Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Desambra, 2013
Nalaina An-keriny Tamin'ny Herintaona, Manasongadina Ny Fanitsakitsahana Ny Zon'Olombelona Ao Laos Ny Raharahan'i Sombath Somphone
Mbola tsy hita izay misy an'i Sombath Somphone, mpitantana fikambanana tsy miankina sady mpampianatra, izay nalaina an-keriny tamin'ny taon-dasa tao Laos. Manasongadina ireo fanjavonana noterena hafa ao Laos ity raharaha ity
SARIPIKA: Rotaka Voalohany tao Singapore Tao Anatin'ny 40 Taona
Manasongadina ny fifandirana eo amin'ny mponina ao an-toerana sy ireo mpiasa vahiny tsy mitsaha-mitombo ny rotaka voalohany tao Singapour tao anatin'izay 40 taona izay.
Mety Hanakatona Ireo Habaka Mamoaka Vaovao Momba Ny Famoriam-bahoaka Tsy Nahazoan-dalana Ny Governemanta Rosiana
Hifidy lalàna manome fahefana ny biraon'ny Mpampanòa lalàna hanakatona izay habaka mampiantrano vaovao mandrisika ny vahoaka hanatrika fihetsiketsehana tsy nahazoan-dalana ny parlemanta rosiana
Mpanohitra Politika Saodina Karavasiana, Didy Navoakan'ny Mpitsara
Nosaziana higadra efa-taona an-tranomaizina sy kapoka karavazy 300 noho ny fikatrohany milamina ilay Saodiana mpikatroka ny zon'olombelona al-Saed nandritra ny fotoam-pitsarana miafina.
#52ThingsAboutTanzania Ho Fankalazàna ny Faha-52 Taonan'ny Fahaleovantena
Nankalaza ny faha-52 taonan'ny fahaleovantenany ny firenena Tanzaniana tamin'ny 9 Desambra 2013. Natomboka tamin'ny teny ifankafantarana #52ThingsAboutTanzania ny fankalazàna izany mba hizarana ireo zavatra sy olo-malaza ao amin'ny firenena
Antso Hanaovana Tolo-kevitra – Famatsiam-bola Fanavaozana Ny Tranombokim-Bahoaka EIFL
Asaina ny tranom-bokim-panjakana sy ny tranom-bokim-piarahamonina ao amin'ny firenena an-dalam-pandrosoana na efa miarin-doha ara-toekarana mba hisoratra anarana amin'ny Antso hanao volavolan-Tetikasa Mitondra Hevi-baovao hoan'ny Tranom-bokim-panjakana (EIFL-PLIP).
Lahatsary: “Aoka Izay: Tantaran'ny Revolisiona” Any Syria
" Aoka izay: Tantaran'ny Revolisiona" dia horonantsary fanadihadiana maharitra 15 minitra mikasika ny ady ao Syria, izay nanomboka tamin'ny gidragidra ary niafara tamin'ny fanantenana "
Na Handrotsaka Na Hanakana Ny Fanambadian'ny Mitovy Fananahana i Kroasia
Tamin'ny 1 Desambra 2013, nandeha nifidy tamin'ny fitsapan-kevi-bahoaka izay manolotra ny famaritana ny mariazy ho fiarahan'olo-ndroa eo amin'ny lehilahy iray sy vehivavy iray ho anaty lalàmpanorenana ny olom-pirenena Kroaty.
Noorjahan Akbar : “Afaka Hanova An'i Afganistana Ny Vehivavy”
Mpikatroka ny zon'ny vehivavy Afgàna sy bilaogera mavitrika i Noorjahan Akbar, 22 taona. Mihevitra izy fa nahitam-piovana tsara ny zon'ny vehivavy ao Afganistana nandritra izay taom-polo izay. Mino ihany koa izy fa fitaovana lehibe hoan'ny vehivavy Afgàna ny media sosialy mba hanehoana ny fitarainan'izy ireo.
Antso Ho Famotsorana Ilay Mpanao Gazety Sy Mpakasary Espaniola Nalaina An-keriny Tao Syria
Mitohy ny antso ho famotsorana an'ireo espaniola roa: mpanao gazety Javier Espinosa sy ilay mpakasary miasa tena Ricardo Garcia Vilanova, izay nalain'ny Fanjakana Islamika ao Syria sy Iraka an-keriny.