Raveloaritiana Mamisoa · Marsa, 2019

Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Marsa, 2019

Tsy mampiasa ny 737 MAX an'ny Boeing ny Caribbean Airlines, saingy mbola manontany foana ireo mpandeha

  21 Marsa 2019

Tojo olana tao ivelan'ny renivohitr'i Ethiopia, Addis Ababa ny zotra-piaramanidina Etiopiana Boeing 737 MAX 8 tamin'ny 10 Martsa 2019, ity no fianjerana Boeing 737 MAX faharoa tao anatin'ny dimy volana. Tamin'ny volana Ôktôbra 2018, nianjera tao amin'ny ranomasimbe tany Indonezia minitra vitsy taorian'ny niaingany Lion Air. Samy tsy nisy velona ny mpandeha rehetra tao anatin'ireo lozam-piaramanidina roa ireo.

Mampiasa vola be amin'ny fanatanjahantena ara-miaramila sy famelomana tantara mba hanatsarana ny fitiavan-tanindrazana i Viktor Orbán ao Hongria

Nandrotsaka euro an-arivony tany amin'ireo fikambanana ara-panatanjahan-tena sy ireo vondrona mpamelona tantara ny minisiteran'ny fiarovana Hongroà mba hampiditra ao an-tsaina ny fahatsapana fitiavan-tanindrazana eo amin'ny tanora, araka ny tatitra avy amin'ny Atlatszo.hu, fampahalalam-baovao tsy miankina mpanao fanadihadiana.