Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Oktobra, 2014
Nankato Ny Fitovian-jo Amin'ny Fanambadiana i Taiwan, An'Aliny Ireo Nanatrika Ny Diabem-pireharehana
Misoritra amin'ny tavan'ireo mpandray anjara tamin'ny Diabem-pireharehan'ny LGBT ao Taiwan ny Fanantenana, nahitana pelaka roa mifankatia miandrnadra fatratra hifanambady.
GV Face: Mandositra Ady Ireo Mpitady Fialokalofana Mba Hiatrika Ny Herisetra Politika Ao Eoropa Sy Aostralia
Araka ny filazan'ny UNHCR, 612.700 ny isan'ireo nangataka fialokalofana tao Amerika Avaratra, Eoropa, Azia Atsinanana sy Pasifika tamin'ny taon-dasa - tarehimarika ambony indrindra hatramin'ny taona 2001.
‘Ny Fomba Fitantara sy ny Media Ho Amin'ny Tontolo Tsara Kokoa': Zaikaben'ny Media Manova 2014 Ao DC
Hiresaka fomba fitantara, famoronana ifarimbonana, teknolojia vaovao, orinasa sy fivelomana maharitra, ny mahasoa sy ny mahasalama, ny saripka, ny horonantsari-mihetsika sy ny mozika, ny asa fanoratan-gazety, ohatra amin'ireo lohahevitra maro hodinihana, ireo mpandray anjara amin'ny TMSummit.
Fantaro Ireo Olon-tsotra Roa Mpampita Vaovao Ao Amin'ny “Voices of Hope” (Feon'ny Fanantenana)
Fantaro i Twinkle sy i Eric John, roa amin'ireo olon-tsotra mpampita vaovao mandray anjara amin'ny tetikasa Voices of Hope ao Estancia, IloIlo, Filipina.
Lahatsary YouTube Mampihetsi-po Manome Fitenenana Hoan'ny Olon-tsotra Iraniana
Inona no mampatahotra indrindra ny Iraniana? Manontany an'io amin'ny Iraniana eny an-dalambe ao Tehran ilay mpanatontosa horonantsarimihetsika.
Fisantaran'Andraikitra An-tserasera 3 Handrisihana ny Mpifidy Handray Anjara Amin'ny Fifidianana 2014 Ao Tonizia
Nandatsa-bato ny Toniziana tamin'ny Alahady mba hifidy solombavambahoaka. Afaka mandinika tsara izay hofidiany ny olom-pirenena ao amin'ny aterineto ary mijery izany mpanao politika milaza ny marina na azo itokisana.
GV Face: Hifidy Sa Tsy Hifidy? Feo Avy Amin'ny Toniziana Mikasika Ny Fifidianana 2014
Kandidà maherin'ny 9000 avy amin'ny antoko maherin'ny 100 no mifaninana amin'ny fifidianana ao Tonizia
Vonona Handany Ny Lalàna Miady Amin'ny Pelaka i Kyrgyzstan
Nandany ny lalàna manasazy ireo izay maneho "fihetsika mankatò ny fiarahana ara-nofo tsy nentim-paharazana" ny mpanao lalàna ao Kyrgyzstan tamin'ny 15 Oktobra. Nandritra ny fandinihana voalohany ny volavolan-dalàna, solombavambahoaka 79 no nankatò ny volavolan-dalàna, ary fito monja no nitsipaka izany.
Fifaninanana An-tsoratra GV: Ahoana Ny Fiantraikan'ny Politikan'ny Aterineto Ao Amin'ny Fiarahamonina Misy Anao?
Manasa ireo mpikambana sy mpiara-miasa rehetra ny Global Voices mba hanoratra sy handefa famelabelarana an-tsoratra manazava ny fiantraikan'ny politikan'ny Aterineto eo amin'ny olom-pirenena ao amin'ny firenena na faritra manokana eo amin'izao tontolo izao.
GV Face: Resadresaka Miaraka Amin'ilay Mpikatroka Tsy Tian'i Bahrain Hifampiresaka Amintsika
Miditra amin'ny taona fahatelo amin'ny fangejany ny fitroaram-bahoaka i Bahrain.