Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Jona, 2012
Shina: Noteren'ireo Mpiasam-panjakana Mpanao Kolikoly Hanala Zaza Nefa Efa Tara Loatra
Nieli-patrana manerana ny fampahalalam-baovao sosialy sy ny sehatra fitorahana bilaogy kiritika ka niteraka fenehoan-kevitra an-katezerana ny sarinà vehivavy iray tao amin’ny faritanin’i Ankang Shaanxi, ao Shina noterena hanala zaza tamin’ny fotoana efa tara. Mpitranga matetika ny karazan-javatra toy izao saingy tsy vitan’ny lalàna sinoa ny manafay ireny fihetsika ireny. Izany no antony mahatonga ireo mpanankarena mandao an’i Shina.
Espaina: Nitory ny Banky Bankia Ireo Tafintohina
[Amin’ny teny espanola avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy ny fiovana] Vitany ihany nony farany , haingana tsy araka ny nanampoizana azy. Nametraka fitoriana tao amin’ny Audiencia Nacional ao Madrid...
Tonizia: Niparitaka Ny Laza Adina Bakaloreà
Naneho ny fahatezerany ny mpiserasra noho ny fiparitahan’ny laza adina Arabo amin’ny fanadinana bakaloreà nasionaly. Nivezivezy tao amin’ny Facebook sy Twitter ny filazana fa nametra-pialana ny minisitry ny fampianarana saingy...
Oman: Mitohy Ny Fanenjehana Mpikatroka Ny Zon'olombelona
Iray amin'ireo firenena tsy dia mahasarika loatra ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena sy ny fikambanana samihafa i Oman. Hatramin'ny niandohan'ilay antsoina hoe “Lohataona Arabo” tamin'ny taona 2011, nanjakan’ny fihetsiketsehana marobe mitaky fanovana...
Alemaina: Hetsika Fanoherana ny ACTA ao Berlin – Fanairana ny Mpanao Politika, Fampatsiahivina Ho An'ny Mpiserasera
"Aza adinoina ny manohitra ny ACTA" – tamin'izany teny vazivazy kely avy amin'ny mpikarakara ny hetsika fanoherana-ny ACTA izany no namaranana ny hetsika notontosaina tamin'ny 9 Jiona 2012, tao Berlin. Nitatitra i Kasia Odrozek.
Kamerona: Vinavina Fampandrosoana Ny Herinaratra Amin'ny Taona 2035
Fitantarana manokana ataonay momba ny Fifandraisana Iraisam-pirenena sy ny Fiarovana ity lahatsoratra ity. Taorian'ny nahavoafidy azy indray tamin'ny Novambra 2011, nanambara ny filoham-pirenena Kameroney Paul Biya fa ho lasa “toeran'ny fanaovazana goavana”...
Iran: Nodimandry Tao Los Angeles Ilay Mpihira Pop Nandritra Ny Taompolo 1970 Toofan Ataee Nalaza
Toofan, mpanakanto malaza tamin'ny taona 1970, fantatra matetika amin'ny anarana hoe 2Fun, Iraniana monina ao Los Angeles no namoy ny ainy tamin'ny Talata. Naneho ny alahelony tao amin'ny tambazotra sosialy ny Iraniana.
Ejipta: Dokam-pitsikilovana Tsy Mampino Avy Amin'ny Fahefana Miaramila
Namoaka dokambarotra ny fahitalavi-panjakana ao Ejypta, izay mampitandrina ny Ejypsiana tsy hiresaka amin'ny vahiny sy ny mpitsikilo. Naneho hevitra momba izany dokambarotra izany ny mpiserasera, tamin'ny fomba feno esoeso, ahiahy.
Ejipta: Voatafika Ny Diabe Mitaky Ny Hamaranana Ny Fanohintohinana Ara-Pananahana
Nampalahelo fa notafihana andian-dehilahy teo amin'ny Kianja Tahrir ny diabe mitaky ny hampitsaharana ny fanafintohinana [fikitikitihana tsy mahazo alalana] ny vehivavy tamin'ny 8 jona 2012. Mitantara ny zavamisy ao amin'ny Twitter ny nanatri-maso.
Korea Atsimo: Nohamafisin'ny Fitsarana ny Didy Fandraràna Boky “Manakorontana” Eo Amin'ny Tafika
Nankatoavin'ny fitsarana ny fandraràn'ny minisiteran'ny Fiarovana mikasika ny fivezivezen'ny boky ao amin'ny tafika, boky voalaza fa “manakorontana”, izay miteraka tahotra eo amin'ireo Koreana ny amin'ny fahafahan'izy ireo maneho hevitra. Tsy...