Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Septambra, 2015
Toy Izao No Niseho Rehefa Nisy Nandevim-Belona Tao Ambanin'ny Tany Ny Alika Bevohoka Iray Tao Voronezh
Rehefa tsy namaly ny antso vonjy ny manampahefana ao an-toerana, nanapa-kevitra handray andraikitra ireo mpanofa maromaro tamin'ny Alakamisy 24 Septambra, ka nanala ireo biriky sy nandavaka ny tany misy ilay biby voalevim-belona, izay hita fa bevohoka.
#PinjraTod Manome Feo Ho An'ireo Vehivavy Indiana Leo Ny Fitsipika Henjana Mifehy Ny Tranon'ny Vehivavy Mpianatra Ao Amin'ny Oniversite
"Ny mazava amin'ireo tantara rehetra ireo dia tokony holavina amin'ny fomba rehetra ireo fitsipika mamepetra sy ny fiarovana ny fanjakazakan-dehilahy iorenan'izany."
‘Miaraka Amin'ny Fanohanan'ny Tompo': Hoy Ny Fampielezan-Kevitra Iray Tao Amin'ny Firenena Sovietika Taloha Hany Manaja ny Demaokrasia
Manaporofo ny fampielezan-kevitra alohan'ny fifidianana parlemantera amin'ny 4 Oktobra ao Kyrgyzstan fa fandraharahana maloto ny demaokrasia.
Antson'ny Mpikatroka Hampitsaharana ny Ady An-trano Naharitra 60 Taona Ao Myanmar
Nankalaza ny Andro Iraisampirenena ho An'ny Fandriampahalemana ny vondrona isan-karazany ao Myanmar tamin'ny alalan'ny diabe tao an-drenivohitra teo aloha Yangon tamin'ny 21 Septambra, mitaky ny famotsorana ireo gadra politika sy ny famahana ny olan'ny ady an-trano naharitra dimampolo taona mahery tao amin'ny firenena.
“Eto Izahay Manohana Anao”: Holandey Mandray Mpitsoa-ponenana
Nitambatra ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny Gara Afovoany ao Amsterdam mba handray sy hanohana ny fahatongavan'ny mpitsoa-ponenana. "Ny tsy nampoiziko hoy i Faten Busheri nanoratra dia ireo tantara nolazain'izy ireo tamiko."
“Nandositra” Ny Mpandraharaha Ambony Iray Ao Hong Kong. Manontany Ny Mpiserasera Shinoa hoe, Nahoana Kosa Izy No Tsy Tokony Handositra?
Tamin'ny lahatsoratra izay voafafa avy hatrany, nanaratsy an'i Li Ka Shing noho izy namindra ny fandraharahanany ivelan'i Hong Kong sy Shina tanibe ny mpandini-draharaha'ny governemanta Shinoa.
Mandray Anjara Goavana Amin'ny Fampianarana Ao Japana Ny Sakafo Atoandro Any An-tsekoly
Nanatontsa lahatsary fampahafantarana manome fomba fijery lehibe mikasika ny maha-zava-dehibe ny sakafo atoandro any an-tsekoly amin'ny fianarana any amin'ny sekoly Japoney ny Cafeteria Culture (CafCu) (Kolontsaina Hotely Fisakafoanana).
Tsy Irery Ireo Bilaogeran'ny Zone9: Mpiserasera Ethiopiana Maro Ihany Koa No Voampanga Amin'ny Fampihorohoroana
Maro be ireo bilaogera Ethiopiana, mpikatroka antserasera sy mpanao politika izay mbola tsy ao anaty sarintany ny anaran'izy ireo. Ankoatra ny raharaha malaza Zone 9 Bloggers, misy ihany koa ireo tanora hafa marobe miatrika fiampangana mitovy amin'izany.
Netizen Report: Miteraka Fitiavana Sy Fankahalana Amin'ny Aterineto Ny Krizin'ny Mpitsoa-ponenana
Ao Hongria, Serbia sy Alemaina, nandray fepetra tamin'ny fanomezana finday, fahana, sy fidirana amin'ny Wifi ho an'ireo mpitsoa-ponenana ny mpilatsaka an-tsitrapo ao an-toerana.
Miharatsy Kokoa Ny Mahazo Ny Vondrona Mpanohana Ny Tanora LGBT Malaza Indrindra Ao Rosia
Nanome baiko ny Vkontakte - tambajotra sosialy malaza indrindra ao amin'ny firenena mba hanakatona ny kaontin'ny Ankizy-404 ao amin'ny habaka, miaraka amin'ny kaontin'ireo vondrona LGBT efatra hafa ny sampam-panjakana mpanara-maso ny fampitam-baovao ao Rosia, Roskomnadzor .