Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Novambra, 2018
Taorian'ny fanafihana mihoson-drà nihatra tamin'ilay mpitarika mpanohitra, maneho tahotra mankany amin'ny fasisma ny fitsikerana ny fitondrana Serba
Hiady isika mba hiantohana an'i Serbia tsy hijanona ho firenena feno akanjo mihoso-drà, na firenena handatsahana ny ràn'ireo izay tsy mitovy hevitra amin'ny fitondrana . "
Fitsidihana ny bilaogy manerantany Talata
Mahmood of Mahmood's Den manambara fa tsy ny handray ny torolàlana avy amin'ny Reporters sans frontières ho an'ny aterineto maimaim-poana ihany no ataony fa handika izany amin'ny teny arabo koa izy, ary handefa azy ireo any amin'ny mpikambana ao amin'ny parlemanta.
Adihevitra momba ny fifanarahana nokleary India-Etazonia
Nandritra ny volana vitsy lasa izay dia nisy adihevitra mafana tao India momba ny fifanarahana nokleary nataony tamin'i Etazonia. Vahaolana iray nanaovan'ny Praiminisitra Manmohan Singh fandresen-dahatra mafy izany ary niezaka ny hahazo fifanarahana ara-politika.
#QanoonSabKayLiye: Hetsika amin'ny media sosialy mampiroborobo ny fanentanana momba ny lalàna ao Pakistan
Andianà lahatsoratra Facebook sy Twitter manazava ny zo sy ny adidin'ny olom-pirenena ao amin'ny Lalàmpanorenan'i Pakistana ny fanentanana #QanoonSabKayLiye. Tafiditra ao anatin'ny fanentanana ny lalàna mifandraika amin'ny fanambadiana, ny fanorisorenana ara-nofo, ny fifamoivoizana, ny kolikoly sns.
Lahatsary: Mihatsara hatrany ny toe-draharaha iainan'ireo tanora pelaka
Natombok'i Dan Savage ho toy ny fomba hanakanana ny tovolahy pelaka tsy hamono tena ny tetikasa It Gets Better, amin'ny alàlan'ny lahatsary manazava ny mety ho fiainan'ny olon-dehibe pelaka: tsara kokoa. Ary avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao, mizara ny tantarany ihany koa ny olon-kafa.
Singapaoro, Malezia: Mahathir Mohamad sa i Lee Kuan Yew
Tamin'ny alàlan'ny bilaoginy, dia namaly ny fanehoan-kevitry ny Praiminisitra Singapaoreana teo aloha Lee Kuan Yew ny Praiminisitra Maleziana teo aloha Dr. Mahathir Mohamad mikasika ny fifandraisana ara-poko sy ny 'fanavakavahana ara-politika' any Malezia.
Pakistana: Karatra mandiso fanantenana
Noresahana betsaka ny tantaran'ny tsy fahaizana mitantana ireo fanomezana nangonina ho an'ny fanampiana ireo tra-boina ny tondra-drano tany Pakistana. Tsy izay ihany, fa nampametra-panontaniana ihany koa ny fomba fizarana ireo fanampiana sy ny fampiasana ireo vola tamin'ny tanjona hafa.
Malezia: Orinasa roa voatonona ao amin'ny antontan-taratasy Wikileaks tafaporitsaka
Ny famoahan'ny Wikileaks ny "telegrama diplaomatika" Amerikana mahakasika ireo orinasa Maleziana roa izay voalaza fa nandray anjara tamin'ny tambajotra fehezin'i Iran mba hividianana teknolojia balafomanga avy any Shina 'saingy tsy niteraka resabe teo amin'ireo olom-pirenena, fa niteraka fifantohana bebe kokoa amin'ny raharaha anatiny.
Malezia: Tokony hofoanan'ny sekoly ve ny fanadinana?
Volana vitsy lasa izay, nanambara ny mety hisian'ny fitsapam-pahaizana eny an-tsekoly ny Praiminisitra lefitra sady Minisitry ny Fampianarana ao Malezia, Muhyiddin Yassin, mba hanoloana ny fomba mifantoka amin'ny fanadinana ankehitriny amin'ny alàlan'ny fanafoanana ny UPSR (Fanadinana eny amin'ny Sekoly fanabeazana fototra) sy ny PMR (Sertifikàn'ny fampianarana fototra).
Misy zavatra ampahibemaso bebe kokoa noho nyTwitter ve?
Inona ny fitsipika amin'ny famoahana sioka tsy nahazoan-dalana? Amin'ireo mpiserasera an-tapitrisany, hitan'ny olon-drehetra ve ny zavatra rehetra lazaintsika ao amin'ny Twitter?