Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Marsa, 2023
Mitady fiaraha-miasa hanampy amin'ny fiarovana ny haran-dranomasina i Trinidad & Tobago
Niara-niasa tamin'ny governemanta, ny sehatra tsy miankina sy ny fikambanana mifototra amin'ny vondrom-piarahamonina ny Ivontoerana momba ny raharaha an-dranomasina ao Trinidad sy Tobago vao haingana mba hanamafisana ny fahaizany amin'ny fanarenana ireo haran-dranomasina sy ahi-maitso an-dranomasina noho ny fiovaovan'ny toetr'andro.
Tahaka ny ahoana ny fanimban'ireo mpandoto rindrina avy amin'ny fanjakana ao Vietnam ny fahalalaham-pitenenana sy ny demaokrasia
"Manentana ny Meta izahay mba hanara-maso ireo fitoriana rehetra amin'ny pejin'ny ONG-FTMF zon'olombelona toa an'i Viet Tan mba hialana amin'ny fandriky ny mpandoto-rindrina."
Takian'ireo feo ao Pasifika ny hihetsehana maika momba ny toetrandro maneran-tany
Hetsika maromaro manasongadina tantara, fitantarana, ary fampisehoana zavakanto izay manambara ny antson'ireo firenena nosy Pasifika amin'ny hetsika eran-tany mivaingana kokoa hampihenana ny famoahana etona mangeja hafanana
Ambara ny fijoroan'ny “Mpiandraikitra ny fanangonam-baovaon'ny Vondrom-piarahamonina,” andraikitra vaovao hanasongadinana ny vaovaom-piarahamonina GV
Hiara-hiasa amin'ny vondrom-piarahamonina GV ny "Mpiandraikitra ny fanangonam-baovaon'ny vondrom-piarahamonina" vaovao mba hanasongadinana ireo hetsika sy zava-bitantsika maro mifandraika amin'ny GV.
Miditra an-tsehatra eo amin'ny tontolo politika ny vehivavy eto Afrika
Ahitana vehivavy 12 izay efa filoham-panjakana na filoha ankehitriny ny kaontinanta Afrikana. Mampiseho ny fiovana goavana izany na dia mbola vitsy an'isa amin'ny politika aza izy ireo.
Fandinihana avy amin'ny am-pielezana Iraniana: Hatezerana amin'ny ‘Iran Lobby’
Niteraka fanakianana teo amin'ny hetsi-panoherana ao Iran ny “Iran Lobby”, teny iray entina ilazana ireo manohana ny Repoblika Islamika sy ny politikany
Mitombo hatrany ny fahatezerana raha namely an'i Torkia ny horohoron-tany roa hafa
Nitondra izany tao amin'ny Twitter ny Tiorka miantso ny fanjakana mba handefa tranolay bebe kokoa sady manontany ihany koa hoe aiza ny vola voaangona hatramin'ny horohorontany farany roa herinandro lasa izay.
Fanapoizinana sy fandroahana ao Paragoay ataon'ny indostrian'ny hena ao Eoropa
Mivarotra hena vokarina tamin'ny saozaha voarohirohy tamin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Paragoay ny McDonald's, KFC, sy ny Carrefour.