Malagasy citizen, Bachelor of Communication and law masters'degree. I have many years of experience in seo writing, editing and translating. Particularly interested in free expression, education, journalism, social media, human right and international relation. Follow me on my twitter @mammysou. You can visit my blog in french language Info-plaisir and my blog in my native language Mamy ny soa.
Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Febroary, 2012
Meksika: Vondrona Mitady Olom-pirenena Tsy Miankina Hirotsaka Hofidiana Ao Amin'ny Kongresy
Ankehitriny, ao Meksika, mila miditra amin'ny antoko politika ianao vao afaka mirotsaka hofidiana ao amin'ny Kongresy. Nentina nandresen-dahatra hatrany fa manome vahana ny kilasy politika mitady ny tombotsoan'ny antokony manokana amin'ny fanaovana ampihimamba ny fahefana izany rafitra izany. Volana vitsivitsy lasa izay, vondrona olom-pirenena no nanosika ny fanovana mafonja amin'ny demokrasia Meksikana,...
Bolivia: Mitaky Fanatsarana Ny Fikarakarana Azy Ny Olona Manana Fahasembanana
Efa ho 100 andro izao, nanao diabe niainga avy teny amin'ny lemaka atsinanana hizotra ho any amin'ny Foiben'ny Governemanta, miorina 3600 metatra ambonin'ny ranomasina, ny vondron'olona manana fahasembanana hitaky fanampiana ara-bola 3000 Bolivianos (434 US dollars eo ho eo) isan-taona farafahakeliny.
Togo : Manery an'i Faure Gnassingbé Ny Fikambanana Miaro ny Zon'olombelona
Fanindroany tamin'ity taona 2012 ity indray, naneho ny tsy fifaliany ny Fikambanana Mpiaro ny zon'Olombelona manoloana ny toe-draharaha sosio-politika ao amin'ny firenena. Tamin'ny 11 febroary farany teo, nanao diabe tao amin'ny presidansa ao Lomé ny tompon'andraikitra ao amin'ny ODDH, ny mpitolona sy ny mpanohana.
Rosia: Tatitra An-tsary Ataon'ny Bilaogera Sy Eritreritra Manoloana Ny Hetsika Ataon'Ireo Mpomba an'i Putin ao Moskoa”
Tamin'ny 23 Febroary lasa teo, folo andro alohan'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 4 Martsa, nanao lahateny ho an'ireo vahoaka an'arivony tao amin'ny stady Luzhniki ao Moskoa ny Praiminisitra Rosiana Vladimir Putin . Nanatrika ny hetsika tamin'ny 23 Febroary ihany koa ny mpamahana bolongana sasantsasany monina ao Moskoa. Ireto ambany ireto ny fantin-tsary nalain'izy ireo sy ny fijerin'izy ireo izany, ahitana fanamarihana vitsivitsy avy amin'ny mpihaino izany.
Trinite & Tobago: Nandray Anjara Tamin'ny Fetibe ny Mpamahana Bolongana
Androany ny Talatan'ny Fetibe ao Trinite sy Tobago ka mpamahana bolongana maro no mandray anjara amin'izany fetibe izany, nahavita namoaka sary nandritra ny fanatrehany izany Fetibe 2012 izany…ny sasany amin'izy ireo At the drop of a Heartbeat nandefa sary sasany misy ireo hetsika lehibe nandritra ny Fetibe Alatsinainy sy Talata : Globewriter vao...
Etazonia: Asiana Indray Ny Kolontsain'ny Mpifindra Monina
Niteraka fahatafintohinana ny fanapahan-kevitra hanaisotra ny tetikasa fampianarana Meksikana-Amerikana, izay efa napetraka tao amin'ny sekolim-panjakana ao an-tanànan'i Tucson, ao Arizona, tamin'ny taona 1998. Ho an'ny maro an'isa, ny fanesorana ny tetikasa sy ny fandraofana an-keriny ireo boky toy izao dia mampiseho mazava ny fomba konservativa tafahoatra, izay manohintohina ny harena ara-kolotsaina sy...
Indray Andro Eto An-tany: Fiaraha-mijery Ireo Horonan-tsary Niarahan'Izao Tontolo Izao Naka
Ny horonantsary Indray Andro Eto An-tany dia fiaraha-mientan'olona avy amin'ny vazantany efatra noraketina nandritra ny andro iray ka ny 10 Oktobra 2010 izany ka maharitra 3000 ora mahery no voaangona, izay mahatalanjona ny fahasamihafan'ny karazany, ny adiady, ny voina, ary ny fandresena izay niseho tamin'izany andro iray izany. Amin'ny (faha 22...
Espaina: Herisetran'ny Polisy Manoloana Ny Mpianatra Ao Valencia
Nanao hetsim-panoherana ireo mpianatra tao amin'ny sekoly ambaratonga faharoa IES (Instituto de Educación Secundaria) Luis Vives ao Valencia (#IESLluisVives) noho ny fampihenana ny fandaniana hampiharin'ny Minisitera ny fampianarana, satria voatery hitondra bodofotsy ao an-tsekoly izy ireo noho ny tsy fisian'ny hafanana na ny fahatapahan'ny milina famanàna. Araka izany, maro ireo trangana fifanandrinana niseho tao...
Espaina: “Manana Fitadidiana Izahay, Mila Ny Rariny Izahay”
Mpitsara manana ny lazany ao Espaina, Baltasar Garzón, no voampanga ary voarara tsy hanao ny asany mandritra ny 11 taona noho ny fanomezany baiko ny fametrahana tsy ara-dalàna fitaovam-pandraisam-peo tao am-ponja mba hihainoana ireo resaka ifanaovan'ny voafonja sy ny mpisolovavany tamin'ny raharaha Gürtel. Raharaha mikasika ny fanodinkodinam-bolam-panjakana izay niafara tamin'ny fandroahana mpikambana am-polony...
Syria: Noafahana i Razan Ghazzawi sy ireo Vehivavy Mpiara-miasa Aminy
Noafahana niaraka tamin'ireo vehivavy mpiara-miasa aminy ilay mpamahana bolongana Syriana sy mpitolona ho amin'ny fanehoan-kevitra an-kalalahana, Razan Ghazzawi tamin'ny Asabotsy teo. Avy amin'ny rahavavin'i Razan izany vaovao izany, izay ni-tweet tamin'ny hariva: @NadineGhazzawi: Ato an-trano ny rahavaviko:) saingy tsy afaka mandao ny firenena intsony izy…tsy navelan'izy ireo izy. Amin'izao fotoana anoratana...