(Marihina fa tamin'ny volana Febroary 2012 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
Anisan'ny fitantaranay manokana ny Hetsi-panoherana tany Syria ity lahatsoratra ity .
VAOVAO FARANY: Navoaka ny Asabotsy niaraka tamin'ny vehivavy mpiara-miasa aminy i Razan Ghazzawi. Tamin'ny fotoana nanoratana ireto andalana ireto dia mbola voatazona ny lehilahy mpiara-miasa amin'i Razan.
Nisambotra ilay bilaogera Syriana sady mpiaro ny fahalalaham-pitenenana Razan Ghazzawi nandritra ny bemidina tao amin'ny biraon'ny Foibe Syriana ho an'ny Fahalalaham-pitenenana ao Damaskosy izay iasan'ity mpikatroka ity ny mpitandro filaminana Syriana. Nosamborina niaraka tamin'ireo mpiara-miasa aminy miisa telo ambin'ny folo, anisan'izany ny lehiben'ny foibe Atoa Mazen Darwish i Ghazzawi .
Faharoa izao no nisambotra an'i Razan Ghazzawi ny manampahefana Syriana. Tamin'ny volana Desambra 2011 no nitazonana azy voalohany tany amin'ny sisintany manelanelana ny Syriana sy ny Jordaniana raha handeha hanatrika ny fihaonambe momba ny fahalalaham-pitenenana an-tserasera izy. Niteraka resabe tao amin'ny aterineto ny fisamborana azy ary fanentanana iraisam-pirenena izay nitaky ny famotsorana azy tsy misy hatak'andro. Navoaka i Razan rehefa avy nandany 15 andro tany an-tranomaizina.
Bilaogera Syriana teraka tany Etazonia i Ghazzawi ary nandray anjara tato amin'ny Global Voices Online sy ny Global Voices Advocacy. Iray amin'ireo bilaogera feno herim-po vitsy an'isa ao Syria izay nanoratra tamin'ny tena anarany izy.

Iray amin'ireo afisy “Avotsory i Razan” nozarain'ireo mpanohana taorian'ny fisamborana an'i Razan Ghazzawi tamin'ny volana Desambra 2011
Ny bilaogy Syriana Nidalat no iray tamin'ireo seha-baovao voalohany namoaka ny vaovao. Nandefa ity fanambarana manaraka ity izy:
إننا في المركز السوري للدراسات والأبحاث القانونية ندين هذا الاعتقال ونطالب السلطات السورية بإطلاق سراحهم فورا ونعتبر هذه الخطوة تجاه المدافعين عن حرية التعبير تؤكد موقف وسعي السلطات السورية لخنق أي صوت وحتى خنق الأصوات المدافعة عن حرية التعبير وزيف الادعاءات بالانفتاح والحوار وتعديل الدستور والسماح بالحقوق الأساسية للإنسان.
Nitaraina ilay mpanao gazety Ahmed Shihab-Eldin hoe:
@ASE: Yet another sad day for #Syria and #FreeSpeech
@ASE : Mbola andro iray hafa mampalahelo indray ho an'i Syria sy ny Fahalalahana miteny
Nahatsiaro ny resany farany niaraka tamin'i Razan i BSyria :
@BSyria: I chatted with Razan yesterday. I asked her: Are u being harassed? She said, “No, I told u I'm not that important.” #FreeRazan #syria
@BSyria : Nifampiresaka tamin'i Razan aho omaly. Nanontaniako izy hoe: Niharan'ny fandrahonana ve ianao? Hoy izy hoe: “Tsia, nolazaiko taminao hoe tsy zava-dehibe tahaka izany aho.”
Jereo ny tenirohy #AfahoRazan ao amin'ny Twitter ho an'ny fanehoan-kevitra bebe kokoa momba ny fisamborana an'i Ghazzawi. Nisy ihany koa ny pejy Facebook nosokafana hitakiana ny famotsorana azy .
Anisan'ny fitantaranay manokana ny Hetsi-panoherana tany Syria ity lahatsoratra ity .