Governora Angoley Very Asa Rehefa Nanakiana Ny Antoko Politikany Tao Anatin'ny Antsafa

Governora teo aloha Isaac dos Anjos, nesorina tamin'ny volana Jona. Sary: Pikantsary/YouTube

Noroahana ny governoran'ny Faritanin'i  Benguela any Angola, Isaac Maria dos Anjos, rehefa avy nanome antsafa niteraka adihevitra tao amin'ny sehatra fampitam-baovao tohanan'ny governemanta Amerikana Voice of America (VOA), izay nalefa mivantana tao amin'ny Facebook.

Nasaina hanatrika ny fandaharana Angola Fala Só (Miteny Irery i Angola ) i Anjos , tamin ‘ny 1 Jona tao Benguela, izay nahitana azy namaly ny fanontanian'ireo tao amin'ny efitrano sy ireo izay nijery ny fampitana mivantana tamin'ny alalan'ny Facebook.

Efa vonona ny zava-drehetra. Androany amin'ny 2 ora miaraka amin'ny Governora Isaac dos Anjos ao amin'ny Hotely Mombaka. Hisy ny fandaharana faharoa miaraka amin'ny fiarahamonim-pirenena amin'ny 3 ora.

Nanakiana ny antokony, MPLA (Hetsi-Bahoaka ho an'ny Fanafahana an'i Angola ) nandritra ny antsafa i dos Anjos, izay nitondra an'i Angola hatramin'ny nahazoany fahahaleovantena avy amin'ny Portiogaly tamin'ny taona 1975. Hoy izy:

(…) Nós temos ainda no nosso léxico político os partidos da independência. Eles (partidos políticos) são muitos pesados. (…) Nós queremos que no futuro tenhamos pessoas que dirijam o país no respeito pelas normas gerais e o cidadão possa andar a vontade, para ter uma coisa não deve estar conotado com alguma bandeira (partidária)…depois que eu falei aqui com esses micros todos, nem sei se o meu emprego não está em risco.

[…] Mbola manana ireo antoko avy amin'ny fahaleovantena isika eo amin'ny sehatra ara-politika. Tena manan-kery izy ireo. […]  Mila olona mitondra ny firenena manaja ny fitsipika amin'ny ankapobeny isika amin'ny hoavy ary mamela ny olom-pirenena miaina amin-kalalahana, tsy tokony ampifandraisina amin'ny fanevan'ny [antoko politika] ny fananan-javatra… tsy fantatro akory raha ho very ny asako rehefa avy miteny eto miaraka amin'ireto mikrô rehetra ireto aho.

Nozaraina tao amin'ny YouTube ny lahatsarin'ny antsafa miaraka amin'ny ampahany etsy ambony :

Tamin'ny 8 Jona, nivoaka ny didim-panjakana nanala an'i dos Anjos amin'ny toerany ary nanendry ny mpandimby azy Rui Falcao Pinto de Andrade, governora ny faritanin'i Namibe izay nanendry olon-kafa ho eo amin'ny toerana tao anatin'ny antoko.

Nanamarinana ny fanapahan-kevitra tamin'ny fanesorana an'i dos Anjos ny MPLA  ho fandaminana anatin'ny antoko mialoha ny fifidianana manaraka, izay hatao amin'ny volana Aogositra amin'ity taona ity. Ity no fifidianana voalohany tsy misy an'i Filoha José Eduardo dos Santos mitantana ny MPLA hatramin'ny taona 1979.

Saingy  nanondro ny zava-misy ireo mpisera aterineto fa efa nankahala an'i Dos Anjos ny mpitarika ny MPLA noho ny fitsikerany ny antoko, ka nahatonga ny antsafa tao amin'ny VOA nahafeno ny kapoaka .

Tamin'ny volana May, ohatra, nanambara ny fampahalalam-baovao tao Angola fa misy ny  “tsy fifankazahoan-kevitra” teo amin'ny governoran'i Benguela sy ny sampana sasany tao amin'ny MPLA, izay niaraka tamin'ny fanambaran'ny loharanom-baovao tao amin'ny antoko eo amin'ny fitondrana tamin'izany fotoana izany fa hatsangana ny vaomiera mpitantanana mba hisolo toerana an'i Isaac dos Anjos.

Tamin'ny volana Aprily, nanome antsafa  iray hafa i Isaac dos Anjos tao amin'ny DW África Portuguese izay anisan'ny fahitalavi-panjakana iraisam-pirenena ao Alemaina, ary  nahitana azy nitsikera ny antokony:

(…) Não vale a pena escamotear mais e nos guerreamos com os argumentos do passado. Sofremos uma grande pressão internacional e nacional para mudarmos. Foi uma guerra longa e essa guerra também foi uma guerra civil. E, por ter sido civil, fica difícil [dizer] quem participou no bem, quem participou no mal. Levámos muito tempo a negociar a paz. Foram anos sucessivos, mas conseguimos agora ter 15 anos de paz.

Temos que prestar contas ao povo. Não podemos chegar aqui e só falar das vitórias. Temos que falar também dos nossos fracassos – não pode ser a nossa oposição a ter o começo. Eu próprio tenho que dar a cara. Mas não vou fazê-lo sozinho, os directores que estiveram a ganhar salários comigo têm que vir.

[…] Tsy ilaina intsony ny milalao  sy miady isika samy isika amin'ny fomba fandresen-dahatra efa lasa. Teren'ny tsindry iraisampirenena sy nasionaly isika mba hiova. Ady maharitra no efa vita, ary ady an-trano ihany koa ity ady ity . Ary amin'ny maha [ady an-trano azy] dia mbola sarotra ny [milaza] izay nandray anjara ho amin'ny hevitra tsara, na izay nandray anjara ho amin'ny hevitra ratsy. Naharitra ela ny fifampiraharahana nitadiavana fandriampahalemana. Naharitra nandritra ny taona maro izany, kanefa nahavita 15 taona nilamina isika ankehitriny .

Manana tamberin'andraikitra amin'ny vahoaka isika. Tsy tonga eto isika mba hiresaka momba ny fandresena ihany fa iresaka y tsy fahombiazantsika ihany koa, ary tsy ny antoko mpanohitra akory no tsy maintsy hanomboka izany. Izaho manokana dia tsy maintsy mandray andraikitra kanefa kosa tsy hanao izany irery aho fa tokony hanao izany ihany koa ireo mpitarika izay mandray karama miaraka amiko.

Tao amin'ny media sosialy, niteraka adihevitra maro ity lohahevitra ity. Nanazava i Clitorclilson Bombestergue Pacoy Cosme , mpianatra iray ao amin'ny Oniversiten'i Luanda fa tsy vaovao ny fomba fijery mifanohitra nataon'ilay mpanao politika voaroaka ;

 Em 2015 Isaac Maria Dos Anjos chamou a governação do MPLA de um governo incompetente por importar até paliteiros dos dentes. Em Maio de 2016 numa palestra da OMUNGA Isaac Dos Anjos alertou a Juventude a não apostarem mais no MPLA, aconselhou indirectamente os jovens a aderirem a CASA-CE.

Tamin'ny taona 2015,  niantso ny governemantan'ny MPLA ho tsy mahavita azy i Isaac Maria Dos Anjos satria na dia ny fitoerana fisokirana nify aza dia hafàrana avy any ivelany. Tamin'ny volana May 2016, nampitandrina i Isaac Dos Anjos  nandritra ny kabariny tao amin'ny OMUNGA [ ONG nasionaly izay miaro ny zon'ny ankizy] fa tsy tokony hametraka ny fitokisany amin'ny MPLA ny tanora, izay milaza tamin'ny fomba ankolaka ny fanoroana hevitra ny tanora mba hanohana ny CASA-CE [fiaraha-mitantan'ny antoko mpanohitra].

Angoley i Kikas Pedro Moises, ary monina ao amin'ny faritany izay nisy ny governora nesorina tami'ny toerany:

O povo Benguelense estão triste com a má atitude do presedente da República de Angola pela exoneração do Governador de Benguela Isáac Maria dos Anjos, por ele foi o melhor governador de todos os tempos porq sabe separar as coisas de trabalho e a política!

Malahelo noho ny fihetsiky ny filohan'ny Repoblikan'i Angola manoloana ny fandroahana ny Governoran'i Benguela Isaac de los Maria Anjos ny vahoaka Benguele noho izy governora tsara indrindra hatrizay satria hainy ny manavaka ny asa aman-draharaha amin'ny politika!

Nanontany ny tena fikasana ao ambadiky ny fandroahana ny governora miaraka amin'ny fifidianana ho avy i António Pinto Uassamba :

A pergunta que não quer se calar é: O que esteve na base da exoneração de Isaac dos Anjos, uma vez que em termos de timing, o acto pode ser perigoso para o partido da situação que vai às eleições em Agosto próximo?

Ny fanontaniana izay tsy azo lavina dia ny hoe: Inona no tena fototry ny fandroahana an'i Isaac dos Anjos satria raha ny fandaharam-potoana no jerena dia mety hisy fiantraikany ratsy ho an'ny antoko eo amin'ny fitondrana izay hanao fifidianana amin'ity volana Aogositra ity ny zava-mitranga?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.