe indrindra, ny antoko Hetsika Nasionalista (MHP). Araka izany, ny fandrisihana hanitsy lalàmpanorenana amin’ny alalan’ny latsa-bato parlemantera dia miankina betsaka amin’ny fahazoan'ny antoko eo amin’ny fitondrana sy ny Filoham-pirenena fanohanana avy amin'ny solontenan'ny antoko politika hafa.

Amin'ny tranga faharoa, afaka miantso fifidianana mialoha ny parlemanta. Saingy na amin'ity tranga ity aza dia ilaina ny vato parlemantera 360.

Araka ny Lalàmpanorenana, tsy afaka nirotsaka tamin'ny fifidianana tamin'ny volana Mey 2023 ihany koa ny filoha Erdoğan. Saingy nolavin'ny Firaisamben'ny Vahoaka (firaisan'ny antokon'ny fitondrana AKP sy ny MHP nasionalista) izany mialoha ny latsa-bato tamin'ny volana Mey, izay niady hevitra tamin'izany fotoana izany fa tsy ho fe-potoam-piasana fahatelo izany noho ny antony fa ny fe-potoam-piasana voalohany an'i Erdoğan dia talohan’ny fanovana lalàmpanorenana tamin’ny taona 2017 nasolo ny rafi-pitantanana ny firenena. Nifanohitra tamin’izany kosa no nolazain'ny mpahailalànan'ny lalàmpanorenana fa tsy nisy vokany.

“Ny tsingerim-pifidianana ho avy dia manome fahafahana ho an'i Erdoğan hanamafy ny fahefana eo amin'ny sehatra nasionaly sy eo an-toerana – ary hanamafy ny fanjakazany amin'ny rafitra politika Tiorka manontolo mandritra ny taona maro ho avy,” araka ny nosoratan'i Sinan Ciddi, akademika, tao amin'ny tsanganana ho an'ny Politika Ivelany.

Fifidianana (ho amin'ny) fitoviana

Niantehitra mafy tamin'ny fahefany maha filoham-pirenena sy amin'ny andrim-panjakana sy ny fampitam-baovao ny filoha Erdoğan mialoha latsa-bato. Ao amin'ny firenena izay fehezin'ny governemanta ny 90 isanjaton'ny haino aman-jery mahazatra, dia tsy mahagaga raha natokana ho an'ny antoko eo amin'ny fitondrana sy ny kandidàny ny ankamaroan'ny fandaharana mivantana.

Ankoatra izay, mirongatra  ihany koa ny vaovao diso tahaka ny tamin’ny fifidianana tamin’ny herintaona. Tany am-piandohan'ny volana martsa, nisy lahatsary nokirakirain'ny faharanitan-tsaina voatr'olombelona mampiseho ny ben'ny tanànan'i Istanbul am-perinasa midera an'i Erdoğan.

Tamin'ny herintaona, nandritra ny fifidianana ankapobeny, niantehitra tamin'ny lahatsary tahaka izany ihany koa i Erdoğan. Nandritra ny famoriam-bahoaka tao Istabul, raha nijoro teo ambony lampihazo i Erdoğan, nisy lahatsary nalefa tamin'ny efijery lehibe teo anilany mampifandray ny mpifaninana aminy lehibe indrindra amin'ny fifidianana, Kemal Kılıçdaroğlu, avy ao amin'ny Antokon'ny Mpiasa Kiorda nasionalista Kurdistan (PKK). Rehefa nanomboka nandeha ilay lahatsary, dia niresaka tamin'ireo vahoaka mpanohana azy i Erdoğan, “ miara-mandeha amin'ny PKK [izy ireo]. Ianao, olom-pireneko sy eo an-toerana, hifidy azy ireo ve ianao?” Natsikafon’ny mpanamarina ny zava-misy ilay horonan-tsary ary noporofoina fa namboarina ny votoatiny.

Manana tantara lavabe sy tarazo amin'ny fanakanana votoaty na fanakendana fidirana aterineto i Tiorka. Tamin'ny volana Desambra 2023, nametraka fandraràna fidirana amin'ireo mpamatsy VPN miisa 16 ny Manampahefana misahana ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao sy ny Fifandraisana (BTK) — mpanaramaso ny fifandraisandavitra tampony ao Torkia. Nilaza ireo kiady tsy miankina mpanara-maso ny aterineto mpandrakitra ny sivana anjotra nandritra ny taona maro fa tranonkala an'hetsiny no nosakanan'i Torkia. Tamin'ny taona 2023, araka ny tatitra momba ny sivana amin'ny aterineto farany indrindra nataon'ny Fikambanana Media and Law Studies Association (MLSA), fikambanana manome fanampiana ara-pitsarana ho an'ny mpanao gazety sy ny olona miatrika fitsarana amin'ny raharaha fahalalahana maneho hevitra, “fidirana amin'ny anaran-tsehatra farafahakeliny 35.066, lahatsora-baovao 3.196, lahatsoratra amin'ny media sosialy 2.090 ary kaonty media sosialy 184 no voasakana tamin'ny taona 2022.

Nanampy tamin'ny fiarovana an'i “Erdoğan sy ny fitantanan'ny AKP ny firenena nandamòka” ny fahabetsahan'ny fepetra fanarahamaso, hoy i Ciddi.

“Ny tena tandindonin-doza amin'ny 31 martsa dia ny fiafaran'ny rafitra tsy refesi-mandidin'ny governemantan'i Torkia, eo am-pananganana hatramin'ny taona 2017,” hoy ny nosoratan'i Marc Pierini, mpiara-miasa zokiolona ao amin'ny Carnegie Europe, sy Francesco Siccardi, mpandinika fikarohana ambony ao amin'ny Carnegie Europe.

Mikatona ny famoahana hevitra