Malagasy citizen, Bachelor of Communication and law masters'degree. I have many years of experience in seo writing, editing and translating. Particularly interested in free expression, education, journalism, social media, human right and international relation. Follow me on my twitter @mammysou. You can visit my blog in french language Info-plaisir and my blog in my native language Mamy ny soa.
Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Desambra, 2011
Singapore: Todran-drano, sa Rano Mihandrona?
Tamin'ny 23 Desambra 2011, orambe matevina no niteraka fiakaran-drano vetivety tao amin'ny faritra maro ao Singapour, voakasik'izany ny magazay mpivarotra fehikibo be olona ao amin'ny Lalana Orchard sy ny manodidina azy. Tsy zava-nitranga nahasosotra na hoe tsy nampoizina anefa izany, satria efa niseho izay tranga izany tamin'ny volana Jiona 2010....
Etiopia: Voasazy Higadra 11 Taona An-tranomaizina Ireo Mpanao Gazety Soedoà
Namoaka didy ny fitsarana Etiopiana tamin'ny Talata 27 Desambra 2011 teo fa sazy 11 taona an-tranomaizina no azon'i Martin Schibbye sy Johan Persson, mpanao gazety Soedoà voarohirohy ho nanohana ny tafika mpikomy tao amin'ny firenena. Fohy kokoa ny sazy azo raha toa ka 15 taona no tokony ho izy farafahakeliny, efa...
Tanzania: Manentana An-tserasera Mba Hanampiana Ny Tra-boina Ny Tanora ao Dar
Nanentana ireo tsara sitrapo Ao Dar es Salaam ny vondrona tanora mpiserasera mba hanatevin-daharana amin'ny famonjena ireo olona niharam-boina taorian'ilay tondra-drano nahazo ny faritra midadasika ao Dar es Salaam, izay niteraka fahafatesana olona maro sy fahasimban'ny foto-drafitrasa. Mampiasa ny tenifotra #Darfloods ireo mpisera Twitter amin'ny fampitana vaovao amin'ny olona ary manentana hatrany amin'ny fandraisana...
Shina: Voadaroka Ilay Mpilalao sarimihetsika Christian Bale Raha Nikasa Hamangy An'i Chen Guangcheng
Taorian'ny 48 ora nitondrana fiara avy any Beijing, toerana nanaovany fanentanana ilay horonan-tsarimihetsika The Flowers of War notontosainy, voadaroka ilay mpilalao horonan-tsarimihetsika Britanika Christian Bale tamin'ny 15 Desambra 2011, raha nikasa hamangy ilay mpiaro ny zon'olombelona nogadraina Chen Guangcheng. Niaraka tamin'i Bale ireo mpanao gazetin'ny CNN raha nikasa hiditra ao anatin'ilay tanàna...
Tohano Ny Global Voices
Taona mahatalanjona ny taona 2011 ho an'ny fampahalalam-baovao an-tserasera. Teo foana ny Global Voices nitatitra ireo revolisiona niseho, ny fihonganan'ny didy jadona, sy ny fiantraikan'ny fikorontanana nateraky ny fihetsiketseham-bahoaka mbamin'ny fikomiana notaterin'ny mpanoratra tato aminay manerana izao tontolo izao tany amin'ny firenena sy tanàna maro. Mba hanamarihana ity taona nampientanentana...
Iran: Mpiasa Tsy Nahazo Karama Nitoraka Kiraro Ny Filoha Ahmadinejad
Mpamaha bolongana marobe no naneso ilay vaovao mikasika ny Filohan'i Iran Mahmoud Ahamadinejad, kinendrin'ilay mpitoraka kiraro tezitra mafy, nandritra ny kabary nataony tao avaratr'i Sari, tamin'ny 12 desambra 2011. Tsy nahavoa ilay toraka kiraron'ilay mpiasa mpanenon-damba teo aloha, antsoina hoe Rashid S., nitangorona teo aminy ireo mpanatrika tao ary nively azy mandrapaha-tongan'ny mpitandro...
Rosia : Fihetsiketsehana Tamin'ny 10 Desambra tao Vladivostok
Mbola mahabe adihevitra hatrany ao Rosia ny fifidianana solombavambahoaka vao haingana sy ny vokam-pifidianana izay fantatra fa nisy hosoka. Na dia teo aza ny filazana ireo hosoka sy hala-bato niseho nandritra ny fifidianana , dia afaka naneho ny heviny ny olom-pirenena Rosiana. Tamin'ireo Birao fandatsaham-bato 4 amin'ireo 5 ao Vladivostok,...
Lahatsary: Mamaly ny Media Amin'ny Alalan'ny Webcam i Afovoany Atsinanana
Maneho hevitra Amin'ny Fahitalavitra ao Moyen Orient (Talk Back TV Middle East), fomba iray ahafahan'ny olona ao Moyen-Orient sy Afrika Avaratra mamaly sy maneho hevitra ao amin'ny fahitalavim-panjakana voafehy sy amin'ny fampahalalam-baovao mampiasa webcam sy solosaina fotsiny. Nohazavaina tato amin'ny maneho hevitra amin'ny tranokala (talk back website ny fandehan'izany: Mahita zavatra...
Pero: Lahatsary Ahitana ny Fihetsiketseham-panoherana ny Fitrandrahana, Andiany I
Fihetsiketsehana vao haingana manohitra ny fahapotehan'ny tontolo iainana noho ny fitrandrahanana harena an-kibon'ny tany ao Però no nitarika ny fampiasana fitaovam-pahalalam-baovao marobe, tamin'ny alalan'ny fanentanana sy famoahana lahatsary nalain'ny olom-pirenena nandritra ny hetsika, ahitana ny fahamaizana niseho sy ny sisa maro hafa izany. Manampy amin'ny fahazoana mazava tsara ny zava-misy mikasika...
Iran: Aiza ny Mpiara-mianatra Amiko?
Maro ireo seza banga ao amin'ny oniversite ao Iran, sezan'ireo mpianatra izay tsy hita popoka ankehitriny. Tsy afaka nandia ny fianarana ny sasany noho ny resa-pinoana, toy ny mpikambana ao amin'ny finoana vitsy an'isa, Baha'i izay enjehina, ny hafa kosa nogadraina noho ny fanaovana politika, novonoina teny an-dalana, na noterena handao an'i...