Liva Andriamanantena · Avrily, 2019

Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena tamin'ny Avrily, 2019

Notanana ilay bilaogera Ekoadaoreana Paúl Moreno 

GV Mpisolovava  09 Avrily 2019

Notanana ilay bilaogera Ekoadaoreana Paúl Moreno (@paulcoyote) noho ny vesatra tamin'ny fidirana an-tsokosoko tamin'ny rafitra solosaina, rehefa avy niditra tao amin'ny angondrakitry ny Filoha Rafael Correa manokana izy mba hanehoana ny lesoky ny tranonkala ofisialin'ny manampahefana.

Syria: Nosamborina indray i Razan Ghazzawi

GV Mpisolovava  08 Avrily 2019

Nisambotra ilay bilaogera Syriana sady mpiaro ny fahalalaham-pitenenana Razan Ghazzawi ny mpitandro filaminana Syriana niaraka tamin'ireo mpiara-miasa aminy tao amin'ny biraon'ny Foibe Syriana ho an'ny Fahalalaham-pitenenana ao Damaskaosy.Faharoa izao no nisamborana an'i Razan Ghazzawi.Niteraka fisalasalana ho an'ireo mpisera aterineto ny vaovao izay tsy ela akory dia naneho hevitra.