Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Janoary, 2022
COVID-19 : Tsy ho sitrana amin'ny fampiasana fanafody ratsy izany ianao
Tatitra fiarahamiasa vaovao miezaka manambatra ireo "faktiora tsy hita" avy amin'ny famahana ny COVID-19 tohanan'ny IFI, mandrakitra ireo lesoka maro, ary mametraka fanontaniana manakiana momba ny famahana ny areti-mifindra misy ankehitriny.
Mizara tantara momba ny fomba nahafahan'izy ireo tafavoaka velona tamin'ny fipoahan'ny volkano sy ny tsunami ny mponina ao Tonga
"Toy ny tsapako hoe nisokatra ny lanitra ary nipoaka tao anatin'ny sofiko izao tontolo izao. Tsy mbola nandre feo mahery vaika nandritra ny androm-piainako aho."
Hitan'ny kiadin'ny aterineto misy lesoka ny fanafenan-tsoratry ny fampihatra tsy maintsy apetraka amin'ny lalao olaimpika shinoa
Takiana ireo atleta, mpanao gazety ary ireo mpanatrika ny Olaimpika Ririnina any Beijing rehetra mba hampiasa ny fampiharana My2022 kanefa mety ho voasintona antenatenan-dalana ny angon-drakitra nomena tamin'ny alalan'ny fampiharana.
Fatiantoka ho an'i Wisconsin ny fahazoan'i Lagos fiaran-dalamby
Nanakatona ny fifanenjehana ara-politika ifanaovan'ny Demaokraty sy ny Repoblikana any Wisconsin ny fividianan'ny Fanjakan'i Lagos ao Nizeria ny lamasinina tsy nampiasaina nandritra ny folo taona.
Fientanentanana, ahiahy momba ny fiarandalamby vaovao indrindra ao Japana
Manontany ny vahoaka hoe tena ilaina ve ny zotra vaovao shinkansen Kyushu Andrefana, izay manasarotra ny fandehanana any amin'ny faritra sasany ary vita amin'ny ampahany fotsiny.
Iray andro dia rava ny anganom-pahamarinan-toeran'i Kazakhstan, mitaintaina ny mpifanolo-bodirindrina aminy
Andro iray, nandroaka ny governemantany i Kazakhstan, nanakatona ny aterineto, ary nametraka tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina tao amin'ny firenena. Nanimba sy niditra an-keriny tao amin'ny tranoben'ny governemanta ny vahoaka ary koa tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Almaty mihitsy aza.
Aiza ilay Qatari mpiaro ny zon'olombelona Noof Al-Maadeed?
Nandositra nankany Angletera ho fiarovana ny ainy manoloana ny rainy, niverina an-tanindrazana tao Doha izy rehefa nahazo antoka tamin'ny manampahefana Qatari fa ho arovana. Nanjavona izy andro vitsy taorian'izay.