Maneho hevitra tamin'ny fahafatesan'ny mpanohitra Agbéyomé Kodjo tany an-tsesitany ny Togoley

Agbéyomé Kodjo; Pikantsarin'ny fantsona YouTube Tv5monde

Lasa toerana mhazatra hiafaran'ny fiainan'ny mpanohitra ny fitondrana Togoley ny sesitany. Agbéyomé Kodjo no farany teo, izay maty tamin'ny 3 martsa 2024 tany Ghana.

Tsy misy tarehimarika marina momba ny isan'ny olom-pirenena Togoley monina an-tsesitany, ary matetika miafina lavitra ny tanindrazany, mandra-pahafatiny noho ny antony politika, saingy anarana lehibe maromaro no manamarika izany tantara izany. Tamin'ny volana Martsa 2021, maty tany Ghana noho ny aretina vetivety i Foussena Djagba, mpikatroka ara-politika sady mpanohitra ny fitondran'ny filoha Faure Gnassingbé. Maty tamin'ny 9 Janoary 2024 tany Soeda ny Monseigneur Philippe Fanoko Kpodzro, taorian'ny sesitany telo taona. Ankehitriny, misaona ny fahafatesan'i Agbéyomé Kodjo, mpanohitra teo aloha, izay maty tao an-tanànan'i Tema any Ghana ny Togoley.

Vakio: Fodiamandrin'ilay Tôgôley pretra katolika iray, mpanohitra mafana fo ny fitondrana am-perinasa [mg]

Iza moa i Agbéyomé Kodjo?

Mpiara-dia tamin’ny fianakaviana Gnassingbé teo aloha tamin’ny andron’ny filoha efa maty nassingbé Eyadéma, nitana andraikitra lehibe i Agbéyomé : Minisitry ny Tanora, ny Fanatanjahantena ary ny Kolontsaina (1988-1991); Tale jeneralin'ny Seranan-tsambo Mizaka tena an'i Lomé (1993-1999); filohan’ny Antenimierampirenena (1999-2000); Praiminisitra (2000-2002). Taorian'ny tsy fitovian-kevitra tao anatin'ny antoko Fivondronan'ny vahoaka Togoley (Rassemblement du peuple togolais) (RPT), fianakaviany ara-politika tamin'izany fotoana izany, dia nesorina tamin'ny andraikiny amin'ny maha-filohan'ny governemanta azy izy ary nialokaloka an-tsesitany tany Frantsa tamin'ny taona 2002.

Rehefa niverina avy tany an-tsesitany izy tamin'ny taona 2005 taorian'ny nahafatesan'i Gnassingbé Eyadéma, dia niandany tamin'ny mpanohitra. Tamin'ny taona 2008, nanangana ny antoko politikany izy, ny Fikambanana ho an'ny Fanorenana ao anatin'ny vondrona firaisankina Togeley- Organisation pour bâtir dans l'union solidaire togolaise (OBUTS) izay naha kandida azy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena 2010.

Folo taona taty aoriana, tamin'ny taona 2018, lasa Hetsika Tia Tanindrazana ho an'ny Demaokrasia sy Fampandrosoana (MPDD) ny OBUTS. Nanetsika antoko politika hafa niaraka tamin'ny MPDD i Agbéyomé ary nanangana ny Dynamique Monseigneur Kpodzro (DMK) teo ambany fitarihan'ny Monseigneur Philippe Fanoko Kpodzro mba hifanandrina amin'i Faure Gnassingbé tamin'ny fitsapan-kevitra nandritra ny fifidianana filohampirenena 2020. Raha nanambara an'i Agbéyomé fa faharoa tamin'ny vato 19,45% azony ny valin'ny fitsapan-kevitra, aorian'i Faure Gnassingbé izay nahazo vato 70,78%, dia mbola nilaza ho mpandresy izy ary nanambara ny tenany ho “filoha ara-dalàna ao Togo“, amin'ny fiheverana fa izy no manana vato be indrindra ary nangalarina taminy ny fandreseny.

Tamin'ny 21 aprily 2020, nosamborina i Agbéyomé. Fiampangana marobe no nanenjehana azy, anisan'izany ny fanohintohinana ny filaminana anatiny ao amin'ny Fanjakana sy ny fampiasana ny mari-pamantaran'ny Fanjakana. Navotsotra izy telo andro taorian’izay, tamin’ny 24 Aprily, saingy napetraka teo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana. Tao anatin'izany toe-javatra izany no nandehanany an-tsesitany izay nandaniany ny dimy taona farany.

Fihetseham-po sy fanomezam-boninahitra

Raha toa ka tsy nitondra vokatra nantenainy ny ady ara-politika notarihan'i Agbéyomé Kodjo dia namela marika ny diany teo amin'ny sehatra ara-politika Togoley izy. Nitafatafa tamin'ny gazety Le Monde tao anatin'ny ora voalohany taorian'ny nahafatesan'i Agbéyomé, nilaza i Paul Missiagbéto, mpanolotsainy manokana sady mpiandraikitra ny raharaha politika sy olom-pirenena ao amin'ny MPDD hoe:

Je n’avais pas connaissance du fait qu’il était malade. Je sais qu’il est mort au Ghana aux alentours de 15 heures. Sinon, nous ne parlions jamais du lieu où il était en exil. Je sais juste qu’il vivait dans la clandestinité et qu’il m’a dit plusieurs fois qu’il ne sortait pas de chez lui par crainte qu’il lui arrive quelque chose.

Tsy nahafantatra aho hoe narary izy. Fantatro fa maty tany Ghana izy tamin'ny 3 ora tolakandro teo. Raha tsy izany, tsy niresaka mihitsy momba ny toerana nanaovany an-tsesitany azy mihitsy izahay. Fantatro fotsiny fa nipetraka niafina izy ary nilaza tamiko imbetsaka fa tsy mivoaka ny tranony izy noho ny tahotra sao hisy zavatra hitranga aminy.

Nanome voninahitra azy ny mpikambana amin’ny antoko politika hafa. Notononin'ny fampahalalam-baovao Togoley Afreepress tao amin'ny lahatsoratra natokana ho an'ny mpanao politika ny sasany tamin'izy ireo. Me Mouhamed Tchassona-Traoré, mpandrindra nasionalin'ny Alliance Ensemble nanambara hoe:

C’est avec une grande tristesse que nous apprenons le rappel à Dieu de notre compatriote et compagnon de lutte, Agbéyomé Kodjo, dont la stature intergénérationnelle fait de lui un homme politique transcendant tous les clivages et clichés.

Amin'alahelo lehibe no nandrenesana ny fiantsoan'i Ray hody any aminy an'ilay mpiray tanindrazana sady mpiara-mitolona, ​​Agbéyomé Kodjo, izay mahatonga azy ho mpanao politika mihoatra ny fisaratsarahana sy ny fitsaratsarana rehetra ny satany mitsinjo ny samy taranaka.

Tamin'io fampahalalam-baovao io ihany, Gerry Taama, filoha nasionalin'ny antoko Nouvel Engagement Togolais (NET) maneho ny alahelony:

Il s’agit là d’une grande perte. Il est regrettable que cet homme politique ‘’particulièrement brillant’’ soit parti en étant très loin du pays. M. Agbéyomé Kodjo est un patriote, il aimait son pays et la population togolaise. Je me sens triste qu’il soit parti en étant très loin du pays.

Fahaverezana lehibe izany. Mampalahelo fa lasa lavitry ny firenena ity mpanao politika “mamirapiratra tokoa” ity. Tia tanindrazana Ingahy Agbéyomé Kodjo, tiany ny tanindrazany sy ny mponina Togoley. Malahelo aho fa lavitra ny firenena no nahalasanany.

Mbola tao amin'ny Afreepress ihany, Adrien Béléki avy amin'ny antoko Convergence Patriotique Panafricaine (CPP) nanampy hoe:

Gardons de ce monsieur, l’homme complexe qu’il a été. On discutait toujours avec lui quand il était sur le territoire national. On sent en lui qu’il veut quelque chose pour l’épanouissement de son pays. Peut-être qu’il a été mal compris.

Andeha hotazonina ho toy ny olona saro-takarina io lehilahy io. Niresaka taminy foana izahay rehefa raha mbola teto an-tanindrazana izy. Tsapanay ao aminy fa mila zavatra izy ho famirapiratan'ny fireneny. Mety ho diso ny fandraisana ny heviny.

Notsongaina tao amin'ny fampahalalam-baovao Afriqueenligne, Antoine Folly, Solontena jeneralin'ny antoko Vondron'ny Demokraty Sosialista ao Togo- Union des démocrates socialistes du Togo (UDS-TOGO) nanome voninahitra an'ilay mpanao politika ihany koa:

Je n’ai pas souvenir d’un homme politique togolais qui ait eu dans son parcours politique, à occuper deux des trois plus hautes fonctions de la République. A ce jour, Agbéyomé Kodjo reste le seul à l’avoir fait. Au-delà des divergences d’appréciation que nous avons eues au sujet de l’élection présidentielle de 2020, nous avons toujours partagé avec Agbéyomé Kodjo et son parti politique une très haute et noble idée de la démocratie et de l’intérêt national.

Tsy fantatro izay politisiana Togoley nitàna ny roa tamin'ireo toerana telo ambony indrindra tao amin'ny Repoblika tamin'ny asany ara-politika. Hatramin'izao, dia i Agbéyomé Kodjo irery no nahavita izany. Ankoatra ny tsy fitovian-kevitra teo aminay momba ny fifidianana filoham-pirenena 2020, dia nizara hatrany tamin'i Agbéyomé Kodjo sy ny antoko politikany ny hevitra ambony sy mendri-kaja momba ny demaokrasia sy ny tombontsoam-pirenena izahay.

Tao amin'ny X (Twitter taloha), Nathaniel Olympio miarahaba ny fahatsiarovana sy ny toetran'ilay nodimandry malaza. Manoratra izy hoe:

Androany no nahalalanay ny fahafatesan’i Gabriel Agbéyomé Kodjo, lavitra ny tanindrazany. Vaovao tena mampalahelo. Fantatro ilay lehilahy, nanana faharesen-dahatra mafy, nanana toetra matanjaka izy. Mirary fiononana ireo zanany sy ny vadiny aho. Mba handry am-piadanana anie ny fanahiny.

Tao anatin'ny roa volana, namoy olo-manga roa matanjaka tamin'ny fifandimbiasan-toerana demaokratika tao Tôgô ny kilasy politika Togoley. Amin'izao fotoana izao, misy mpisehatra politika sasany milaza ny faniriany ny handevenana an'i Agbéyomé amim-pahamendrehana ary mitaky ny hampodiana ny vatana mangatsiakan'ilay mpanohitra taloha.

Raha jerena ny maha-praiminisitra teo aloha sy maha-filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha azy, hanapa-kevitra ny hanome voninahi-pirenena azy ve ny fitondrana ankehitriny?

Vakio: Togo, firenena manana tarehy roa

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.