Mpanao gazety Grika nosamborina noho ny famoahana ny lisitr'ireo olona voalaza fa tsy nandoa hetra  

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2012 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nisioka ny fisamborana azy ilay mpanao gazety Grika sady toniandahatsoratry ny gazetiboky Hot Doc, Kostas Vaxevanis, ary nandefa hafatra tao anaty lahatsary ora vitsy taorian'ny namoahan'ny gazetibokiny ny lisitra tafaporitsaka nahitana ny anaran'ireo Grika maherin'ny 2.000 sy ny kaontin'ny banky any Soisa, izay voalaza fa “lisitra Lagarde ” efa tsy hitan'ny fitondrana Grika nandritra ny taona maro.

Nitaky ny famotsorana an'i Vaxevanis ny Reporters Sans Frontieres ary namoaka ampahana antsafa, ary niray hina tamin'ny fanohanana azy tao amin'ny Twitter ireo mpisera aterineto, ka nahavory fangonan-tsonia maherin'ny 16.000 nitaky ny fanafoanana ny fiampangana azy.

Fanavaozam-baovao: Tamin'ny 1 Novambra 2012 dia nafahan'ny fitsarana madiodio tany Athena Atoa Vaxevanis tamin'ny fiampangana azy ho nanitsakitsaka ny lalànan'ny tsiambaratelon'ny angondrakitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.