Nampivondrona mpitarika vondrom-piarahamonina miisa enina hiakatra an-tsehatra ho an'ny lahateny fohy momba ny asany sy ny traikefany, ary nahitana an'i Ọmọ Yoòbá avy ao Nizeria ny Vovonana Creative Commons Manerantany, izay atao isan-taona any amin'ny firenena samihafa manerana izao tontolo izao.
Mpanao gazety manana traikefa 11 taona amin'ny haino aman-jery Nizeriana i Ọmọ ankoatra ny fitantanany ny Lingua Yorùbá. Nanokana valo taona izy ho fampielezana ny fahalalana ara-ekolojika sy ara-kolontsaina amin'ny fiteny Yorùbá tao amin'ny sehatra nomerika. Amin'ny maha-mpiaro ny fampiasana fiteny maro sy ny fampiasana tsy misy fetra ny aterineto azy dia niara-niasa tamin'ireo mpiara-miombon'antoka i Yoobá mba hampitohizana ny hantsana nomerika, hanomezana ireo fiteny vitsy an'isa feo ao amin'ny Fifaneraserana amin'ny Aterineto, ary ny fiarahamonina voahilikilika mba ho afaka miditra amin'ny loharanom-baovao nomerika. Ankoatra ny fampianarana ny fiteny Yorùbá ao amin'ny tribalingua.com, niara-niasa tamin'ny Localization Lab izy mba hametrahana ny fitaovam-piarovana nomerika sy ny fitaovana fandinganana ny aterineto (EFF). Tamin'ny taona 2018, nanangona literatiora am-bava an-jatony mahery avy amin'ny fiteny Yorùbá izy izay hita ao amin'ny tahirin'ny Orina Mpanasoa Firebird ho an'ny Fikarohana Anthropolojika ao Phillips, Maine, Etazonia.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...