
Nidina an-dalambe ireo mpanohana CHP an-taoniny taorian'ny fandreseny tsy nampoizina tamin'ny fifidianana tao Torkia. Tambatamba-tsary nataon'i Arzu Geybullayeva
Ho tafiditra tantara ho iray amin'izay tsy ampoizina indrindra ny fifidianana isam-paritra [mg] na ifotony (local) ao Torkia izay natao tamin'ny 31 Marsa. Nanjakazaka ny mpanohitra efa ketraka ao Torkia, tononina eto fa ny Antoko Repoblikana (CHP), tamin'ny zavatra nofariparitan‘ny manam-pahaizana maro ho faharesena ratsy indrindra hatramin'izay nisian'ny antoko Rariny sy Fampandrosoana (AKP) tao anatin'ny 22 taona. Sambany hatramin'ny taona 1977 no nahazo vato betsaka manerana ny firenena ny CHP. Taorian'izay ny mpitarika ny CHP Özgür Özel tamin'ny lahateniny an-dranomaso tamin'ny fahitalavitra, niantso ny fifidianana ho “mana-tantara”. Mpanohana marobe no nidina an-dalambe mba hankalaza ny vokatra manerana an'i Tiorkia.
For the first time since 1977, the CHP is the most popular party in the country, with 43 percent support across the country. pic.twitter.com/5HobyD8Wve
— Gönül Tol (@gonultol) March 31, 2024
Sambany hatramin'ny taona 1977, ny CHP no antoko tiam-bahoaka indrindra ao amin'ny firenena, mahazo fanohanana 43 isanjato manerana ny firenena.
Iray amin'ireo tanàna manan-danja indrindra amin'ity fihazakazahana ity i Istanbul, izay nahazoan'ny CHP fandresena tamin'ny taona 2019. Tamin'izany fotoana izany, nofaritana ho fipoahana (totohondry) goavana azon'ny filoha Recep Tayyip Erdoğan sy ny antokony Rariny sy Fampandrosoana (AKP) ny fahaverezan'ny fifehezana ny kaominin'i Istanbul, satria tao no nanombohany ny asany politika fony izy voafidy ho ben'ny tanàna tao tamin'ny taona 1994. Vao maika nanamafy ity valibontan'ny kinasan'i Erdoğan ity valim-pifidianana nanerana ny firenena omaly ity.
Tonight, #Istanbul has spoken clearly: our collective desire for #democracy shines brighter than ever, marking a pivotal step towards #unity and the end of polarization.
At a time when the world witnesses a retreat from democratic values, our city stands as a beacon of hope and… pic.twitter.com/Z2A9gnfTq6
— Ekrem İmamoğlu (International) (@imamoglu_int) March 31, 2024
Niteny mazava i #Istanbul androany alina: ny faniriantsika iombonana ho amin'ny #democracy mamiratra kokoa noho ny hatramin'izay, izay manamarika dingana lehibe mankany amin'ny #firaisankina sy ny fiafaran'ny fisaraham-bazana.
Amin'ny fotoana izay hitan'izao tontolo izao ny fialana amin'ny soatoavina demaokratika, mijoro ho toy ny fanilo manome fanantenana ny tanànantsika ary…
Ao Ankara renivohitra, nahazo vato 28 isanjato nihoatra noho ny mpifaninana taminy ny ben'ny tanànan'ny CHP am-perinasa, Mansur Yavaş. Tao Izmir, tanàna fahatelo lehibe indrindra ao Torkia, nahazo isa 11 mialoha ny kandidàn'ny antokon'ny fitondrana ny kandidàn'ny mpanohitra Cemil Tugar.
Na aiza na aiza manerana ny firenena, araka ny firotsahan'ny voka-pifidianana, nivadika mena tsikelikely ny sarintany satria maro tamin'ireo faritany notarihan'ny AKP teo aloha no nampiseho fandresena ho an'ireo kandidàn'ny antoko mpanohitra.
last time center left CHP led the polls in Turkey was in 1977
now in 2024, 47 years later, CHP is back on top, time for change… pic.twitter.com/4CqSHgEbU7— Ulas Doga Eralp (@UlasDogaEralp) April 1, 2024
Tamin'ny taona 1977 no fotoana farany nitarihan'ny afovoany ankavia CHP ny isam-bato farany
Amin'izao izao taona 2024 izao, 47 taona aty aoriana, tafaverina eo amin'ny toerany ny CHP, fotoanan'ny fanovana…
Look at this map. What a change since 2019. A political Tsunami has swept through Türkiye. Takeaways:
1. Erdogan failed to get the economy back on track despite his promises
2. CHP inspired people
3. Democracy is still & kicking & will prevailpic.twitter.com/JvTGZ4MHyP— Amanda Paul 🇺🇦 (@amandajanepaul) April 1, 2024
Jereo ity sarintany ity. Fiovana toy inona moa izany hatramin'ny taona 2019. Nisy tsunami ara-politika nanerana an'i Türkiye. Tsoakevitra:
1. Tsy nahavita nanarina ny toe-karena i Erdogan na dia teo aza ny fampanantenany
2. nanome ainga olona ny CHP
3. Mbola & manao ny demaokrasia ary hanjaka
Araka ny filazan'i Gönül Tol, Talen'ny Ivotoerana Fandaharanasa Tiorka ao amin'ny Afovoany Atsinanana, “nisongadina” ny fiovana, satria “tsy voafetra ho any amin'ny faritra amorontsiraka ny CHP mpanohitra fa niitatra hatrany Anatolia, ilay foiben'ny fandalàna ny nentin-drazana/nasionalista ao amin'ny firenena”.
Raha atambatra, nandresy tamin’ny faritany 35 tamin’ny 81 ny mpanohitra. Ny faritany sisa nizara ho an'ny AKP (faritany 24), Antoko Fitovian'ny Vahoaka sy Demaokrasia (DEM, faritany 10), Antoko Hetsika Nasionalista (MHP, faritany 8), Antoko Fifanampiana Vaovao (faritany roa), ary Iyi Antoko (antoko tsara, faritany iray). Amin'ny mpifidy enina tapitrisa eo ho eo, tombanana ho mihoatra ny 78 isanjato manerana ny faritany 81 ao amin'ny firenena ny taham-pahavitrihana tamin'ny fotoana nanoratana ity tantara ity, ary saika voaisa avokoa ny vatom-pifidianana. Tamin’ny fifidianana kaominaly teo aloha dia 84,5 isan-jato ny taham-pahavitrihana. Any Torkia, ambony hatrany ny taham-pahavitrihan'ny mpifidy fa eo anelanelan'ny 70 sy 90 isan-jato.
Nanova ny zotra politika mialoha ny fifidianana ankapobeny hotanterahina amin'ny taona 2028 ihany koa io fandresena io. Nisy ny nihevitra fa hanisy fanovana amin'ny lalàmpanorenana ny AKP ahafahan'ny filoha am-perinasa Erdoğan hijanona eo amin'ny fitondrana, na dia eo aza ny fampanantenana teo aloha [mg] nataony fa ireo fifidianana ireo no farany.
Na dia tsy afaka mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena manaraka amin'ny 2028 aza ny filoha, araka ny Lalàmpanorenan'i Torkia, dia misy tranga roa mety hanova izany. Amin'ny tranga voalohany, mila mahazo vato 400 ao amin'ny parlemanta i Erdoğan sy ny AKP hanovàna ny lalàmpanorenana. Misy toerana 600 ny parlemanta ao Torkia, ny Antenimieram-pirenena Lehibe. Amin'izao fotoana izao, manana toerana 313 ny AKP sy ny mpiara-dia aminy lehibe indrindra, ny Antoko Hetsika Nationalista (MHP). Araka izany, miankina betsaka amin'ny fanohanana azon'ny antoko eo amin'ny fitondrana sy ny Filoham-pirenena avy amin'ny solontenan'ny antoko politika hafa ny tosika hanitsy lalàmpanorenana avy amin'ny latsa-bato parlemantera.
Amin'ny tranga faharoa, afaka miantso fifidianana mialoha ny parlemanta. Saingy ilaina ny vato parlemantera 360 na dia amin'ity tranga ity aza .
Mety haato ireo drafitra ireo amin'izao voka-pifidianana izao .
Nitombo ihany koa ny isan'ny vehivavy ben'ny tanàna na dia mbola kely aza, niakatra avy amin'ny efatra mankany amin'ny 11. Tany Bilecik, renivohitry ny faritanin'ny Faritanin'i Bilecik any Torkia, any avaratrandrefan'i Anatolia, Nahazo indray ny fandresena ihany koa i Melek Mızrak Subaşı izay nampitovian'olona [mg] tamin'i Daenerys Targaryen, ilay lalaovina fototra ao amin'ny andian-tantara fanta-daza nosoratan'i George R. R. Martin, A Song of Ice and Fire [Hiran'ny ranomandry sy afo]— izay navadika ho andian-tantara nandanian'ny HBO volabe Game of Thrones tatỳ aoriana.
Nahitana herisetra ihany koa ny fifidianana. Farafahakeliny olona iray no maty ary 11 no naratra tao an-tanànan'i Diyarbakir, ary enina ambin'ny folo no naratra tao amin'ny faritanin'i Sanliurfa, araka ny tatitry ny fampitam-baovao.
Fanakianana an'i Erdoğan
Raha vao nirotsaka tsikelikely ny vokatra, iray amin'ireo fanontaniana noresahina be dia be ny karazana voka-pifidianana ho hitan'i Torkia raha toa ka kandidà mpanohitra hafa no nifaninana tamin'ny filoha Erdoğan.
Nasehon’ny voka-pifidianana ifotony ihany koa fa tsy mitovy ny fandresen-dahatra manetsika ny olona amin’ny fifidianana ifotony sy ny fifidianana ankapobeny. Nisy lanjany ny krizy ara-toekarena mbola mitohy ao Torkia, very 40 isanjaton'ny sandany tamin'ny herintaona ny volan'ny firenena ary maherin'ny 80 isanjato tao anatin'ny dimy taona farany, ary nametraka ny tsiny tamin'ny fitondrana ny mpifidy tamin'ny fifidianana ifotony. Tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny Reuters, nilaza i Hakan Akbaş, mpanolotsaina ambony ao amin'ny Albright Stonebridge Group, hoe: “Ny toe-karena no kasinga nanapahan-kevitra. Nitaky fiovana ny vahoaka Tiorka ary i İmamoğlu izao no zary fahavalon'ny filoha Erdoğan.”
Vokatra iray hafa tsy nampoizina ny avy amin'ny Yeniden Refah (Antoko Vaovao Fifanampiana [na fanasoavana]), antoko ara-pivavahana mandala ny nentin-drazana izay noheverin'ny manam-pahaizana fa mety hampizarazara ny vaton'ny AKP amin'ireo mpifidy mpandala ny nentin-drazana sy ara-pivavahana diso fanantenana tamin'ny safidy ara-toekarenan'i Erdoğan. Tonga fahatelo izy io tamin'ny hazakazaka taorian'ny AKP (ary) nahazo nihoatra ny enina isanjaton'ny vato.
Tamin'ny kabariny an-davarangana misasakalina, tsy dia nampisaratsaraka toy ny mahazatra ny tenin'i Erdoğan, naneho ny fankasitrahany ny kandidàn'ny antokony rehetra sy ny vahoaka. Nambarany ihany koa fa hanitsy ny lesoka ny antoko mialoha ny fifidianana 2028. Tsy toy ny tamin'ny fifidianana kaominaly teo aloha tamin'ny taona 2019, tsy nanohitra ny voka-pifidianana ihany koa ny antoko eo amin'ny fitondrana, ary nilaza i Erdoğan fa manaiky ny fanapahan-kevitry ny vahoaka izy sy ny antokony. Tamin'ny taona 2019 manko, taorian'ny nandresen'ny Ekrem İmamoğlu an'ny CHP manoloana an'i Binali Yıldırım avy amin'ny AKP, dia nanohitra ny vokatra ity farany. Rehefa naverina ny fifidianana dia nandresy tamin'ny isa ambony kokoa i İmamoğlu — vato 860.000 teo ho eo manoloana ny vato 13.700.
Tamin'ny nifidianana azy indray, mazava ny lalan’i İmamoğlu ho mpitarika ny CHP mpanohitra ary ho kandidà amin'ny hazakazaka ho filoham-pirenena manaraka. Araka ny filazan'i Sinan Ülgen, talen'ny fiheveran-draharaha Edam miorina ao Istanbul, “Azo antoka fa (tso-d)rano ho an'i İmamoğlu io vokatra io. Izy no miharihary ho kandidàn'ny mpanohitra amin'ny amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena.” Ho hita eo na hahomby i İmamoğlu na tsia, indrindra fa mbola miatrika fiampangana fanevatevana mpiasam-panjakana izy tamin'ny lahateny nataony taorian'ny fandreseny ho ben'ny tanànan'i Istanbul tamin'ny taona 2019. Tsy maintsy manamafy ny didim-pitsarana ny fitsarana ambony, saingy mandra-pahatonga izany dia mijanona ho ben'ny tanànan'i Istanbul i İmamoğlu.
Tsara ho marihina ihany koa fa nalalaka ny fifidianana ireo fa tsy ara-drariny. Talohan'ny latsa-bato, niantehitra mafy tamin'ny fahefany maha filoham-pirenena sy ny andrim-panjakana ary ny fampitam-baovao i Erdoğan. Ao amin'ny firenena iray izay fehezin'ny governemanta ny 90 isanjaton'ny fampitam-baovao nentim-paharazana, tsy mahagaga raha natokana ho an'ny antoko eo amin'ny fitondrana sy ny kandidàny ny ankamaroan'ny ora amin'ny fampielezam-peo. Be dia be ny fandisoam-baovao, tahaka izay nitranga nandritra ny fifidianana tamin'ny herintaona. Tamin'ny Desambra 2023[mg] , nametraka fandraràna amin'ny fidirana amin'ireo mpamatsy VPN miisa 16 ny Fahefana Misahana ny Teknolojiam-baovao sy ny Fifandraisana (BTK), masoivohon'ny fifandraisandavitra ambony ao Tiorkia. Nanatri-maso ny fihemorana amin’ny zon’olombelona, ny demôkrasia, ny fahaleovantena ara-pitsarana, ary ny fanjakana tan-dalàna ihany koa ny firenena.