Ny lova navelan'ny Hetsika Tanamasoandro: Politikan'ny antoko telo misandratra ao Taiwan

Sary avy amin'ny Facebook an'i Miao Poya. Nahazoana alalana.

Niafara tamin'ny fandresen'ny Antoko Demaokratika Liam-pandrosoana (DPP) mpomba ny fizakan-tenan'i Taiwan ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka tao Taiwan tamin'ny 13 Janoary 2024. Na izany aza, 46 isanjaton'ny toerana ihany no azony tao amin'ny parlemanta ka tsy nahazoany ny maro an'isa mpanao lalàna. Etsy ankilany, nahazo 47 isanjato ny Kuomintang (KMT), ary nahazo hatramin'ny 7 isanjaton'ny toerana parlemantera ny Antokom-bahoakan'i Taiwan (PPT) vao misondrotra.

Anisan’ny tena nifantohan’ny mpanara-baovao politika tamin’ity fifidianana ity ny fitsanganan’ilay antsoina hoe antoko fahatelo (izany hoe antoko politika ankoatra ny DPP sy ny KMT mahazatra hatry ny ela).

Ao anatin'ny sehatra vao misondrotra, tsy nahazo seza parlemantera tamin'ity fifidianana ity ny Antoko Fahefana Vaovao (NPP), ny Antoko Demaokratika sosialy (SDP), ary ny Antoko Fananganam-panjakana Taiwan niorina tamin'ny taona 2015, nanararaotra ny Hetsika Tana-masoandro tamin'ny taona 2014 – hetsika manohitra ny fandaniana ny Fifanarahana Ara-barotra Servisy Miampita Andilan-dRanomasina (Cross-Strait Service Trade Agreement na CSSTA) nifanaovana tamin'ny Shina Tanibe. Na izany aza, lasa antoko politika manan-danja amin'ny fandrafetana ny fanapahan-kevitry ny parlemanta rehefa nahazo toerana valo ny Antokom-Bahoakan'i Taiwan  (TPP), izay natsangan'i Ko Wen-je tamin'ny taona 2019, izay nirotsaka ho ben'ny tanànan'i Taipei taorian'ny Hetsika Tanamasoandro nahazo ny tsodranon'ny DPP.

Vakio bebe kokoa: Sary indray mipika ny hetsika Tanamasoandro tao Taiwan folo taona aty aoriana

Noantsafain'Ifan sy Filip Noubel avy ato amin'ny Global Voices mivantana amin'ny fiteny Mandarin momba ny fijeriny ny politikan'i Taiwan taorian'ny fifidianana ilay pôlitisiana Miao Poya (苗博雅).  Mpiaro ny zon'olombelona i Miao, mpikambana ao amin'ny Antoko Sosialy Demaokratika, ary mpanolotsainan'ny Tanànan'i Taipei izay nirotsaka ho Solombavambahoakan'ny Distrikan'i Taipei City Daan tamin'ity indray mitoraka ity saingy resin'i Luo Zhiqiang, mpikambana ao amin'ny KMT. Iray amin'ireo politisiana lesbiana vitsivitsy niseho ankarihary ao amin'ny firenena iray izay tsy mandray loatra ny LGBTQ+ izy. Nanatevin-daharana ny “Alliance Democratique” nokarakarain'ny DPP nandritra ny fifidianana izy sy ireo antsoina hoe “Kandidàn'ny Indray mihira Tanamasoandro” mba hanamarihana ny fiavahana ara-poto-kevitra amin'ny KMT mpomba an'i Shina sy TPP.

GV: Maro ny olona no mino fa fongana tanteraka tamin'ity fifidianana ity ny indray mihiran'ny tanamasoandro. Afaka maneho hevitra momba izany ve ianao?

苗:關於這個問題,必須看我們如何界定「太陽花世代」。比如說,時代力量在這次大選中推出的候選人可能與太陽花學運關連不大。

我對太陽花世代的理解不是檯面上的政治人物,而是經歷2014318學運(註:即太陽花學運的別稱)影響的這群人(2014年時20-39歲,2024年時30-49歲),而這一群體的選民在此次選舉當中還是較為傾向支持本土政黨。(註:找不到確切資料支持這個說法)

我想,目前的問題在於台灣目前沒有一個團結力量來代表當初太陽花運動所揭起的價值,所以當年經歷太陽花運動的這群人只能將選票投給民進黨以及後續新興的民眾黨。

Miao: Miankina amin'ny famaritantsika ny atao hoe “Indray mihira Tanamasoandro” izany. Ohatra, tsy nandray anjara tamin'ny Hetsika Tanamasoandro ireo kandidà naroson'ny NPP tamin'ity fifidianana ity .

Tsy tokony ho voafetra amin'ny olo-malaza ara-politika ihany ny “Taranaka Tanamasoandro” fa amin'ny olona (20–39 taona tamin'ny taona 2014 sy 30–49 amin'ny taona 2024) izay nandalo ny hetsiky ny mpianatra tamin'ny 18 Martsa 2014 (nanomboka tamin'ny fibodoana ny Fanaovan-dalàna Yuan tamin'ny 18 Martsa 2014 ny hetsika Tanamasoandro). Mbola mirona kokoa hanohana ny antoko politika isan-toerana (faritra na tanàna) amin’izao fifidianana izao ity vondron’ny mpifidy ity.

Ny olana atrehina dia ny tsy fisian'ny hery mampiray eto Taiwan anehoana ny soatoavina nateraky ny Hetsika Tanamasoandro, ka ny DPP sy ny TPP vao misondrotra ihany no azon'ity vondron'olona ity fidìna.

GV: Saika nahazo vato mitovy ny an'ny kandidàn'ny KMT Hou Youyi ny kandidà filoham-pirenena an'ny antoko fahatelo Ko Wen-je tamin'ity fifidianana ity. Nahazo toerana valo tao amin’ny parlemanta ihany koa ny TPP-ny. Ahoana no hanazavanao io vokatra io?

 

苗:在這次總統大選當中,柯文哲拿到26%的選票,我們認為這當中有一半是他的忠實粉絲,而另一半,一般觀察是對既有選項(國民黨與民進黨)感到不滿的人,比如不支持民進黨但意識形態傾向國民黨卻又不願支持國民黨的民眾),(本來柯文哲答應與國民黨候選人侯友宜合作競選正副總統,但後來破局)因為國民黨與民眾黨最後沒有整合,柯文哲成功保住了他的選票。

Miao: Tamin'ity fifidianana filoham-pirenena ity, nahazo ny 26 isanjaton'ny vato i Ko. Mino izahay fa ny antsasany dia mpankafy tsy mivadika aminy, fa ny antsasany kosa dia ireo tsy afa-po amin'ny safidy efa misy (na KMT na DPP). Tany am-boalohany, nampanantena i Ko fa hiara-hiasa amin'i Hou amin'ny firotsahana ho filoha sy filoha lefitra, saingy rava ny fifanarahana, ary tamin'ny farany, tsy nampitambatra ny mpanohana azy ny roa tonta. Nahavita nitazona ny vaton'ny mpanohana azy i Ko.

GV: Afaka maneho hevitra momba ny fivoaran'ny hery politika fahatelo ao Taiwan ve ianao, raha jerena ny voka-pifidianana solombavahoaka?

苗:在台灣若要有三足鼎立情形是挑戰政治學的嘗試(因為台灣總統以及立委選制會導致兩黨制),而台灣要修憲則相對困難。

因此,所謂第三勢力並非有三大政黨同時存在,而是第三勢力將國民黨邊緣化(所以成為民進黨與第三勢力為主的兩大政黨)。我們的期望是兩大政黨皆是以台灣為主體,而兩大政黨的政見攻防能著重於民眾關心的議題。

目前台灣所謂的第三勢力多半會與現有兩大勢力之一整合,比如在目前的國會,民眾黨的八席立委選票幾乎都是跟著國民黨一起投票,成為藍營的盟友,這是目前國會第三大黨所選擇的路線。

Miao: Vokatry ny rafi-pifidianana ny rafitra antoko roa eto Taiwan amin'izao fotoana izao. Midika izany fa mifanohitra amin'ny fahatakaran'ireo mpahay siansa politika momba ity rafi-pifidianana ity ny fisian'ireo antoko politika telo lehibe miara-miaina eto Taiwan ary tsy mora ny fanitsiana ny lalàmpanorenan'i Taiwan.

Amin'ny toe-javatra toy izao, ny fipoiran'ny antoko fahatelo eto dia tsy midika fa hiara-mitoetra ireo antoko politika telo ireo fa hanisaka ny KMT (misolo ny KMT ary lasa antoko lehibe) ny antoko fahatelo. Ny fanantenanay dia samy hiaro ny fizakantenan'i Taiwan ny antoko politika lehibe roa, ary afaka mifantoka amin'ny kinasan'ny vahoaka ny sehatra politikan-dry zareo.

Amin'izao fotoana izao, mety hitambatra amin'ireo antoko politika roa hafa ilay antsoina hoe antoko fahatelo eto Taiwan. Ohatra, amin'ny kaongresy ankehitriny, lasa mpiara-dia amin'ny KMT ny TPP, satria matetika ny solontenan'izy ireo valo manaraka ny fitarihan'ny KMT rehefa mandatsa-bato.

GV: Heverina ho mpanao politika mahay teknolojia ianao, indrindra amin'ny fampiasana mediam-baovao. Nandritra ny fanentanam-pifidianana, tsy vitan'ny hoe nivezivezy manodidina ny boriborintany hifaneraserana amin'ny mpifidy ianao fa nandefa fampitana mivantana an'aterineto 24 ora ihany koa. Inona araka ny eritreritrao no tombony sy voka-dratsy ho an'ireo mpanao politika mampiasa ny media anjotra mba hifandraisana amin'ny vahoaka?

苗:在現在,使用社群媒體與群眾溝通已經不是應該分析優缺點的時候,而是我們必須要去做的事情。

傳統上我們會說(人群聚集的)公園、廟口、菜市場是政治人物要常去踩踏的地方,但目前50以下的選民會花很多時間會聚集在社群媒體上,所以社群媒體是政治人物跟民眾接觸的重要場域。

Miao: Tsy maintsy atao ny fampiasana media sosialy amin'izao fotoana izao hifandraisana amin'ny besinimaro, na inona na inona tombony sy fatiantoka aminy.

Nahazatra anay ny niteny taloha fa tokony mandeha matetika any amin'ny zaridainam-panjakana, tempoly, ary tsenan-tsakafo (satria misy vahoaka be) ny mpanao politika , saingy amin'izao fotoana izao, mandany fotoana betsaka amin'ny media sosialy ny mpifidy latsaky ny 50 taona. Tena ilaina tokoa ny sehatra media sosialy mba hifandraisan'ny mpanao politika amin'ny vahoaka.

GV: Na izany aza, mirona amin'ny lohahevitra misarika amin'ny media sosialy ny mpanao politika hahazoana ny fifantohan'ny besinimaro.

苗:我認為網路上搏聲量並不是最重要的,重點能跟自己的目標族群溝通。所謂跟選民接觸是為了要讓選民知道自己是怎樣的人、要做什麼事。

選擇直播是因為以我所能運用的資源來說,真誠直接的方式是最簡單面對選民的方法比起來,複雜的腳本、兩三機、後製的方式需要更多的資源,且選民可能未必喜歡。

Miao: Tsy mahita ny laza anjotra ho zava-dehibe aho. Momba ny fifandraisana amin'ny mpihaino kendrenao izany mba hampahafantarana azy ireo hoe iza ianao ary inona no tianao hatao.

Nisafidy ny webcast aho satria, amin'ny fitaovana eo am-pelantanako, ny fomba fijery mahitsy sy mivantana no fomba tsotra indrindra hanatonana ny mpifidy. Mitaky fandaniana bebe kokoa ary tsy voatery ho manintona ny mpifidy ny lahateny raketina anoloan'ny fakan-tsary roa na telo sy ny fanontana aorian'ny famokarana.

GV: Inona no drafitrao amin'ny lalanao ara-politika amin'ny hoavy?

苗:現在我的工作是台北市議員,所以我要先把這個工作做好,專心在台北市的市政上。[…] 這次選舉當中,我認為我提出的政見絕對比我的對手好,但對方拒絕討論政策,因為對他來說,只要站穩自己的意識形態,就可以贏得選舉結果選舉結果的確也回到了基本盤。但我認為這樣(國民黨候選人)的選舉方式在將來的某一天一定會失效,因為選民結構會一直改變。

Miao: Mpanolo-tsainan'ny tanànan'i Taipei aho amin'izao fotoana izao. Tsy maintsy manatanteraka tsara ny adidiko aho ary mifantoka amin'ny raharahan'ny kaominin'i Taipei. […] Amin'ity fifidianana ity, heveriko fa tsara kokoa noho ny an'ny mpifanandrina amiko ny sehatra politikako. Na izany aza, tsy nety niresaka momba ireo olana mifandraika amin'ny politika ny mpifanandrina amiko satria aminy, afaka mandresy amin'ity fifidianana ity izy amin'ny fanarahana ny foto-kevitry ny KMT. Mandaitra ny paikadiny satria maro ireo mpanohana ny KMT mafy orina ao amin’ity distrika ity. Na izany aza, ny paikadim-pifidianana (ho an'ny kandidan'ny KMT) toy izany dia tena tsy mahomby amin'ny andro hoavy satria tsy mitsaha-miova ny firafitry ny mpifidy.

GV: Ahoana ny fahitanao ny governemanta Taiwaney mitantana ny raharaha Hong Kong?

苗:台灣的現實是必須在美國和中國之間想辦法為香港朋友做最多的事情,另一方面,台灣既有的文官體制對世界體系、人權規範了解不夠,是以最近幾年大家認為台灣政府的改變很緩慢。但我認為重點是究竟有沒有意願往這個方向走。

在我十幾年的政治工作中,有許多相關的經驗,如西藏人在台灣要取得身分也很困難,最後是以個案的方式(非官方正式管道)一個一個審查通過身分審查且標準不明確,但終究是協助了一批藏人。經過這麼多年後,這些藏人終於在大家的協助之下在台灣安家立業。

本來台灣對香港事務就有一套方法,但目前身分處理是一個問題,目前尚無制度化的管道。不過我不認為現在的台灣政府沒有意願去做,只是台灣政府必須考慮給予香港人政治庇護是否會在與中國迴旋的有限空間中再增添變數。

Miao: Mila mitady fomba hanampiana ny mponin'i Hong Kong amin'ny fifampiraharahana amin'i Etazonia sy i Shina i Taiwan. Amin'izay fotoana izay ihany koa, tsy manana fahatakarana tsara momba ny rafitra maneran-tany sy ny fitsipiky ny zon'olombelona ny rafi-pitantanana sivily naorina ao Taiwan. Noho izany, tato anatin'ny taona vitsivitsy, nihevitra ny olona fa milolalola loatra ny governemanta Taiwan amin'ny famaliana ny fiovana. Ny zava-dehibe amiko anefa dia hoe misy ve sa tsia ny finiavana hiroso amin’io zotra io.

Nandritra ny folo taona nizorako tamin'ny politika, dia sendra toe-javatra maro mitovitovy aho. Tena sarotra tamin’ny Tibetana, ohatra, ny nahazo fahazoan-dalana honina tany Taiwan. Farany, tsy maintsy nikarakara ny fangatahan'izy ireo araka ny tranga tsirairay ny manampahefana (tamin'ny alàlan'ny fantsona tsy ofisialy), ary tsy nazava ny fepetra. Na izany aza, nahavita nanampy andiana Tibetana izahay. Taona maro taoriana, nanorim-ponenana tany Taiwan ihany ireo Tibetana ireo noho ny fanampian'ny olona maro sy ny fanohanan'izy ireo.

Nanana rafitra hiatrehana ny raharaha Hong Kong i Taiwan taloha. Saingy amin'izao fotoana izao dia tsy misy fantsona andrim-panjakana hiatrehana ny maha-ara-dalàna ny Hongkongers eto Taiwan satria niova ny toe-draharaha ao Hong Kong. Tsy mino aho fa tsy te hanao izany ny governemanta Taiwaney ankehitriny. Na izany aza, tsy maintsy mandinika izy raha hanampy fiovana hafa amin'ny habaka efa voafetra azo ihetsehana ifanaovana amin'i Shina ny fanomezana fialokalofana ara-politika ho an'ny mponin'i Hong Kong .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.