Malagasy citizen, Bachelor of Communication and law masters'degree. I have many years of experience in seo writing, editing and translating. Particularly interested in free expression, education, journalism, social media, human right and international relation. Follow me on my twitter @mammysou. You can visit my blog in french language Info-plaisir and my blog in my native language Mamy ny soa.
Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Septambra, 2011
Tontolo Arabo: Loka Nobel Fandriampahalemana Ho An'ny Mpiserasera Niaro ny Revolisiona??
Nientanentana tanteraka ny Twitter tamin'ny alina noho ny anaran'ilay mpiserasera Arabo voatonotonina fa mety ho kandidà voafidy hahazo ny Loka Nobel Fandriampahalemana noho ny andraikitra nosahaniny nandritra ny Revolisiona Arabo. Ejyptiana Wael Ghonim (@Ghonim) sy Esraa Abdelfattah (@Esraa2008) miaraka amin'ny Hetsiky ny Tanora 6 Aprily, no natonin'ny mpanoratra Toniziana ao amin'ny Global Voices...
Iran: Fahatezerana Manoloana Ilay Lahatsary Mampiseho Fampijaliana Orsa
Nanomboka ity raharaha ity raha namoaka lahatsary mampiseho “mpihaza” avy any Samirom faritanin'i Isfahan namono orsa volontany sy nampijaly ny zanany ho toy ny kilalao eo anoloan'ny fakantsary ny Fikambanana Iraniana mpiaro ny biby. Noloaran'izy ireo ny kibon'ny zanany iray ary natsipiny manodidina avy eo raha mbola velona ilay zavamananaina. Niteraka...
Etazonia: “Fehezo i Wall Street” Foibe Ara-bolan'i New York
Tao amin'ny distrikan'ny vola ao New York, nikarakara fihetsiketsehana milamina ny vondrona Fehezo i Wall Street (#occupywallstreet tao amin'ny Twitter), notohanan'ny fikambanana Kanadiana AdBusters sy ny mpisovoka antserasera Anonymous izany hetsika izany. Aingam-panahy avy amin'ny hetsika an-tanàna tany amin'ny firenena Arabo sy Eoropeana, mampiseho ny tsy fahafaliany ireo tanora ireo ny amin'ny fomba ataon'i...
Zambia: Lasa Alohan'ny Fampahalalam-baovao Mahazatra ny Mpiserasera Amin'ny Famoahana Vaovao Momba Ny Fifidianana
Nifidy filoham-pirenena, mpikambana ao amin'ny antenimiera ary solotenan'ny governemantam-paritra ny Zambiana tamin'ny 20 Septambra 2011 lasa teo, fantatra fa nanomboka tamin'ny 6 ora maraina ny fandatsaham-bato, maresaka tanteraka ny Twitter, Facebook sy ny tranokala mpanaramaso ny fifidianana Bantu Watch tamin'ny fanehoana izay tsy fetezana rehetra nanamarika ny fiandohan'ny fandatsahambato . Tao...
Tonizia: Noafahana i Samir Feriani mpitoroka
Noafahan'ny fitsarana ady miaramila ao Tonizia vonjimaika i Samir Feraini, mpiampanga, tamin'ny 22 Septambra, notazonina nanomboka tamin'ny 29 Mey 2011 izy, noho ny fanakianana nataony tamin'ny Minisitry ny Atitany Toniziana. Andro vitsy talohan'ny fisamborana azy, Andriamatoa Feriani, mpiasa-panjakana ambony tao amin'ny Minisiteran'ny Atitany, namoaka lahatsoratra roa tao amin'ny boky Al-Khabeer [Ar] (Ny Matihanina)...
Zambia: Mankalaza ny Fandresen'i Michael Sata ny Mpisiokatserasera
Michael Sata, mpitarika ny antoko mpanohitra Mandan'ny Tia Tanindrazana (Patriotic Front), no Filohan'ny Repoblika vaovao ao Zambia. Nanao fianianana teo anoloany ny Lehiben'ny Fitsarana Ernest Sakala ary noraisiny avy tamin'ny filoha teo aloha Rupiah Banda ho azy koa ny saina fitondran'ny filoha amin'ny fotoam-pankalazana. Niara-nankalaza tamin'ireo Zambiana anarivony nidina an-dalambe hatry ny...
Zambia: Nanome Valim-pifidianana ny Mpiserasera Noho ny Fahatarana Amin'ny Famoahana Izany..
Valo ambinifolo ora taorian'ny fikatonanan'ny fifidianana tao Zambia ny 20 Septambra lasa teo, nahatonga ny loharanm-baovaon'ny valan-tserasera hamoaka vaovao farany mikasika ny vokam-pifidianana filoham-pirenena, antenimiera ary ny governemanta ao an-toerana ny fahatarana ela be avy amin'ny Vaomiera Misahana ny Fifidianana (ECZ) amin'ny famoahana ny voka-pifidianana. Mpahay toekarena Zambiana mamoaka hatrany ny vaovao...
Filipina: Fiainam-pitiavana “Aotra”-n'ny Filoha
Ny Filohan'i Filipina Noynoy Aquinon, mpitovo, nampitaha ny fiainany ara-pitiavana amin'ny zava-pisotro malefaka nandritra ny fitsidihany ofisialy mandritra ny 5 andro tany Shina, tsy niteraka fihomehezana ihany izany fa niteraka tsikera an-tserasera ihany koa. “May nagtanong ho kasi sa akin, sabi niya, ‘kamusta love life mo?’ Eh ang sabi ko...
Tonizia: Bilaogera Nirotsaka Hofidiana
Hifidy ny Antenimieran-dalampanorenana izay hiandraikitra ny famolavolana ny Lalamoanorenana vaovao ny Toniziana amin'ny 23 Oktobra ho avy izao . Hafa noho ny hatramin'izay ity fifidianana atao amin'ity taona ity izay matetika miafara amin'ny fahazoan'ny antokon'i Ben Ali vato eo amin'ny 90 isan-jato eo foana. Ho henjana tokoa ny fifidianana amin'ity...
Malezia: Nilaza i Mahathir Fa Nandainga Mikasika ny 9/11 i Bush
Mahatsiaro ny fanafihan'ny mpampihorohoro tamin'ny 11 septambra 2001 nitranga tao Etazonia izao tontolo izao. Mbola nanambara indray ny Praiminisitra teo aloha, Mahathir Mohamad fa tsy ny Miozolomana mahery setra no nahavita izany asa fampihorohoroana izany. Nanao fanambarana miezinezina fa ‘raha azony natao ny namorona Avatar izy ireo, azony atao daholo izay rehetra tiany...