Ny Zavamaneno Avy Amin'ny Lafivalon'Izao Tontolo Izao

(Marihina fa tamin'ny 11 May 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)Taras KalapunTaras Kalapun's Beginning of a Music

 

 

Nalaza tao amin'ny Aterineto ny mpamboatra zavamaneno Japoney iray miaraka amin'ny trompetrany vita avy amin'ny sakaibe sy kokombra, ka nahatonga ahy hitondra ireto zavamaneno mahaliana vitsivitsy hafa ireto avy any amin'ny toeran-kafa eto amin'izao tontolo izao. Ny mpisera YouTube 13strings (kaonty efa mikatona) dia nanao antso ho an'ny olona rehetra mba hampiseho  ny zavamanenony namboarina tao an-trano ao amin'ny YouTube, ary maro ireo namaly izany ka anisan'izany ireto telo ireto: ny orikesitra iray manontolo vita avy amin'ny kapoaka namboarina  sy ny tavoahangy soda plastika, ny fomba nanamboarana ny didgeridoos, ny orga vita amin'ny tavoahangy misy rano. Misy ihany koa ny avy any amin'ny faritra hafa eto amin'izao tontolo izao, izay ahitana fitaovana mety tsy vita any an-trano kanefa tena manana feo miavaka: ny ‘hurdy gurdy’.

Avy any Brezila,  manana zavamaneno samihafa namboarina avy amin'ny boaty sy tavoahangin'ny zava-pisotro malefaka fara fahakeliny miisa 5  i jamilgiudice .

https://youtube.com/watch?v=2z-ilo6gfjg

Avy any Aostralia, asehon'i gwdidg amintsika ny fomba ahazoan'ny tompotany ny hazo kininina lavahan'ny vitsikazo izay manome ny zavamaneno tsofina tranainy indrindra eto amin'izao tontolo izao: ny didgeridoo:

Avy any Singapaoro, mitsoka ny tavoahangy manome feonkira i einrahseinraw, naka sary ny tenany ary nitendry ny mozikan'i Bach Toccata et Fugue in D Minor:

Ary hamaranana izany noho i avinograd avy any Rosia, nolalaovina tamin'ny hurdy gurdy na gironde, zavamaneno tsy mbola fahitako hatramin'izay teo amin'ny fiainako, ny hira nentim-paharazana mihetsiketsika mahafinaritra iray:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.