Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Avrily, 2014
Bilaogy Bus: Kaonferansy Ny Media Mandehandeha Ao Palestina
Ny Bilaogy Bus dia tetikasa natokana hamondronana ireo bilaogera, mpikatroka, olo-tsotra manoratra an-gazety, mpanoratra mba hitatitra ireo karazana olana ao Palestina amin' ny alalan'ny fandehanana amin'ny fiaram-pitaterana.
Raha Handalo Aty Madagasikara Ianao
Anisan'ny olana hatrehina ny fitateram-bahoaka eto Madagasikara. Efa antitra sy tsy misy fivoarana intsony ny foto-drafitrasan'ny lalana ato amin'ny firenena ka ny fiara fitateram-bahoaka "lehibe" sy "salantsalany" feno olona no tena miasa sisa.
SARIPIKA: Fihetsiketsehan'ny Mpianatra Iraniana Nandritra Ny Kabarin'ireo Politisiana Mpandala Ny Mahazatra
Nihiaka teny filamatra manohana an'i Hussein Mousavi sy Mehdi Karroubi, lehiben'ny hetsika Maintso manohana ny demaokrasia ireo mpianatra ao amin'ny Oniversite Amirkabir, ao Iran.
Mirohotra ao Kamerona Ny Olona Mba Hijery Ny Fisehoan'i Jesoa
Mbola miandry foana ny handefasana Selfie miaraka amin'i Jesoa avy ao Odza aho
Niharan'ny Fandrahonana Ny Mpanohitra Alzeriana Taorian'ny Fifidianana Filoham-pirenena
Nanome alalana an'ny filoha Abdelaziz Bouteflika, izay efa teo amin'ny fitondrana hatramin'ny 1999 hofidiana filoham-pirenena indray ny fanovana ny lalàmpanorenana.
Nolavin'ny Fitsarana Shinoa Ny Fitoriana Mikasika Ny Loton-drano Ao Lanzhou
Nolavin'ny fitsarana Shinoa ny fitoriana ilay orinasa mpamatsy rano ao Lanzhou izay napetrak'ireo mponina miisa dimy noho ny fisiana benzène miteraka homamiadana tafahoatra amin'ny rano amin'ny paompy.
Misaona An'i Gabriel García Márquez, ilay “Mazisianin'ny Voambolana” i Bangladesh
Tsia, tsy hitomany aho. Satria mino aho fa ho velona farafahakeliny mandritra ny zato taona eo izy miaraka amin'ireo voambolana manako fitiavana, nahoana aho no hitomany ny fahalasanany? Avelao hanjaka am-pontsika tsikelikely ny fitiavany sy ny nofinofiny.
Be Loatra Hoan'ny Praiminisitra Aostraliana Iray Ny Divay Iray Tavoahangy
Nitarika fialàn'ny Praiminisitra Barry O'Farrell ny fanomezany divay lafo vidy mitentina 2800 dolara Amerikana
Ray Syriana Iray Miantso Ny Raharaham-bahiny Britanika Hampihaona Ny Zananilahy Aminy
Niditra Twitter i Wael Zain, Syriana monina sy miasa ao London mba hisarika ny saina manoloana ny mahazo ny zananilahy dimy taona, Maudh, izay mizaka ny zom-pirenena britanika ary tafahitsoka ao Syria nandritra ny telo taona.
Veloma Farany Hoan'ilay Mpihira Salsa Poerto Rikana Cheo Feliciano
Misaona ny fahaverezana tampoka ny iray amin'ny mpihira salsa lehibe indrindra hatramin'izay hatramin'izay ny tontolon'ny mozika.