Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Mey, 2023
Voampanga ho nanaparitaka vaovao diso ireo mpanohitra ara-politika any Kazakhstan
Mampiseho ny tsy fisalasalan'ny governemanta Kazakh amin'ny fanararaotana ny lalànany manokana, izay lazaina fa natao hiarovana ny olom-pirenena ireo tranga telo ireo, kanefa natao ho an'ny tombontsoany manokana mba hanakanana ny tsy fitovian-kevitra sy hitazonana ny fifehezana ny fitantarana.
Manao vazivazy hahazoana fanohanana amin'ny Instagram ofisialy ny mpandray anjara amin'ny Eurovision ao Moldavia
Pasha Parfeni, mpihira Moldavy izay voafidy nandritra ny fihodinana nasionaly handray anjara amin'ny Eurovision amin'ity taona ity, namoaka ny sarin'ny fiarany izay tiany ho amidy.
Nofoanana ny fihetsiketsehana Fetin'ny Asa tao Hong Kong taorian'ny fanjavonan'ny mpikarakara
Tamin'ny herinandro lasa teo, nohadihadiana ireo mpikarakara famoriam-bahoaka momba ny toerana nahazoan'izy ireo famatsiam-bola hanaovana fihetsiketsehana sy ny fomba hiambenan'izy ireo manoloana ireo vondrona mahery setra “mipiraty” ny diabe.
Fandinihana avy amin'ny am-pielezana Iraniana: Hatezerana amin'ny ‘Iran Lobby’ Fizarana faha-2
Nahitana porofo ny fifandraisan'ny NIAC sy ny mpanorina azy, Trista Parsi, amin'ny ezaka fandresen-dahatra (lobbying) ho an'ny fitondrana Iraniana, anisan'izany ny mailaka anatiny, ny didim-pitsarana, ary ny fiampangan'ireo Iraniana mpanohitra.
Mpihira nahazo sazy an-tranomaizina henjana noho ny fandoroana ny biraon'ny miaramila ao Rosia
Na dia manohana na mangina momba ny ady aza ireo mpiangaly mozika hafa sasany avy amin'ny "taranaka taloha (antitra)" ao amin'ny klioba rock Urals, dia manohitra kosa ireo tanora mpiangaly mozika avy ao Urals.
Manamafy ny fiaretany ny Okrainiana ary mampiely hehy anaty sary-sy-soratry ny fotoan'ny ady
"Rehefa mifanandrify ny hetahetam-po, ny hevitra sy ny soatoavin'ny olona maromaro, dia mamorona meme izy ireo. Matetika zavatra mahafinaritra, mahatehotia, mampahazo aina, mampahatsiahy ny fahazazana izay mety hampionona, farafaharatsiny mandritra ny fotoana fohy izany."