Maherifo tsy fantatry ny besinimaro ao Kyrgyzstan mahazo fankasitrahana amin'ny alalan'ny zavakanto an-dalambe

Iray amin'ireo mozaika efatra napetraka tao Bishkek mampiseho an'i Ainura Isaeva mpiasan'ny orinasa Shoro. Pikantsary avy amin'ny lahatsary “Мозаики из пластиковых крышек появились в Бишкеке” tao amin'ny fantsona Youtube an'i Kaktus Media. Fampiasana ara-drariny.

Tamin'ny faran'ny volana martsa, nisy vondrona mpikatroka tontolo iainana, mpanao gazety ary mpanakanto tao Kyrgyzstan nampiseho zava-kanto an-dalambe efatra vaovao tao Bishkek renivohitra. Vita amin'ny sarona tavoahangy plastika miisa 42.500 nampiasaina indray izy ireo ary natokana ho an'ireo olo-malaza izay mbola tsy fantatra ny anjara birikiny mitoetra amin'ny sehatra samihafa.

Ahitana an'i Ainura Sagyn, mpiara-manorina ny fikambanana ara-tontolo iainana “Tazar,” Dimitri Petrovsky, mpanakanto ao amin'ny Tarika Ara-java-kanto Doxa, ary ilay mpanao gazety Rakhat Asangulova ireo ekipa ao ambadik'ity tetikasa ity, izay antsoina hoe “Kadam” (Dingana). Nandany telo ka hatramin'ny efatra herinandro isaky ny fananganana i Petrovsky, izay nahitana fandokoan-tsary tamin'ny alalan'ny fametahana sarona tavoahangy amin'ny takelaka alucobond, takelaka vita amin'ny alominiôma, ary avy eo napetany teo amin'ny rindrina amin'ny faritra samihafa ao an-tanàna.

Ity misy lahatsary YouTube momba ny tetikasa Kadam.

Ny mozaika voalohany dia mampiseho an'i Ulan Zhaparov, mpanakanto sady mpanao mari-trano izay nanampy tamin'ny fanovana an'i Bishkek ho iray amin'ireo ivon'ny zavakanto maoderina ao Azia Afovoany. Mpisava lalana amin'ny zavakanto ankehitriny ao Kyrgyzstan i Zhaparov. Nikarakara hetsika ara-javakanto maro izy nandritra ny asany ary nanohana mpanakanto am-polony sy ny fampivoarana tetikasa marolafy nanomboka hatramin'ny fiandohan'ny andian-taona 1990s. Nanatrika ny fampisehoana ny mozaikany i Zhaparov, ary nilaza fa faly izy fa “hitoetra ao an-tanàna ny marikany”.

Ny mozaika faharoa dia mampiseho an'i Zhibek Karakeeva, sekreteram-pifandraisana amin'ny gazety taloha tao amin'ny servisy monisipalin'ny Bishkek “Tazalyk” (Fahadiovana), tompon'andraikitra amin'ny fitandroana ny fahadiovana sy ny filaminan'ny tanàna. Karakeeva kosa nomena anarana ho nanova ny fomba fijerin'ny besinimaro ny mpiasan'ny Tazalyk tamin'ny alalan'ny famoahany ny tantaran-dry zareo, nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny asan-dry zareo, ary mameno ny.

Ity misy lahatsoratra ao amin'ny Instagram miaraka amin'ireo fametrahana zavakanto efatra.

 

Посмотреть эту публикацию в Instagram

 

Публикация от Sergei Keller, Dimitri Petrovsky, Marcel Sinnwell (@doxa_kg)

Ny mozaika fahatelo dia mampiseho an'i Avaz Momunaliev, mpandefa sarimihetsika, izay hany mpiasa sisa tavela tao amin'ny Trano Sinema ao Kyrgyzstan, taorian'ny nandaozan'ny rehetra azy io tany am-piandohan'andian-taona 1990s. Nijanona tao i Momunaliev, na dia nijanona tsy nahazo famatsiam-bola aza ny fikambanana ary nidiran-trosa. Hatramin'ny taona 1999, nipetraka tao amin'ny Trano Sinema izy ary niaro ny fitaovana amin'ny sarimihetsika amin'ny mpandroba. Rehefa nanomboka niasa indray ny Tranon'ny Sinema, dia nanohy [nandefa] sarimihetsika tamin'ny fandefasan-tsarimihetsika navotany i Momunaliev, ary niasa tao mandra-pahafatiny tamin'ny taona 2023.

Ny mozaika fahefatra dia mampiseho an'i Ainura Isaeva, ilay antsoina hoe “Shoro ejeshka”  (Nenitoa Shoro), izay nivarotra zava-pisotro nasionaly Kyrgyz novokarin'ny orinasa Shoro nandritra ny 28 taona teny an-dalamben'i Bishkek, ka nahatonga azy ho mpiasa ela niasana indrindra tao amin'ny orinasa. Ampifandraisin'ny mponin'i Bishkek amin'ny fahatongavan'ny lohataona ao an-tanàna ireo mpiasan'ny Shoro toa an'i Isaeva, satria manomboka mivarotra zava-pisotro eny an-dalambe izy ireo rehefa mafana ny andro.

Nanamarika ny solontenan'ny orinasa Shoro, izay nanohana ara-bola ny tetikasa fa “mety mijanona ho fako amin'ny tanana sasany ny fako, fa amin'ny hafa kosa mety ho lasa aingam-panahy hamoronana zavatra tsara tarehy.”

Ny tetikasa Kadam no ohatra amin'ny fandraisana andraikitra ataon'ny tsirairay liana amin'ny fitondrana fanovana ara-tsosialy amin'ny alalan'ny famoronana. Ankoatra ny fampisongadinana ireo mahery fo tsy mitonona anarana ao Bishkek, dia mitondra ny olan'ny fitomboan'ny fako sy ny filàna tokony hanodinana azy amin'ny alalan'ny fampisehoana ny fomba azo ampiasana azy hamoronana zavakanto izany.

Malaza amin'ny famoronana zava-kanto an-dalambe maro i Petrovsky, izay misarika ny saina amin'ireo lohahevitra lehibe ao amin'ny fiarahamonina Kyrgyz, toy ny herisetra mifototra amin'ny mahalahy sy vavy sy ny fampiasaina indray ny fako. Ho an'i Sagyn, fotoana iray ny tetikasa hampiroboroboana ny Tazar, fikambanana iray manabe ny olom-pirenena amin'ny tokony hanavahana ny fako, manangona akora azo ahodina indray, ary mandefa azy ireo ho ahodina. Mikasa ny hamorona mozaika enina amin'ny fampiasana sarona tavoahangy any amin'ireo faritany sisa ao Kyrgyzstan ny ekipa. Hampahafantatra ny vahoaka Kyrgyzstaney tsy mbola fantatra kanefa manan-danja ny asany nandritra ny androm-piainany amin'ireo mpiray tanindrazana aminy ihany koa izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.