Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Febroary, 2016
Mpilatro Tsetsenina Nahazo Tsikera Noho Ny Fiarahamiasany Amin'ny Pelaka

Mpilatro maro no manonofy mba halaina sary ho an'ny Dolce & Gabbana. Tanteraka ny nofinofin'i Ilona Bisultanova, 17 taona tamin'ny volana lasa, raha nokaramaina halaina sary miaraka amin'ny fehin-doha vaovao namboarin'i Stefano Gabbana izy saingy tsy tsara ny tohin'izany tao amin'ny aterineto avy eo.
Mpanoratra Ejipsiana, Ahmed Naji Voasazy Higadra Roa Taona Noho Ny Tantarany “Ara-nofo Mibaribary”

Nahazo sazy roa taona an-tranomaizina ilay Ejipsiana mpanoratra tantara, Ahmed Naji noho ny famoahana toko misy tantara "ahitana vetaveta mivandravandra" tao anaty gazetiboky.
Nahoana No Voaraoka Tao Amin'ny Lalana Quilca Ireo Mpivaro-boky ao Lima?
Voaraoka ireo mpivaro-boky marobe nibodo ny lalana Quilca feno olona lalandava ary mbola tsy fantatra mazava izay hanaovana ny toerana sy ny hiafaran'ireo mpivarotra.
Bilaogy LGBT Iray Naato Fa Niresaka Tobin'Asa An-terivozona Tao Kiobà Nandritra Ny Taompolo 1960

"Nihevitra aho fa olana ara-teknika izany...tsy fantatro hoe nahoana no 'manala-baraka ny Revolisiona izany,' araka ny nambaran'ny didim-pitsarana taminay." hoy ny bilaogy voasivana.
Fantaro I Fish, Mponina Ao Amin'ny Tobim-Pialokalofana Lehibe Indrindra Eto An-Tany
Rehefa 23 taona tao amin'ny tobin'i Dadaab, dia nandositra tao i Abdullah "Fish" Hassan noho ny herisetra, saingy mbola mpialokaloka ao ny zananivavy.
Nanohitra Ny Fisamborana Ilay Ejipsiana Malaza Mpanao Sariitatra Islam Gawish Ireo Mpampihomehy Amin'ny Eso

Notanana nandritra ny fotoana fohy ilay Ejipsiana mpanao sariitatra Islam Gawish noho ny fitantanana tranonkala tsy misy fahazoan-dalana sy fanaovana sariitatra ara-politika." Navotsotra izy taorian'ny fanoherana goavana tao amin'ny media sosialy.
Ambin-tsakafo Tsy Nohanina Mandritra ny Lanonana Ao Arzantina Alaina Hozaraina Indray
Nanomboka ny tetikasa Lovia Feno raha nahita ireo mpinamana roa fa maro loatra ireo sakafo tsy nohanina mandritra ny lanonana no ariana any amin'ny fanariam-pako. Ka nanapa-kevitra hanavotray ireo sakafo ireo izy ireo mba hizara izany any amin'ny fikambanana samihafa.
Tovolahy Namono Tena Rehefa Avy Nataon'ny Polisy Famotorana Tao Singapaoro
Hitanay fa fahadalàna izany hoe araha-maso mafy amin'ny fankatsary fiarovana maro ny toeram-bahoaka, kanefa tsy mba ahitana fakantsary kosa ny efitra famotorana isian'ny mangarahara amin'ny paikam-pamotorana, izay mety ilaina amin'ny tranga tahaka izao.
Dingana Voalohany Fandraisana Anjara Amin'ny Tetikasam-Pikarohana: Teny Teratany sy Media Nomerika

Faly ny Rising Voices manambara ny fisian'ny tetikasa fikarohana ifarimbonana izay mijery ny andraikitra sy ny fanamby amin'ny fampiasana ny teknolojia media nomerika mba hamelomana ny teny indizeny ao Amerika Latina.
Na Ny Japoney Aza Nandoka Ilay Tantara Miaina Mampihomehy Nanaovana Ny Fintin'ny Tantaram-Pireneny
Nalaza tamin'ny aterineto ny lahatsarin'i Bill Wurtz miresaka tantaran'i Japana, nahazo mpijery an-tapitrisany tao anatin'ny herinandro monja.