Ny Arabo Saodiana Sy Ny Fiarany

(Marihina fa tamin'ny 6 Septambra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)
hubcap and rim of wheel in car EVOlution by powerbooktrance
Ny fiara nanaovana fanamboarana mba hanana endrika tena miavaka amin'ny hafa, ny fifaninanan'ny fiara mandeha mafy mampidi-doza sy ny fampisehoana mampivarahontsana eny amin'ny lalambe avy any Arabia Saodita…

Nandefa ity lahatsary mampatahotra  hitany tao amin'ny YouTube ity i Mona avy ao amin'ny bilaogy Rebellious Arab Girl (Tovovavy Arabo Mpikomy) tao anatin'ny lahatsorany Eto Arabia Saodita Ihany  izay ahitana ny vondrona Saodiana manao skate miaraka amin'ny kapany ary taritin'ny fiara avy aoriana;

Ao amin'ny sokajy mampidi-doza, mitondra antsika hijery ireo tanora Saodiana mirifatra miaraka amin'ny fiarany eny amin'ny lalana tery sy eny amin'ny lalambe miaraka amin'ireo mpamily hafa ihany koa i Saudi2k6Boy.

Asehon'i Captive107 amintsika ny lehilahy Saodiana iray mivoaka ny varavarankelin'ny fiara, ary mitsangana eo ambonin'ny vatam-piarakodia sy manokatra izany ary avy eo miverina miditra ao anaty fiara, sady eny am-pandehanana ny fiara amin'izany rehetra izany .

https://youtube.com/watch?v=oZtVzVbhxv4

Farany, ity fiara namboarina miavaka iray amin'ny endrika Saodiana ity dia ahitana ny varavaran'ny fiara eo anoloana migorisa , ny  varavaran'ny fiara any aoriana misokatra avy any aoriana, ny vatam-piarakodia misokatra amin'ny lafiny ilany ary ahitana ny iray amin'ireo varavarana mihodina rehefa hisokatra.

https://youtube.com/watch?v=B6zRKLM9XQg

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.