Malagasy citizen, Bachelor of Communication and law masters'degree. I have many years of experience in seo writing, editing and translating. Particularly interested in free expression, education, journalism, social media, human right and international relation. Follow me on my twitter @mammysou. You can visit my blog in french language Info-plaisir and my blog in my native language Mamy ny soa.
Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Marsa, 2013
Nandresy Tamin'ny Lalao Fifaninanana Baseball Manerantany Ny Repoblika Dominikana
Faly sy ravoravo ny fon'ireo Dominikana noho ny ezaka vitany tsy mampino nandritra ny fifaninanana Baseball Klasika Manerantany III. Tamin'ny Talata 19 Martsa 2013, nandrombaka ny fandresena farany tamin'ny Lalao Baseball Manerantany 2013 ny ekipa Dominikana, rehefa avy nandresy ny ekipa nasionaly Poerto Rikàna [es] tamin'ny isa 3-0. Tao anatin'ny Lalao Klasika, sambany nandrombaka...
Didy Fampisamborana Ilay Bilaogera Ejypsiana Alaa Abd El Fattah Noho Ny Resaka Sioka Tamin'ny Twitter
Tonga nitono-tena tao amin'ny mpampanoa lalàna ilay bilaogera Ejypsiana Alaa Abd El Fattah tamin'ny 26 Martsa taorian'ny didy fampisaborana navoaka ho azy ny alin'ny 25 Martsa. Mikasika ny fifandraisany amin'ny mpanjakavavy Joumana ny fanadihadiana, sy ireo sioka Abd El Fattah ary ny filazan'ity mpanjakavavy ity momba an'i Abd El Fattah...
Mandrahona Hanakatona Ny Skype sy ny WhatsApp i Arabia Saodita
Mandrahona hanakatona ireo fitaovam-piseraserana malaza, tahaka ny Skype sy ny WhatsApp (tolotra fandefasan-kafatra amin'ny finday) i Arabia Saodita, Fahavalon'ny Aterineto, koa asa raha hanaiky hanohintohina ny fiainana manokan'ireo mpanjifa sy hanara-maso azy ireo ny orinasam-pifandraisana. Brian Whitaker, mibilaogy ao amin'ny Al-bab, nilaza momba ireo manampahefana Saodiana fa: mandrahoana hanakatona ny fampiasana ireo fitaovam-pifandraisana...
Bilaogera Shinoa Notànana Rehefa Avy Nataon'ny Polisy Famotorana
Notànana ilay poety Shanghai rehefa avy nataon'ny polisy Shinoa famotorana taorian'ny fandefasany lahatsoratra tao amin'ny bilaogy madinika malaza Sina Weibo, izay miantso ireo mpanaraka azy hiara-hirona hitsangatsangana manamorona ny renirano Huangpu ho fanairana ny saina ao amin'ny lalan-drenirano izay nahitana vao haingana ireo fatinà kisoa 15.000 nitsingevana. Tamin'ny voalohany nahitana ireo fatinà kisoa tamin'ny...
Yemen: 18 Marsa, Fifampiresahana Nasionaly Omem-Pahamendrehana?
Miraikitra ho tantaran'i Yemen tahaka ny andron'ny Fahamendrehana ny andron'ny 18 Martsa. Tamin'ny 18 Martsa 2011, olona 56 no namoy ny ainy vokatry ny tifitra nataon'ireo jiolahin'ny filoha teo aloha Ali Abdullah Saleh sy ny mpitandro ny filaminana nanao fanamiana sivily ary maherin'ny 100 kosa ireo naratra taorian'ny vavaka Zoma, izay nanjary...
Tanora Espaniola Mitsoa-ponenana : “Tsy Niala Izahay Fa Noroahina!”
Iray amin'ireo vokadratsy mahatsiravina nateraky ny krizy ny tsy fananan'asan'ny tanora ao Espaina, izay tafakatra 55,6%. Manoloana io isa mampitebiteby io, niantso ny amin'ny tokony handraisana fepetra maika ny Vondrona Eoropeana tamin'ny taon-dasa. Taorian'ny 15 volana niasana tao amin'ny governemanta, nanolotra Drafitra ho an'ny Tanora Tsy An'asa [es] ihany ny Antokom-bahoaka (kaonty Twitter...
Voasivana Ny Media Sosialy Taorian'ny Vato Tokana Manohitra Ilay Filoha Vaovao
Niharan'ny sivana ny media sosialy Shinoa noho ny adihevitra mikasika ilay olona tsy fantatra nandatsa-bato tokana manohitra ny fanendrena ofisialy ny lehiben'ny kaominista Xi Jinping ho filoha. Nandritra ny fandahatsa-bato miezinezina, araka ny efa nampoizina, voafidy ho filohan'i Shina tamin'ny vato 2.955 mankasitra azy sy telo tsy nifidy i Xi tamin'ny 14...
Fanafihana Ny Hindou Tao Bangladesh, Valifaty Noho ny Fanamelohana Ho Faty Ilay Lehiben'ny Islamista
Tsidiho ny fitantarana manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana #Shahbag ao Bangladesy Niharan'ny fanafihana ireo Hindou ao Bangladesh, satria vonona amin'ny fampiharana herisetra goavana manerana ny firenena ireo Islamista tezitra tamin'ny didim-pitsarana fanamelohana ho faty navoakan'ny fitsarana misahana manokana ny heloka bevava an'ady ho an'i Delwar Hossain Sayeedi, lehiben'ny antoko Jamaat-e-Islami, didimt-pit Tamin'ny 28 Febroary 2013 lasa teo...
Fijery Ao Anatiny Momba Ny Oniversite Indizeny ao Venezoela
Tahaka ny ahoana ny andavanandron'ny mpianatra ao amin'ny UIV, Oniversite indizeny ao Venezoela [es] ? Mpianatra telo avy ao amin'ny sampana educommunication (fampianarana sy fifandraisana) [fr] no nandray anjara tamin'ny atrikasa nokarakarain'ny Rising Voices vao haingana ho fanatsarana ny fahaizana maka sary nomerika sy ny fametrahana ao amin'ny aterineto ny sary alain'izy ireo ary ny fizarana...
Mozika Niharan'ny Sivana Sy Feo Voaràra Ao Angola
[Amin'ny teny Portiogey avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy filazana manokana.] Noraofin'ny polisim-pirenena Angoley tamin'ny alalan'ny fanatanterahana ny fanapenam-bava izay manozongozona ny fitondrana ao Angola ny andiana haino aman-jery novokarin'ny mpikatroka Angoley. Anisan'izany ny DVD vaovao an'ilay mpiangaly rap Brigadeiro 10 Pacotes, mitantara ny “fiainana sy asan'ilay mpitarika revolisionera manan-tantara Jonas Savimbi”...