Lahatsoratra farany an'i Liva Andriamanantena tamin'ny Oktobra, 2017
Goyana: Fitantarana Hafa Tamin'izay Zava-nitranga Nandritra ny Fampisehoan'i Akon
Niteraka resabe tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Goyaney ny herinandro lasa teo, ny lahatsary iray nahitana ilay mpihira hip-hop Akon nidaroka tanora tovovavy mpankafy iray nandritra ny fihetsika tao anaty vahoaka tamin'ny fampisehoana Carifesta tao Goyana .
Kambodza: Nosaloran'ny Gazetiboky Glamour Ho Vehivavin'ny Taona (2006) I Somaly Mam
Miasa mafy i Somaly Mam. Miasa mafy izy mba hiatrehana ny lasany. Nandritra ny fahazazany, niaina fanolanana, fampijaliana ary herisetra izy. Nanangana ny ONG AFESIP (Atany Kambodza niaraka tamin'ny vadiny Pierre Legros izy tamin'ny taona 1997, firenena iray ahitana izay anisan'ny olana goavana indrindra ny fanondranana olona an-tsokosoko.
Arabia Saodita: Fantsom-pahitalavitra Amin'ny Teny Persiana Ho An'ny Iraniana
Orinasam-pahitalavitra mandeha amin'ny zanabolana Saodiana ny MBC , fantatra eo amin'ny tontolo Arabo noho ireo fantsona fialamboly sy noho ny fantsom-baovao Al-Arabiya . Nanomboka nanokatra fantsona vaovao tamin'ny 9 Jolay 2008 ity orinasa ity, MBC Persia, izay ahitana sarimihetsika amin'ny dikanteny Persiana [farsi].
Mpahay Tantara Thailandey Iray Mety Higadra 15 Taona An-tranomaizina Noho Ny ‘Fanivaivana’ Mpanjaka Taonjato Faha-16
"Te hanenjika ahy fotsiny ny fitondrana miaramila. Azon'izy ireo atao ny zava-drehetra. Tratrako ny fahatoniana. Tsy mampaninona ahy izany. Raha ny marina mampalahelo ahy ry zareo... Mampalahelo ahy ireo manana fahefana.."
Shina: Ny Drafitra Iadiana Amin'ny Harona Plastika
Nanomboka nanan-kery tamin'ny 1 jona 2008 ny drafitra nasionalin'ny governemanta Shinoa izay nanova ny arona plastika handoavam-bola sy mandràra ny famokarana ny arona plastika tena manify......
Bilaogy Sy Labiera Miaraka Amin'i David De Ugarte
Nitsidika an'i Shily i David De Ugarte (ES), bilaogera malaza iray ao amin'ny tontolon'ny bilaogy teny Espaniola . Izy no mpanorina ny Las Indias Electrónicas (ES) sady mpamorona ny Cyberpunk (ES). Alina vitsy lasa izay, nizara fotoana niaraka tamin'ireo bilaogera Shiliana tamin'ny fanasana malalaka i David, mba hahafahan'ny rehetra manatrika izany.
Fianakaviana Goatemalteka: Doña Maria
Mipetraka am-pireharehana ao an-dakoziany i Doña Maria, fianakaviana matriarka araka ny hita eo amin'ny huipil (akanjo misy petakofehy) miloko fotsy.
Rakipeo: Antsafa Niarahana Tamin'i Carlos Toledo
Manazava ny fomba nanombohany nifandray tamin'izao tontolo izao, ny antony nanohizany, ary ny fanantenany hampivelatra ny fampianarana manan-danja mikasika ny fandraisa-peo manerana an'i Shily i Carlos Toledo, mpandray rakipeo Shiliana .
Notoloran'ny Wikipedia Okrainiana Loka Ireo Nandresy Tamin'ny Fifaninanan-tsary ‘Wiki Mankafy ny Tany’
Nahitana mpandray anjara miisa 356, sary miisa 15.000 teo ho eo ary lova voajanahary miisa 1.860 mahery ny ampahany tamin'ny fifaninanana manerantany Okrainiana .
Fanadihadiana: Very any amin'ny Indostirian'ny Fanaovana Dite Faha-Sovietika Tao Zeorzia
"There was not a single unemployed person in Laituri. Everyone was employed at either the plantation or the factory." "Tsy nisy olona na dia iray aza tsy an'asa tao Laituri. Na ny olona niasa tao amin'ny fambolena na tao amin'ny orinasa avokoa."