Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Mey, 2014
Fianarana Mandritra Ny Fialantsasatry ny Fahavaratra: Hoavy Ny MOOCs
Lisitr'ireo fampianarana MOOCs (efa nanomboka vao haingana) sy mbola hoavy - fampianarana misokatra hoan'ny rehetra ao amin'ny aterineto mikasika ny teknolojia vaovao, ny famoronana sy ny fampitam-baovao an'olo-tsotra mandritra ny fialan-tsasatry ny fahavaratra.
Ry Mpiserasera Rosiana, Manara-maso Ny Karatra Nomerika Solom-bolanao i Putin
Nosavain'ny Komity mpanao famotorana ny biraon'ny Yandex.Money, fitaovana malaza solom-bola miara-miasa amina orinasan'ny mili-pikarohana goavana ao Rosia,
Zon'ny Mpamorona Creative Commons 101 : Mampiasa Izany Araka Ny Tokony Ho Izy Ve Ianao?
Mampiasa ny sary Creative Commons avy aminao araka ny tokony izy ve ianao? Sary Creative Commons maherin'ny 90% no mbola tsy manan-tompo mihitsy! Indro ny fanazavana an-tsary mba mahatonga anao haharaka ny vanim-potoana.
“Quand le village se réveille”: Bilaogin-Kolontsaina Maliana Vaovao
"Quand le village se réveille": Tetikasa vaovao hanangonana sy hizarana ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao nentim-paharazana ao ambanivohitry Mali, ary mba hampielezana ny fidirana aterineto eny amin'ny faritra ambanivohitra ihany koa.
Chile: Manao Fihetsiketsehana Sy Mitaky Fanavaozana Ny Fampianarana Ny Mpianatra
Notontosaina tamin'ny 8 Mey 2014 tao amin'ny faritra maromaro tao Chile ny diaben'ny mpianatra hoan'ny fampianarana maimai-poana, izay nahitana fandraisana anjara mavitrika. Saingy maloky ny fanakorontanana izany.
Mpianatra Nahita “Momie” Nandritra Ny Fikarohana Nataon'Izy Ireo Tao Amorontsirak'i Chile
Nahita karaña ireo mpianatra avy ao amin'ny Akademian'ny Arkeolojia ao amin'ny Sekoly Amerikana iray raha hijery izay sisa tavela taorian'ny hovitrovitry ny tany tamin'ny volana Avrily tao Avaratr'i Chile .
Fampitovian-danja Ny Hafainganana Sy Ny Fahamarinam-Baovao Hisorohana Ny Vaovao Diso Ao Amin'ny Media Sosialy
Ny Checkdesk dia tetikasa fanamarinam-baovao avy ao amin'ny media sosialy. Miara-miasa amin'ireo firenena manerantany miteny Arabo, manampy ireo trano fanoratan-gazety hanamarina ny tatitrany amin'ny alalan'ny fanamarinana ifarimbonan'ny besinimaro ity habaka fikarohana loharanom-baovao misokatra hoan'ny rehetra ity.
Notapenam-Bava Ny Gazeti-boky Antseraseran'i Yoani Sánchez Ao Kioba
Raha nikaroka ny rohy URL www.14ymedio.com ireo mponina ao amin'ny nosy, habaka milaza hoe "Yoani$landia.com» no hitan'izy ireo
India: Mandrakitra An-tsarintany Ny Herisetra An-dalambe sy Mampiroborobo Tanàna Milamina
Ny Safecity dia tolotra fandraketana an-tsarintany ny herisetra sy ny fanararaotana eny imasom-bahoaka ao India, ahafahan'ireo mpiserasera mitatitra (tsy mitonona anarana) ny zava-misy ao anatin'ny 2 minitra.
Mpikanto Mampiranty An-tsary Ny Hanin'Ireo Iraniana Te-Hody An-Tanindrazana
Iraniana marobe monina any ivelany (am-pielezana) no nahatsiaro ny tanindrazany izay tsy hahafahany miverina mody noho ny tahotry ny fanenjehana. Ka ny mahatsiaro ny firenena niaviany hatrany an-tany lavitra amin'ny alalan'ny fampirantiana sary sisa no hany nataon'izy ireo