Shina: Ny Drafitra Iadiana Amin'ny Harona Plastika

(Marihina fa tamin'ny 02 Jona 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanomboka nanan-kery tamin'ny 1 jona 2008 ny drafitra nasionalin'ny governemanta Shinoa izay nanova ny harona plastika ho andoavam-bola sy mandràra ny famokarana ny harona plastika tena manify.  Tokony ahafahana mitahiry barikan-tsolika miisa 37 tapitrisa  isan-taona ho an'i Shina ity drafitra ity. Nanara-maso akaiky ity tetikasa ity ny ONG ary niady handrara ny harona plastika.  Mampiasa harona plastika miisa 3 lavitrisa isan'andro ny Shinoa.

Niparitaka manerana izao tontolo izao ny fandraràna harona plastika tao anatin'ny roa taona, tany San Francisco, Angletera, ary tany an-kafa. Noraisina ihany koa ny fepetra mitovy amin'izany tamin'ny taon-dasa tao an-tanàndehiben'i Shenzhen, any atsimon'i Shina. Dimy taona lasa izay, nandràra ireo harona plastika mba hiadiana amin'ny 白色污染 (“fandotoana fotsy” na ny fandotoana avy amin'ny plastika) nahitana vokatra mahabe fanantenana.ny tanàndehibe Shinoa iray ao amin'ny faritanin'i Yunnan .

Efa nafana ny adihevitra momba ny harona plastika hatramin'ny nanambarana ny drafitra tamin'ny volana Janoary tao amin'ny bilaogy sy ny sehatra fifanakalozan-kevitra Shinoa natokana ho an'ny tontolo iainana. Maro ny mpisera no nankasitraka ilay drafitra, ny hafa kosa dia nanakiana kokoa. Ireto ny sasantsasany tamin'ireo adihevitra :

Hoy ilay bilaogera Liu KenPeng tao amin'ny Sina.com raha nanoratra hoe:

看到这个消息,真是 BIG FAST PEOPLE HEART(大快人心)啊!
记得在评论人类历史上最糟糕的发明时,塑料袋耻登榜首。这东西最可怕的地方,就是自然界没有办法分解.

Tena afa-po tokoa aho rehefa nahare ny vaovao!

Tamin'ireo tantaran'ny famoronana ratsy indrindra teo amin'ny tantaran'ny Olombelona, ​​ny harona plastika no tena ratsy indrindra tamin'ny ratsy indrindra. Ny tena mampanahy indrindra dia ny tsy mety hanjavonany mihitsy ao anatin'ny natiora.

Ny hafa kosa nisalasala momba ny fampiharana ilay drafitra.  Nanoratra tao amin'ny Baidu.com ny mpaneho hevitra iray:

这其实是一个很严峻的问题.而且实际实施中必然重重困难.

从消费者的角度来看,增收塑料袋费,对于比较节俭的家庭主妇来说,为了最大限度的得到利益,对一些额外的不必要的物品的消费就自然减少.消费减 少,商场的利益减少,不排除某些无良商家谋私利私自提供免费塑料袋,消费者的了便宜,特别是一些素质不高的人,自然是你不说,我不说,大家心知肚明。所谓 上有政策,下有对策。环保目的最终仍不能实现。

 

Tena olana lehibe izany ary ho sarotra ny fampiharana ilay drafitra.

Hampihena ny fandaniana ao an-tokantrano amin'ny fomba fijeriny ny mpanjifa ary hisy fiantraikany eo amin'ny tombombarotra tsenambarotra.  Afaka maminavina fanomezana harona plastika maimaim-poana ireo mpivarotra tsy tompon'andraikitra. Hirotsaka amin'ny tolotra Ireo mpanjifa, indrindra ireo tsy mahafantatra ny olana ara-tontolo iainana. Ny politika dia zavatra iray, kanefa manana ny paikadiny manokana ny olona ary tsy ho tratra ny tanjona amin'ny fiarovana ny tontolo iainana .

Nanoratra i Qianyuyu, tao amin'ny Bjelf.com, sehatra fifanakalozan-kevitra ao Beijing momba ny lalànan'ny tontolo iainana hoe:

关于购物塑料袋不应该收费,而是应该限制使用!

从六月份开始,消费者在超市购买东西,使用塑料袋商家要开始收费了.这一政策不知道政府经过听证没有.如果开始收费,在这物价非涨的年月,老百姓的消费支出无形当中又增加了.这给老百姓带来的生活压力,不知道政府考虑过汉有.
为什么政府不出一个限制使用的办法,比如,每个购物都只能免费使用一个,想用第二个就是付费了了而动不动就是收费.塑料袋收费不是便宜了商家吗?现在大多数老百姓都是在超市购买生活必须用品.每一个都收费,会给商家带来多少利润.

… tsara kokoa ny mametra ny fampiasana harona plastika noho ny fampandoavam-bola ny fampiasana azy ireny. Hividy harona plastika any amin'ny magazay lehibe manomboka amin'ny volana Jona ny mpanjifa. Manontany tena aho raha nanao fanadihadiana tamin'ny vahoaka momba ity politika ity ny governemanta. Nidangana be ny vidim-piainana tamin'ity taona ity. Hanasazy ny mpanjifa tsotra ny vidin'ny harona . Manontany tena aho raha tena nieritreritra an'izany ny governemanta. Nahoana no tsy mampiasa ny politikan'ny famerana izy ireo? Ohatra, afaka mahazo harona plastika maimaim-poana ny tsirairay, fa tsy maintsy mandoa vola amin'ny faharoa. Hanome tombony fotsiny ho an'ny mpivarotra ny harona plastika handoavam-bola. Ny tena ilain'ny mpanjifa ihany no hovidiany ao amin'ny toeram-pivarotana. Ny toeram-pivarotana ihany no hahazo tombony amin'ny vidin'ny harona .

Ao amin'ny sehatra fifanakalozan-kevitra Baidu.com,  manontany tena ny hafa raha toa ka hanova zavatra ny vidin'ny harona plastika :

1 塑料袋才3毛一个,太便宜了.
基本上不会有什么影响嘛!

2 回复:塑料袋才3毛一个,太便宜了.
馒头1元3个 现在成2个了 你说有没有影响

1- 3 mao fotsiny ny vidin'ny harona plastika 1, kely loatra, tsy hisy ny vokatra hita maso.

2- Valiny:
Mitentina 1 RMB ny telo amin'ny mofo andrahoina amin'ny etona. Ankehitriny lasa 1RMB ny roa. Lazao ahy raha nanova zavatra izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.