Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Janoary, 2014
Nilaza Ny Filoha Fa Misy Miaramila Ongadey Maty An'Ady Ao Sodàna Atsimo
Nanamafy ny filohan'i Ogandà, Yoweri Museveni fa mitolona miaraka amin'ireo tafiky ny filohan'i Sodàna Atsimo Salva Kiir ireo tafika Ogandey eo amin'ny ady ifanaovan'ny governemanta sy ny vondrona mpikomy amin'izao fotoana izao,
Ratsy Vintana Ny Mariazin'ilay Rosiana Biraokraty Miliaridera
Niteraka onja indray ny asa an-tserasera nataon'ilay Bilaogera mpitari-dalana amin'ny ady amin'ny kolikoly ao Rosia, Alexey Navalny, tamin'ny randra-tariham-pilazana mamely an'i Maxim Liksutov, lehiben'ny departemantan'ny fitaterana ao Moskoa.
Nogadrain'i Arabia Saodita Noho Ny “Tsy Finoana An'Andriamanitra Sy Ny Volo Lava” Ilay Poeta Palestiniana
Any am-ponjan'ny Saodia ilay mpanao tononkalo Palestiniana Ashraf Fayyad, izay voalaza fa nampiely ny tsy finoana an'i Allah - sy nanalava volo
‘Hetsika Pensilihazo Mena’ Mitaky Fahalalahan-gazety Ao Malezia
Gazetiboky mpivoaka isan-kerinandro naato satria nitantara vaovao momba ny fandaniana mahazatra ataon'ny Praiminitra. Ho setrin'izany, nidina an-dalambe ireo mpanao gazety mba hiampanga ny sivana mihatra amin'ny fampahalalam-baovao.
Saharawi Voice: Tantara Avy Amin'ny Zanatany Farany Afrikana
Ny Saharawi Voice na Feo Saharawi dia bilaogy, tranokalam-baovao sy sehatra fanehoan-dahatsary mampiseho ireo fijoroana vavolombelona mivantana (tsy misympanelanelana) avy amin'ireo olona monina ao amin'ireo tobim-pialokalofana Sahawari ao Afrika Avaratra.
Podcaster (Mpandray Feo) Asongadina: Karma Dupchu
Mampafantatra mpandray feo (podcaster) iray avy amin'ny tetikasa nahazo vatsy avy aminy ny Rising Voices. Nizara ny tantarany sy ny zava-niainany nahatonga azy ho liana tamin'ny fandraisam-peo ny tantara i Karma Dupchu ary hampiasa manontolo ny zavatra azony tamin'ny atrikasa.
Syria: Vehivavy Afaka Ao Darayya
Nirotsaka an-tsehatra tamin'ireo fihetsiketsehana sy fisantaran'andraikitra marobe nanomboka tamin'ny fiandohan'ny fitroarana Syriana, tamin'ny lohataona 2011 ireo Vehivavy Afaka ao Darayya. Miasa any amin'ny firenena hanaovana sesitany ny tenany sy ny fonja izy ireo ankehitriny.
Arte en el Trole (Kanto Ao Amin'ny “TrolleyBus”) : Mameno Olona Ny Toeram-bahoaka Ao Quito
Ny Arte en el Trole dia tetikasa fandraisana anjara momba ny zava-kanto sy ny kolontsaina eny amin'ireo toerana natokana ho an'ny daholobe tahaka ireo trolleybus ao Quito, ny trolleybus. Fantaro izany.
Olona 30 Tao Gresy Nahazo Asa Vaovao Tamin'ny Alalan'ny Diezy Twitter
Natsangan'ny mpisera @dimitrischrid ny #aggeliesergasias (filazanaasa) tamin'ny fanombohan'ny volana oktobra hifanampiana sy hifampizaran'ny mpiseraseran'ny fitaovam-pampitam-baovaon'ny fiaraha-monina izay tolotr'asa azo atao any Gresy na any ivelan'io firenena io.
SARIPIKA: Olona 20 000 Nafindra Toerana Noho Ny Fipoahan'ny Volokano Tao An-Tendrombohitra Sinabung Indonezia
Rehefa tsy nihetsika nandritra ny 400 taona, dia nipoaka tampoka ny volokano tao amin'ny tendrombohitra Sinabung tao Indonezia ka nampifindra toerana mponina maherin'ny 20,000. Efa nipoaka in-200 ny volokano tamin'ny taon-dasa